Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h32
 

Tribune libre

FANAMBARAN’NY FOLOANLINDAHY

jeudi 26 novembre 2009

MANOLOANA NY SAHOAN-DRESAKA MIKASIKA IREO MIARAMILA NANAO FANAMBARANA TAMIN’NY HAINO AMAN-JERY DIA TIANAY NY MANAMBARA ETOANA FA EFA NISY NY FEPETRA NORAISIN’NY FIBAIKOANA NY TAFIKA MALAGASY SY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA ;

MBOLA MANAMAFY ARY AMBARANAY AM-PAHIBEMASO FA IRAY TSY MIVAKY NY TAFIKA MALAGASY SY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA IZANY HOE : NY FOLOALINDAHY MALAGASY ; ARY MANAMAFY IZANY NY FIJOROAN’IRETO TOMPON’ANDRAIKITRA AMBONY REHETRA MIFEHY IZANY ETO ANILANAY ETO. MAFY ORINA NY FIRAISANKINAN’NY FOLOALINDAHY MALAGASY IRAY MANONTOLO EO AMBANY FIBAIKOAN’OLON-TOKANA DIA NY GENERAL DE BRIGADE NDRIARIJAONA ANDRE HO AN’NY TAFIKA MALAGASY SY NY GENERAL DE BRIGADE RAZAFINDRAKOTO BRUNO HO AN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA ;

HO ANAY ATO AMIN’NY FOLOALINDAHY DIA IRAY IHANY NY « FILOHA FARATAMPON’NY FOLOALINDAHY » NA NY « CHEF SUPREME DES FORCES ARMEES ». ARAKA NY TOVANA AMIN’NY FIFANARAHANA TANY MAPUTO IZAY TAPAKA TANY ADDIS-ABEBA, DIA ANDRIAMATOA ANDRY NIRINA RAJOELINA NO FILOHAN’NY FITONDRANA TETEZAMITA ; KOA AMIN’NY MAHA FILOHAM-PANJAKANA AZY DIA IZY NO “FILOHA FARATAMPON’NY FOLOALINDAHY” ;

AMPATSIAHIVINA SY AMPAHAFANTARINA IREO OLOM-PANJAKANA AMBONY ETO AMIN’NY FIRENENA FA NY LEHIBEN’NY ETAMAZAORO JENERALIN’NY TAFIKA MALAGASY SY NY KOMANDIN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA IRERY IHANY NO AFAKA MANOME FAHAZOAN-DALANA NA AUTORISATION HO AN’IZAY OLONA MANAO FANGATAHANA HAHAZO FIAMBENANA MANOKANA ARA-MIARAMILA NA "GARDE DU CORPS”, KA HO AN’NY MAMBRAN’NY GOVERNEMANTA DIA NY BATAILLON DE SECURITE DE LA PRIMATURE MAHAZOARIVO NO MANOME NY OLONA NAHAVITA FIOFANANA AMIN’IZANY ARY HO AN’IREO OLOM-PANJAKANA AMBONY AMIN’IREO ANDRIM-PANJAKANA HAFA KOSA DIA NY AO AMIN’NY VONDRONA MPIARO NY FILOHAM-PIRENENA NA NY DIRECTION DE LA SECURITE PRESIDENTIELLE NO MANOME NY OLONA HO AMIN’IZANY.

HO FAMPIHARANA IZANY DIA OMENA BAIKO IREO MIARAMILA REHETRA ANY AMIN’IREO ANDRIM-PANJAKANA IZAY MANAO NY FIAROVANA MANOKANA NA ASA HAFA KA TSY MBOLA NAHAZOANA FANOMEZAN-DALANA AVY AMIN’NY LEHIBEN’NY ETAMAZAORO JENERALIN’NY TAFIKA MALAGASY NA NY KOMANDIN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA MBA HIVERINA HAMONJY NY TOBY NIAVIANY AVY MIARAKA AMIN’NY FITAOVAM-PANJAKANA EO AM-PELATANANY.

NIMATIMATESAN’NY FOLOALINDAHY HATRIZAY ARY NAHATONGA AZY HANDRAY FEPETRA TAMIN’ITY KRIZY ETO AMIN’NY FIRENENA ITYY NY FIAROVANA NY AIN’NY VAHOAKA ARY NY TSY FAMPIASANA NY FOLOALINDAHY AMIN’NY FAMONOAM-BAHOAKA.

TSY AFAKA MANAO NY ASANY MANONTOLO NY FOLOALINDAHY ANKEHITRINY. TSAPA ANEFA FA MARO IREO ASAN-DAHALO SY ASAN-JIOLAHY IZAY MAMPIJALY SY MAMONO IREO VAHOAKA INDRINDRA INDRINDRA NY ANY AMBANIVOHITRA NOHO NY TSY FAHAMPIAN’NY MPITANDRO NY FILAMINANA ANY SATRIA VOATAZONA AN-DRENIVOHITRA AMIN’NY FITANDROANA NY FILAMINANA AMIN’NY SAHOTAKA POLITIKA NY ANKAMAROANY.

KOA MANOLOANA IZANY DIA ANGATAHINAY NY HITADIAVANA VAHAOLANA HAINGANA HANANGANANA NY GOVERNEMANTA SATRIA NY FITARAZOHAN’NY FANANGANANA IZANY DIA TOY NY FAMONOANA ANKOLAKA NY VAHOAKA MALAGASY.

NATAO TETO ANTANANARIVO NY ALAROBIA FAHA 25 VOLANA NOVAMBRA 2009

NY LEHIBEN’NY ETAMAZAORO JENERALIN’NY TAFIKA MALAGASY
GENERAL DE BRIGADE NDRIARIJAONA ANDRE

NY KOMANDIN’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA
GENERAL DE BRIGADE RAZAFINDRAKOTO Bruno

6 commentaires

Vos commentaires

  • 26 novembre 2009 à 11:32 | Mahery (#3513)

    Voalohany indrindra « FOLOALINDAHY » fa tsy « FOLOANLINDAHY »
    Ny mahagaga dia ohatra ny manenji-keloka ihany ny ireo tafika,
    Iza no namboly ny korontana amin’izao fotoana izao ? Tsy afa-miala ianareo tafi-bahoaka
    Nolazaiko hoe tafi-bahoaka satria zany no tena anaranareo, ka asa raha hisy sahy hamaly na ho tezitra ianareo fa amiko tsy izay intsony ny tokony ho anaranareo fa “tafiky ny mpamadika”, “tafiky ny fitiavantena”, “tafiky ny satana” tafiky ny satana satria ny vahoaka dia an’Andriamanitra ka ianareo dia tsy miaro ny vahoaka fa mamono vahoaka.

  • 26 novembre 2009 à 12:04 | maximus (#1831)

    Sur la forme :
    Rehefa manao fanambarana toy izao dia averina vakiana tsara mba tsy hisy diso tsipelina.
    Ary tsy mitondra n’inoninona ny fanaovana majuscule ny fanambarana. Mankarary maso fotsiny.

    Fanajana ny mpamaky izany, ary koa mampisy lanja ny hevitra tiana ampitaina.

    Sur le fond :
    >>NIMATIMATESAN’NY FOLOALINDAHY HATRIZAY [..] NY FIAROVANA NY AIN’NY VAHOAKA ARY NY TSY FAMPIASANA NY FOLOALINDAHY AMIN’NY FAMONOAM-BAHOAKA.

    Izany tokoa ve ? lol

  • 26 novembre 2009 à 15:19 | Rabe (#3378)

    MBOLA MANAMAFY ARY AMBARANAY AM-PAHIBEMASO FA IRAY TSY MIVAKY NY TAFIKA MALAGASY SY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA IZANY HOE : NY FOLOALINDAHY MALAGASY

    > Midika ve izany fa ny Foloalindahy iray manontolo no nanao ny Fanonganampanjakana ? Tsy mino aho aloha e. Fa raha izany tokoa dia tena voamarina fa Foloalindahimpotaka... Tena mahamenatra... very hasina tanteraka... Mbola sahy mijoro sy miresaka @ ireo Foloalindahy frantsay ve nareo @ zao ?

    NIMATIMATESAN’NY FOLOALINDAHY HATRIZAY ARY NAHATONGA AZY HANDRAY FEPETRA TAMIN’ITY KRIZY ETO AMIN’NY FIRENENA ITYY NY FIAROVANA NY AIN’NY VAHOAKA ARY NY TSY FAMPIASANA NY FOLOALINDAHY AMIN’NY FAMONOAM-BAHOAKA.

    > FEPETRA = FANONGANAMPANJAKANA (izay no takatry ny saina sady haingana indrindra no mampanakarena tampoka). Fantaro anefa fa tsa ao anatin’ny diksioneran’ny Foloalindahy ny Fanonganampanjakana.

    > Heverinareo ve fa raha misy krizy politika any Frantsa dia hanongampanjakana ny Foloalindahy frantsay ? TSIA TSIA TSIA.

    > Ny antony ?

    1- Manaja sy miaro ny vahoaka izay mpanakarama azy izy ireo

    2- Manaja sy miaro ny rafitra misy satria izay no asany

    3- Manaja ny tenany ary miaina ny FIANIANANA (serment) nataony @ mahafoloalindahy azy.

    PS : Mba avereno kely hoe ny « FIANIANANA » ry Foloalindahy malagasy fa misy tsy mahatadidy...

    • 26 novembre 2009 à 18:14 | mabizo (#3409) répond à Rabe

      Miarahaba anareo telo mirahalahy izay« naneho hevitra »mikasika io fanambarana io.Fa izao koa no tiako hambara aminareo(Mahery,Maximus,Rabe) :
      -Mba nahavita fanompoam-pirenena ve anareo sa nanao rain’ny tetaka ka nitsoaka adidy ?Sahia ary vitao ny adidinareo raha tena lehilahy.
      -Amiko aloha raha araky ny fahafantarako azy toa tsy mbola naheno mitsy zaho hoe:misy fianianana atao zany ny ao amin’ny foloalindahy.Tsy mbola nahare mitsy zaho hoe misy voady atao hono ao.
      -Teny filamatra no ananany.
      -Mba avadiho kely ny tantara fa ny tafika frantsay dia noroahin’ny tafika malagasy tamin’ny fotoan’androny.Ankehitriny dia ny tafika frantsay no manambitamby ny foloalindahy malagasy(sous forme de cooperation).Ianareo no efa maty lolon’ny frantsay sy mbola manaiky andevozin’izy ireo any amin’zay misy anareo any ka mbola manambitamby ny ravin’ahitra any aminy.
      -Rehefa tsy misy zavatra hainareo ny ao amin’ny tafika dia akombony ny vava fa aza miteniteny foana.
      -Mivadiha tera-tany frantsay rehefa tsy fier @ foloalindahy malagasy.Ka ataovy izay moyens rehetra mba hahazahoana nationalite,eny fa na da handady @ frantsay aza.
      -Reharehako ny fananako ny foloalindahy malagasy satria ny fananana ny tafika dia mariky ny fahaleovan-tena sy ny fiandrianam-pirenena.Izany ny toe-tsainay tia tanindrazana fa tsy mitovy anareo tsy mba manao adidy ho an’ny tanindrazana io.
      -Midira koa Legionnaire raha sahy dia manompoa firenena izay tsy an’ny tena.
      Misaotra indrindra eh.

  • 26 novembre 2009 à 16:04 | mahery (#2468)

    Tsy misy firenena ara-dalàna mihitsy hisy miaramila hanao fihetsika toy itony eto amintsika itony.Hita hoe te-hitady vola hamenoana paosy mba hitovizana @ mpanan-karena hany ka lasa DAHALO ambony latabatra ny sasany (SASANY hoy aho)

    Tsotra ny fomba hialàna @ izao krizy izao :

    Asaina mitokana ery izay mpomba ny ara-dalàna dia asaina mitokana koa ny mpomba ny tsy ara-dalàna dia raikEtina ny gidragidra fatsy asiana resaka mandany jiro eto.

    Hilamina ho azy io rehefa vita ny ady ;io manko no mampidedaka an-dry charles ireto,mihevitra rizalahy fa hanompo azy foana ny sasany.

    TANDREMO aza miadaladala

    • 27 novembre 2009 à 20:25 | gasy (#2601) répond à mahery

      Ny Foloalindahy dia atao biby fatahorana eto amitsika satria ry zareo ihany manana basy. Raha zah no lasa Filoha eo dia alefako manao mission any Afghanistan ry zareo reo fa mandany volambahoaka eo fotsiny. Mba jerena ny tena adiny rehefa miady amin’ny Taliba any.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS