Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 15h08
 

Tribune libre

FANAMBARANA

mardi 20 octobre 2009

« Ny Voifiraisana (PFNOSCM) miatrika ny toe-draharaham-pirenena »

Ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Nasionaly momba ny Sori-dàlana sy ny Fanaraha-maso isam-paritra sy isa-tsokajiny ao anatin’ny Voifiraisana - Vovonana Iombonan’ny Firaisa-monim-pirenena eto Madagasikara avy amin’ny Faritra 22 izay nivory ara-potoana ny 16 sy 17 oktobra 2009 teto Antananarivo (Foibe toerana Tsiadana), dia manao izao fanambarana manaraka izao :

1/ Fampahatsiahivana ny foto-kevitra ijoroan’ny Voifiraisana

Araka ny foto-kevitra ijoroan’ny Voifiraisana na ny PFNOSCM, voafaritra ao anatin’ny Vina, ny iraka ampanaovina azy ary ny velirano nataony, izay miompana amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny tombotsoam-pirenena ary ny soatoavina Malagasy, dia manamafy fa :

Tsy miova amin’ireo foto-kevitra ijoroany ny Voifiraisana hatramin’ny nitsanganany (Convention nationale natao tamin’ny 23-25 jiona 2005) ;

Noho izany, dia :
- mampahafantatra sy manamafy fa ny Voifiraisana dia manana ny anjara-toerany lehibe eo amin’ny famahana ny krizy na eo amin’ny fampandraisana anjara ny vahoaka isa-paritra eo amin’ny fitadiavana vahaolana, ny fifandraisana sy fifandresen-dahatra amin’ireo ankolafin-kery efatra sy ny filohany avy ho fitsinjovana ny tombotsoam-pirenena, ny fifandraisana sy fifandresen-dahatra amin’ireo vondrona iraisam-pirenena rehetra, amin’ireo mpanelanelana vahiny sy ny Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikana, ny fifanelanelanana mivantana amin’ny samy malagasy ary ny fanentanana ny firaisa-monina sivily eran-tany hanohana ny vahoaka malagasy
mankato ireo sori-dàlana narahina sy fanapahan-kevitra noraisina ary andraikitra sy asa notanterahina hatramin’izao ho fitadiavam-bahaolana
- tohizana sy amafisina ireo fiarahana mitady vahaolana amin’ny krizy mianjady amin’ny firenena araky ny fomba fiasa izay nofaritana tamin’ny fivorian’ny CNOSS tamin’ny volana martsa 2009 : vahaolana ifanarahana, eken’ny rehetra, iombonana ary tsy misy herisetra

2/ Momba ny fifanarahana sy ny Satan’ny Mapotô

- ampiharina an-tsakany sy an-davany ny fifanarahana sy ny sata nosoniavina tany Mapotô 1 ary niarahana nanao sonia teto Madagasikara.
- vonona hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny Voifiraisana : ny ankolafin-kery politika efatra, ny fiombonambe iraisam-pirenena, ny GIC, ny fikambanana sy vondrom-pikambanana amin’ny sehatra nasionaly sy isa-paritra ary iraisam-pirenena

Fandraisana anjaran’ny Voifiraisana sy ny hoavin’ny firenena

- handray anjara amin’ny fanomanana, ny fikarakarana, ny fanatanterahana ny Fihaonambem-paritra sy ny Fihaonambem-pirenena iarahan’ny rehetra araky ny voalaza ao amin’ny and . 17 sy 24 ao amin’ny Satan’ny Mapotô
- vonona ny handray andraikitra amin’ny fananganana sy fanamafisana ireto rafitra ireto : Conseil Electoral National Indépendant (CENI), Conseil National de la Réconciliation (CNR) ary ny Conseil Economique et Social (CES)

3/ Fanamarihana

Zava-dehibe ny fiaraha miasa amin’ireo firenena avy any ivelany izay miara mitady vahaolana amin’ny krizy atrehin’ny vahoaka malagasy. Na izany aza anefa, dia tsy ankatoavin’ny Voifiraisana ny fitsabahana amin’ny raharaha tokantranon’ny Malagasy izay mahakasika ny tombotsoam-pirenena sy ny fiandrianam-pirenena.

Natao teto Tsiadana, Antananarivo, androany faha 17 oktobra 2009

2 commentaires

Vos commentaires

  • 21 octobre 2009 à 02:47 | Jim-0450 (#945)

    BE ILAY RESAKA FA TSY MISY VONTOATINY.

    • 21 octobre 2009 à 11:23 | sonnerie (#3382) répond à Jim-0450

      Jim-O450
      Raha tsy mahay miresaka tsy afaka ny hieritreritra hitondra, haka ireo toerana noresahiny eo ambony ireo.

      Ny vontoatiny ? eo am-pandrasana mahita ny atiny : hanararaotra toerana hihinanana ve sa hiasa mafy noho ny fitiavana ny tanindrazana ? Io faharoa io no tsy ampy eto Madagasikara. Olona mahitsy, matahotra an’Andriamanitra, maty hamela mamy toy ny renitantely, ho an’ny tanindrazany sy ny mpiray tanindrazana aminy.
      Hatramin’izao dia saika mampalahelo ny mpitondra nifandimby :
      - olona mahay miresaka sady namahan-tena : dadaIgnace : voaongana.
      - mazoto miasa fa manao ampihimamba, tsy azolazaina tsy nampandroso ihany nefa ny olana dia ity izy mangorona loatra sy mampijaly kely : dadaMarc.Io niongana io koa
      - idaiandry tsy nanaiky ampijaliana dia io izy io, mora ny mandrava fa sarotra ny manarina, toa efa hita ihany koa anefa fa efa tia mihinana sahady na dia ambivitra aza no azo hanina. Dia io tsy mahatsangana io.
      - dadazafy indray : tsy hitako mihitsy izay ilazana azy, ... nanongan-tena
      Ho anareo manao fanambarana ireo eh ! izay no fahitako ny olona mpanao politika malagasy.
      Ka dia alefaso ary hiaraha mijery eh.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS