Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 17h06
 

Tribune libre

FANAMBARANA

jeudi 10 septembre 2009

FANAMBARANA

Araka ny fanampahan-kevitra noraisin’ny antoko Tiko i Madagasikara, ary araka ny fanambarana nataon’ny filoha mpanorina ny antoko Tiko i Madagasikara dia manao ity fanambarana fanamafisana ity ny antoko.

Efa nanala tena tsy ho mpikambana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara intsony Andriamatoa Jacques Hugues Sylla rehefa avy nanao ny fanambarana ampahibemaso teny amin’ny kianjan’ny 13 mai tamin’ny volana Martsa lasa teo. Manamafy ny fialany amin’ny antoko ny fidirany ao amin’ny tetezamita tsy misy teny hierana ataon’ny ankolafy Rajoelina.

Torak’izany koa Andriamatoa Rajemison Rakotomaharo sy Ramatoa Manorohanta Cecile Dominique, izay efa samy nanala tena koa rehefa nandray asa tamin’ity tetezamita tsy misy teny hierana ataon’ny ankolafy Rajoelina.

Mamerina etoana koa ny antoko fa mitsipaka tanteraka sy manohitra tsy mihambahamba ny tery vay manta ataon’ny ankolafy Rajoelina amin’ny fananganana ny tetezamita tsy misy teny hierana izao. Manantitra koa ny antoko fa ireo izay mandray asa ao anatin’io tetezamita sandoka tsy misy teny hierana io, dia naman’ny manala tena sy tsy mpikambana ao amin’ny antoko intsony ary efa manala tena tsy ho mpitolona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ihany koa.

Raharinaivo Andrianantoandro
Mpitondra teny antoko Tim,
Mpikambana ankolafy Ravalomanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS