Any New York indray ny filoha Ravalomanana. Alina izy no nandray fitenenana teo anoloan’ny fivoriana natrehany. Araka ny efa voalaza teto amin’ity gazety ity, dia in-13 no lasa mivoaka any ivelany ny filoha malagasy tao anatin’ny roa volana monja.
Raha atao indray mitopy maso ny zava-misy, dia toa tsy misy olona mahavita ireo asa afa-tsy ny filoha eto. Na hihaona amin’ireo mpandraharaha any ivelany aza, dia ny tenany no manao izany. Fa angaha tsy vitan’ny teknisiana malagasy na ny minisitra no mifampiraharaha amin’izy ireo ? Matoa napetraka amin’ny toerany ny minisitra sy ireo mpiara-miasa aminy, dia manana ny fahaiza manaony izy. Raha mitazana ireo filoham-panjakana maro samy hafa isika, dia manana ny olona akaiky azy avy izy ireo, amin’ny sehatra tahaka izao. Ny entan-jaraina mora zaka, ary avelao hanao ny asa tandrify azy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta fa adidy napetraka amin’izy ireo izany. Sa ny filoha irery no tena mahatafita ny baolina ho an’ity firenena ity ?