Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 03h39
 

Communiqué

FANAMBARANA

jeudi 24 mai 2012

Ny OTRIKAFO dia :

  1. Manameloka ny fihetsika nataon’ny fitondram-panjakana ny 19 sy 23 mai 2012 ary ny fampiasana ny foloalin-dahy ho herim-pamoretana
  2. Mirary fahasitranana haingana ho an’ireo izay niharam-boina nandritry ny hetsika izay natao ny 19 mai 2012
  3. Manohitra amin’ny heriny rehetra ny fiverenan’ny jadona
  4. Manohana ny fijoroana amin’ny marina mba ho tombon-tsoan’ny malagasy
  5. Manohitra ny fanapenam-bava na amin’ny endriny inona na inona ary mangataka ny hanokafana ny haino aman-jerim-panjakana ho an’ny olona rehetra izay te haneho hevitra malalaka ao anatin’ny fifanajana
  6. Saro-piaro amin’ny FIANDRIANAM-PIRENENA sy ny FIANDRIANAMBAHOAKA ary mijoro hamerina sy hiaro izany. Ankehitriny dia mahatsapa ny OTRIKAFO fa potika tanteraka izany. Manaporofo izany ny zava-miseho ankehitriny fa tsy misy intsony ny hasin’ny mpiasam-panjakana, mpanabe isan-tsokajiny, ny foloalin-dahy, ny mpitsara, ny fianakaviam-ben’ny mpitsabo, ny mpandraharaha, ireo sehatra tsy miankina maro indrindra ny vahoaka malagasy maro an’isa izay very
    fanahy mbola velona amin’izao fotoana izao.
  7. Miantso ny malagasy rehetra hiray hina sy hivondrona ary hanambatra ny hery mba hanafaka ny firenena amin’izao fahoriana mangitsokitsoka izao ary ho sahy hametraka rafitra vaovao mendrika ny malagasy hampiakatra ny fari-piainany, hiaro azy amin’ny asa ratsy rehetra mba ahafahany mamokatra ary indrindra rafitra ahafahan’ny mpitondra miaro ny harem-pirenena sy ny malagasy rehetra. Ny fametrahana izany dia tsy ilana ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa ny fanapahan-kevintra raisintsika malagasy maro an’isa ihany dia ampy.
  8. Miantso ny foloalin-dahy hijoro sy hiaro ny vahoaka mitaky fandaminana vaovao
  9. Miantso ny foloalin-dahy hijoro sy hiaro ny fananam-pirenenena sy ny fananambahoaka amin’ny fotoana rehetra indrindra ao anatin’ny vanim-potoana hisian’ny hetsi-bahoaka.

Masina ny Tanindrazana
Mitohy ny Tolona

Antananarivo, faha 23 mai 2012

Ny Mpandrindra Nasionaly, RAKOTONDRAMANANA Hery Tiana
Ny Mpitarika, Rajaonah ANDRIANJAKA

1 commentaire

Vos commentaires

  • 24 mai 2012 à 14:42 | menalamba (#6671)

    Teo ianareo nahita an’i Rajoelina nadrora paraky tsy nahatan-damba dia izao indray vao hoe Fanambarana aho Fanambarana !!!!

    Ankizy roa taona ary nahalala t@ 2009 fa faikam-boto mpanongam-panjakàna i Rajoelina nefa notahananareo mafy ery dia izao vao hoe « kenda fa domy aho Ranaotra !!! »

    Mandehana mihintsy aloha milevim-belona raha mbola mahafantatra izany atao hoe henatra izany...

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS