Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 17h49
 

Tribune libre

FANAMBARANA

mercredi 6 janvier 2010

NY FIVONDRONAN’NY FIKAMBANAN’ NY FIRAISAMONIM-PIRENENA
MANOHANA NY FAMPIHARANA ANTSAKANY SY ANDAVANY NY
FIFANARAHAN’NY MAPUTO I SY II ARY ADDIS-ABEBA
(ALLIANCE DES ORGANISATIONS DE LA SOCIETE CIVILE
ADHERANT AUX ACCORDS DE MAPUTO I et II ET D’ADDIS ABEBA),

Dia manao izao FANAMBARANA manaraka izao momba ny Fifidianana izay kasaina hatao ny 20 martsa 2010 sy ny Atrikasa fanomanana izany izay hataon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny 6-7 janoary 2010.

Noho ny :

Foto-kevitra voizin’ny Alliance hatramin’izay : vahaolana iombonana sy eken’ny rehetra ary am-pilaminana, izay hany lalan-tokana hivoahan’ny firenena amin’ny krizy mahatsiravina iainany sady ahafahany mampijoro fiaraha-monina sy repoblika manaja ny soatoavina demokratika
Fifanarahana hany azo hatramin’izay niarahan’ny ankolafin-kery efatra nanaiky sy nanao sonia teo imason’izao tontolo izao amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy rehetra eran’ny Nosy.
Dina mametraka ny soatoavina (Charte des valeurs) tokony harahina sy hajaina ary tanterahina amin’ny ankapobeny sy amin’ny antsipiriany
Dingana efa vita mizotra mankany amin’ny vahaolana nifanarahana
Fahapotehan’ny toekarena miteraka ny korontana ara-tsosialy, fahaverezan’ny soatoavina, tsy fisian’ny fandriapahalemana sy ny filaminana eo amin’ny firenena iray manontolo, isan’ambaratonga sy isan-tsehatra.

Dia hita miharihary fa manalavitra ny fahitana vahaolana iombonana hivoahana amin’ny krizy :
Ny fialana tanteraka amin’ny fifanarahana nosoniavina tany Maputo sy ny fikasana hanao fifidianana amin’ny 20 martsa 2010.
Torak’izany koa ny atrikasa kasaina hatao ny 6-7 janoary 2010 izay fitaovana entina hanatanterahana izany fifidianana izany.

Ny fiantsoana ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena isan-tokony amin’io atrikasa io dia fomba ankolaka entina hanamafy orina ny fitondrana azo ivelan’ny fanajana ny lalam-panorenana sy ny politika rehetra ampiharina ho amin’izany

Marihana fa :
Ny Fifidianana sy ny Atrikasa hivoahana amin’ny krizy dia ekena fa mitaky :
Mpikarakara tsy mitongilana, tsy miankina ary tsy miandany na amin’iza na amin’iza ;
Fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena rehetra hatrany ifotony, ka hatraty amin’ny sehatra fara-tampony ;
Valiny eken’ny rehetra ka mitondra ny firenena am-pilaminana any amin’ny repoblika faha-efatra.

Manambara fa :

Ny fanaovana fifidianana eto Madagasikara toy izay kasaina hatao amin’ny 20 martsa 2010 ka tsy manaraka ireo foto-kevitra manaja ny fiarahan’ny rehetra dia tsy mitondra filaminana sy fandriapahalemana ary vokatsoa ho an’ny Malagasy. Vao mainka koa aza hiteraka korontana sy fifandonana ary krizy hafa indray eto amin’ ny firenena izany.

Noho izany, dia manao ANTSO AVO amin’ny :

Olom-pirenena sy ny firaisamonim-pirenena rehetra tsy hanaiky atao fitaovana hanamafisana orina ny fihetsika sy ny fanapahan-kevitra mandeha samy irery.
Manainga ny rehetra hanambatra hery amin’ny fitadiavana vahaolana iombonana ao anatin’ny fotoana fohy.


Natao teto Antananarivo, faha-05 janoary 2010

Malagasy MPAdala ny FIhavanana (MAMPAFI)
ACCES ZON’OLOM-BELONA
FMM
Federasion’ny SEndika Malagasy (FISEMA)
PFNOSCM/VOIFIRAISANA
TRANOBEN’NY TANTSAHA DIANA
Plate-Forme Régionale des Organisations de la Société
Civile/VOIFIRAISANA SOFIA
Collectif des Citoyens et Organisations Citoyennes (CCOC)
Club Développement et Ethique (CDE)
MAMIMAD

2 commentaires

Vos commentaires

  • 6 janvier 2010 à 11:30 | RAVELO (#802)

    Mahagaga ahy fa tsy nisy resaka ny hanaovana ny« législative » alohan’ny « présidentielle » hatram’izay,koa nahoana fotsiny eo no teren’ny FATY ny vahoaka ?
    Tsy ny fangarangarahan’ny fifidiana no takiana aminy,izay tsy ho azo na oviana na oviana,fa ny fiarahanana manapaka ny hatao sy ny fotoana hanaovana azy.
    Hanao fifidianana kitoatoa eo,sady lany ny vola no tsy hitondra n’inoninona,sady tsy azo atokisana velively ny FATY ?KOA ALEO ALOHA HILAMINA KELY NY TANY .

  • 8 janvier 2010 à 19:40 | princesse kely (#3677)

    Amiko, ny mahasoa an’i Madagasikara dia mifidy lalam-baovao, tsy miditra amin’ireo Mouvances hafa, dia ny fisafidianana ny FANJAKANA AMANDREPOBLIKA na MONARCHIE CONSTITUTIONNELLE (na MONARCHIE REPUBLICAINE). Efa 50 taona mantsy izay no lasa, 4 krizy mifanesy, ka raha mitady « stabilité politique et continuité de l’Etat » isika malagasy, dia tsara kokoa ny mirona amin’ny hevitra vaovao mahasoa, ary manatsara ny hoavin’ny firenena.
    Misaotra indrindra

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS