Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 22h27
 

Tribune libre

FANAMBARAN’NY OTRIKAFO

vendredi 6 novembre 2009 |  1655 visites 

Mitohy ny fampisavorovoroana ny saim-bahoaka ataon’ireo vahiny fahavalom-pirenena, ary manaraka ambokony izany ireo teratany mpitsivalam-pandry amin’ny Fiandrianam-pirenena. Ireo filoha izay naloan’ny vahoaka malagasy na naongan’ny Antenimieram-pirenena (empêchement) ary ireo mpomba azy avy no nohosoran’ny GIC ho « mouvances » telo. Nanaiky hosokajina ho « 4ème mouvance » koa Atoa Andry Rajoelina. Fanomezan-danja ary fankatoavana ny foto-pisainan’ireo vahiny mpitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy ireo izany. Ary dia io izy manaiky ny fiantsoan’ny GIC (convocation) any Addis Abeba io ankehitriny.

Hamafisin’ny Otrikafo indray fa mibaribary ny asa fandemena ny herin’ny vahoaka mitaky ny Fiandrianam-pirenena, ary tsy miafina intsony ny famadihana ny Tolom-bahoaka izay noezahina nakatona anaty rindrina efatra, na teto an-toerana (Le Hintsy, Ambassade du Sénégal, Carlton), na tany ivelany (Maputo, Addis Abeba).

Izany dia endrika mazavan’ny fisehoan’ny fanonganam-panjakana nataon’ny Vondron’ny hery iraisam-pirenena mpanani-bohitra sy mpanjakazaka an-tanin’olona (GIC, SADC, …), izay miantehitra amin’ireo saribakoly teratany voalaza etsy ambony ireo.

Manantitra ary manizingizina ny Otrikafo fa TSY MISY AFA-TSY FOTO-PISAINANA ANANKIROA MIFANOHITRA TANTERAKA ETO AMIN’NY FIRENENA, nanomboka tamin’ny andro nananihan’ny vazaha an’i Madagasikara ka mandrakizao.

Mbola hita mibaribary izany amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenentsika izao :
Andaniny, ireo nanao sonia ary manaiky ny fifanarahana Maputo : i Didier Ratsiraka, i Zafy Albert, i Andry Rajoelina, ary koa i Marc Ravalomanana sy ny mpomba azy, na dia nilaza ho tsy nanaiky ilay fanendrena ny praiministra sandoka aza izy. Fifampizaran-tseza izay afenina ao ambadiky ny ambarany ho « tombon-tsoa avon’ny tanindrazana » no mampifandramatra azy ireo. Tsy manan-kenatra akory ireo milaza azy ho « mpitady vaha olana amin’ny kirizy malagasy » manambara fa ny fizaran-tseza ho an’ireo « mouvances » efatra ireo no antom-pivoriana ankehitriny any Addis Abeba.
Ankilany, ny vahoaka malagasy iray manontolo mandala ny fiandrianam-pirenena, mandà ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany ary mitady ny lalana hanafahana an’i Madagasikara amin’izao fampahantrana mahery vaika ataon’ny firenena mpanjakazaka izao.

Ny Otrikafo dia manambara fa miandany hatrany ary vonona hiara-mitolona amin’izay mijoro hikatsaka ny Fiandrianam-pirenena.

Noho izany, lavin’ny Otrikafo tanteraka ny fiheverana na ny filazana fa misy « mouvance faha dimy », ary tsy anisan’ireo manao sonia ny Fanambaran’io « mouvance » io izy, satria tsy fanomezana lanja ny Fiandrianam-pirenena ny fanekena ny maha « mouvance » ny Vahoaka malagasy mitaky Fiandrianam-pirenena tsy miankin-doha.

MASINA NY TANINDRAZANA.
OTRIKAFO

Antananarivo, faha 4 novambira 2009

6 commentaires

Vos commentaires

  • 6 novembre 2009 à 08:45 | ton ami (#480)

    Otrik’afo,

    Tys fantatro oe mba fanatr’ity lehilhy lehibe ity ve ny zavatra teneniny sa de faly miteniteny foana ? ????????????????

    Nahoana no lazainao fa fahavalombahoaka ny vahiny ? satria ve tsy manaiky fahatany izay lazain’ny HAT (mpanomngam-panjakana) de oe fahavalombahoaka ? kanefa ny anao izao tontolo izao dia miaraka tsy lanaiky io fahefana nagalarina io ? la logique est simple la montée au pouvoir doit être justifiée par la voie des urnes.

    Inona moa ty lazina lava oe fiandrianam-pirenena ty ? ny an’ity antoko ity de AVONAVONA no betsaka, raha ny tiany de roaina daholo ny vahiny dia hidina ny seranan-tsambo sy ny aeropot tsy hahafhan’ny entana vahiny miditra fa izay hono no mhavelona ny toe-karena malagasy !!!!!!!! cad hanao kapa fingotra, tsy mihinana afa-tsy mofo gasy , tsy mitafy afatsy lamba soga, .................................

    Mba re tompoko mieritreritra fa ana dia FANJAITRA IRAY AZA TSY VITAN’NY MALAGASY HATRAMIN’IZAO.

    Atsipy ny tady ka dia ialan tsiny raha mandratra ny mpamaky !!!!!

    • 6 novembre 2009 à 14:29 | hafatra (#1895) répond à ton ami

      Ho an’i ton ami,

      Hivereno vakiana kely ny zavatra voalazan’ny otrikafo fa tsy mifanaraka amin’izay lazainao eto.Tsy ny vahiny rehetra no tiana ambara eto.
      Ny fiandrianam-pirenena dia midika fa isika no misafidy malalaka izay firenena tiantsika hifaneraserana sy hiarahana miasa ary mbola isika irery no manapaka sy mandidy amin’izay zava-mitranga eto amin’ny firenena fa tsy fanapahan-kevitra na fikasana sy tetika maizina atao amboletra avy any ivelany, toy izao miseho any Addis Abeba izao.

      Toro hevitra kely ho anao ry mpiray tanindrazana : inona sy iza moa no nahatonga antsika hiankin-dava avy amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany ka na ny fanjaitra aza tsy vitantsika eto ?

    • 6 novembre 2009 à 14:43 | ton ami (#480) répond à hafatra

      Valinkafatra !

      Za nge tsy vao izao no naheno io lehilahy mlehibe miteniteny foan io e ! za manaiky fa tokony hanan ny fiandrianampirenena ny malagasy saingy ny azy fonosiny sy tiany harovana ny fanomngam-panjakana.

      Averiko aminao indray fa tsy vao izao za no naheno io rangahy io, haiko tsara ny analyse politique, econoimiqu’nio fa hambopo diso toerana ny azy.

      Fantatro fa misy hors sujet ny resako raha ohtra enao tsy maharaka ny vaovao eto Dago lazain’io rangahy io.

      NY mahatonga antsika hiankin-doha ve no fanontanianao ? mba SAINO kelya zafady ny fanontanianao, averiko indray aminao fa na dia fanjaitra iray aza tsy vitan’ny malagasy, ary iza no firenena tsy miankindoh any ivelany ??? USA ve ? RUSSIE ve ? CHINE ve ? Tsy misy tompoko !

      Raha tinao ny tsy hiankindoha dia mila mamokatra sy mikaroka ary mianatra , kanefa ny zavatra mba vita potehian’ny mpanonga mpanjakana.

      Mazava ve ny vliankafatra tompoko !

    • 6 novembre 2009 à 19:59 | hafatra (#1895) répond à ton ami

      Ho an’i ton ami,

      Na i russie na usa na i chine dia tsy miankin-doha " na amin’iza na amin’iza.Mifanerasera sy mifanakalo amin’ny firenena rehetra izy ireo ary tsy misy firenena hafa mandidy izay tokony ataony.Izy ireo ihany koa no mifidy izay firenena tiany hifandraisana na hiadivana.

      Ny antsika malagasy indray dia avela na omena alalana mihitsy ny firenena vahiny hitsabaka , hanjaitra sy handidy izay politika tokony harahintsika na amin’ny eto an-toerana izany na ny any ivelany.
      Raiki-tapisaka amintsika mihitsy ilay saina mpangataka sy mitady ranondranony any amin’ny vahiny : frantsay, koreana, libiana, sovietika taloha, amerikana sy norveziana ary alemana ....sinoa.

      Izay toe-tsaina izay mhitsy no tsy nahavitantsika fanjaitra tao anatin’ny 50 taona .

    • 9 novembre 2009 à 10:01 | ton ami (#480) répond à hafatra

      Valinkafatra,

      Iza no nilaza taminao fa tsy miankindoha any ivelany i Russie, Chine, Usa, ......... inon ary ny antony sommet Chine Afrique ? AGOA ? ................. sa ve oe mila tenenina oe ireo no firenena mpamokatra hoan’ireo firenena lehibve ireo ? koa nahoana izy no tsy hiankindoha ????????????? ny fandriasnao azy no mety tsy fantatro fa tsy misy firenena mahavia tena na iray aza.

      NY mahasamy hafa ny antsika fotsiny dia ny antsika efa tafahoatra stria presque 80 % ny vola miodina dia vola avy any ivelany daholo, ndeha ary ho jerena oe tsy avela manapaka ireo tompon’ny vola dia inona no hataonao ???? efa nahavita fanjaitra ve oa ? oaiza ireo mpiasan’ny zone franche ireo raha esoriny ny volany ? ary normale izy raha manapaka satria iro dia membre ao anatin’ny G8, G7, G20, ...............................

      Ny tianareo hambara nge de oe aza kianina Rajoelina e ! aza milaza nareo vahiny oe coup d’état no nisy teto, ary aza sanctionnena ny firenenay AZA AHODIKODINA NY RESAKA.

      Mody toe tsaina patriotisme no oetona nefa ny ao mbadika politika ratsy , Tsy misy amidinao eto Ry Otrik’Afo a !

      Ra8 teo @ fitondrana efa betsaka ny asa vita ,de norobaina, nopotehina tao anaty fotoana fohy ,..................... ndana ndray ry otrik’afo milahatra eny @ 13 mei satria tsy maintsy ny hevitry ny GIC sy ny superpuissabnce no arahina a !

    • 9 novembre 2009 à 14:22 | Tsy Vendrana (#2417) répond à ton ami

      Aohana tokoa moa no anekena izany fizarana seza karakarain’ny vahiny izany ?
      Aiza ny vaohaka Malagasy ao anatin’izany resaka rehetra izany ?
      Dia ireo olona voatanisa eo ambany ireo ve no anomana ny ho avin’ny Malagasy ?
      Ratsiraka : voadaka tam’in’ny 1991 sy 2002.
      Zafy : voadaka tamin’ny 1996.
      Ravalomanana : niala tamin’ny 2008.
      Andry Rajoelina : tsy voafidim-baohaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS