Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 06h50
 

Communiqué

Discours prononcé par le Président de la HAT, Andry Rajoelina, ce samedi 19 novembre 2011

lundi 21 novembre 2011

Kabarin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA Asabotsy faha 19 Novambra 2011

Ry Vahoaka Malagasy tsy vaky volo,

Ao anatin’ny fanatanterahana tanteraka ny Tondrozotra isika amin’izao fotoana izao ary miatrika ny dingana faharoa dia ny fananganana ny Governemantan’ny Firaisam-pirenena – na Gouvernement d’Union Nationale izany.

Raha ny nifanarahana dia efa tokony tamin’ny zoma teo no napetraka io Governemantan’ny Firaisam-pirenena io.
Araka ny anarany dia tokony ho Governemanta hampiray ny Firenena iray manontolo amin’ny alalan’ireo Vondrona politika nanao sonia izany Governemanta izany fa tsy sanatria, ho Rafitra hampisaraka na hampizara ny samy Malagasy avy amin’ny ataon’ny mpanao politika.
Iaraha-mahafantatra sy iaraha-mahalala fa ny Vahoaka Malagasy iray manontolo no miandrandra sy maniry ny hivoahan’i Madagasikara haingana dia haingana amin’izao krizy izao.

Koa, ho anareo Vondrona Politika tsy ankanavaka ;

Iaraha-mahafantatra ankehitriny fa eo am-pelatanan’ny Mpanao politika ny ho avin’ny Firenena koa adidy sy andraikitry ny Mpanao politika no mamaha izao olana mianjady amin’ny Vahoaka Malagasy izao.
Mazava tsara ny voalazan’ny Tondrozotra ao amin’ny andininy faha enina mikasika ny fananganana ny Governemanta.
Ary mba ialàna amin’ny tsy fahombiazana amin’ny fanatanterahana toy ny tany aloha dia tsy misy mihitsy ny filazana fa afaka misafidy Minisitera ireo Vondrona politika ary tsy tokony hisy ihany koa ny fiadiana seza na toe-tsaina “tsy refesi-mandidy” na koa ny “tsy azo ivalozana” azon’ny Mpanao politika na Vondrona politika atao – na iza izy, na iza.

Manan-jo sy fahefana feno ny Filohan’ny Tetezamita sy ny Praiminisitra hifidy sy hanapaka izay olona hitany fa mendrika natolotr’ny Vondrona politika, apetraka eo amin’ny andraikitry ny Minisitera tsirairay avy.
Ho apetrakay ny “Fitsinjarana ara-drariny” ary ho hajainay ny voalazan’ny Tondrozotra.

Noho izany dia manantena ny hitsaharan’ny ady seza politika ny Vahoaka Malagasy ary miandrandra ny fahendren’ny tsirairay avy.
Mipitrapitra ny zaza madinika, mangasiasy ireo tanora ary velona ahiahy ny ray aman-dreny satria tsy misy manome ohatra tsara ho an’ny taranaka ny mpanao politika.
Marary fo sy tafintohina ny Malagasy noho ny tsy fahatsiarovan-tenan’ny mpanao politika.

Andraikintsika samy Malagasy irery ihany ny fandrafetana ny Governemanta kanefa toa tsy mahay mifanaja sy tsy mahatsanga-javatra miaraka isika.
Toa ny any ivelany indray aza no mampahatsiahy ny mpanao politika Malagasy fa efa mijaly ny Vahoaka.
Tokony hievitra ny fihetsika sy ny fanambarana ataony ny tsirairay avy.
Tsy tsara ny toe-tsaina mifamingana lava, miady lava ary minia mandrodana izay zavatra atsangana rehetra.
Toeriko amin’ny heriko rehetra izany satria tsy mifanaraka amin’ny rafi-pisainako ary tsy mifanaraka amin’ny tokony ho fitondran-tena ilain’ny Firenena.
Manana adidy amin’ny Firenena ny mpanao politika ka aoka samy hahatsiaro tena.

Eto aho dia mamerina ary manao antso avo fa ny “Fitiavan-tanindrazana” hatrany no tokony hibaiko ny rehetra.
Tsy azo ekena ny famonoana ny Firenena sy ny fanaovana takalon’aina ny Vahoaka roapolo tapitrisa.
Adidin’ny Mpanao politika sy ireo mpitarika azy ny mampiseho fifandeferana ka hitady hatrany ny “Marimaritra iraisana” izay fototry ny maha Malagasy antsika.
Mino sy matoky ny tenako fa hampiseho fahatsiarovan-tena baikon’ny feon’ny fieritreretany ny tsirairay avy.
Ary ny ho avin’ny Vahoaka Malagasy no tsy maintsy tsinjovina fa tsy ny ho avin’ny Vondrona politika.
Eo am-pelatanantsika ny ho avin’i Madagasikara ka aza omena ohatra ratsy na maha-menatra ireo zanantsika, zoky ray aman-drenintsika, rahalahy sy anabavintsika manerana ny Nosy.
Mijery antsika sy mitsara antsika izao tontolo izao.

Ry Vahoaka Malagasy Namana,

Aza manahy fa tsy maintsy ho tafavoaka amin’izao fotoan-tsarotra lalovana izao isika.
Ho hajaina ny Tondrozotra ary ho hatsangana ato anatin’ny fotoana faran’izay haingana ny Governemantan’ny Firaisam-pirenena.

“Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra !”

« Masina ny Tanindrazana ! »

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy !

9 commentaires

Vos commentaires

  • 21 novembre 2011 à 07:09 | Dadafara (#6135)

    Tsetsetsetsa tsy aritra. Hitanay tamin’ny trano-kala fa toa misoloky diplôma ny minisitra sasany tamin’ny governemanta teo aloha. Voatonotonona tao foana RIANA ANDRIAMANDAVY VII minisitry ny tourisme (misoloky ho manana Ph.D nefa tsy nandingana na 1 andro tany Harvard) sy Lesola Pierrot Rajaonarivelo mitonona ho sortant ENA nefa tsy nianatra tao ihany koa. KA MBA ASIO JERY AKAIKY, HAMARINO TSARA IZAY DIPLAOMA APETRAKY NY CANDIDAT-MINISTRE IRAY AO AMIN NY CV-NY fa tsy ity mpisoloky rehetra ity no ho sanatria lasa minisitra eto amintsika

    • 21 novembre 2011 à 18:33 | Foxtrot (#6003) répond à Dadafara

      Le pauvre pierrot rajaonarivelo n’était qu’un minable portier à la mission de Madagascar auprés de nations unies à New-york, à l’époque. Bref, « ny bado sy dondrona lasa ministra » ne changera pas chez nous !!

  • 21 novembre 2011 à 07:45 | da fily (#2745)

    ehhh ben ! pour ceux qui ont écouté et bien regardé le PHAT ce samedi soir, on leur a servi ce qui se fait de mieux en matière d’hypocrisie et de foutage de tronche en ce moment.

    Comment avec autant d’aplomb peut-on se foutre de la gueule du monde, excusez du peu ? Le Phat n’a pas cessé de fustiger les politiques et les mpitady seza, la harangue a tourné autour de ces malfaisants qui ne pensent qu’à caser leur popotin, aux irresponsables qui jouent avec les nerfs du vahoaka et tutti quanti...tout cela mister Andry le lit sans hésiter, sans ciller, mais on a vu sa glotte monter et descendre quand même (l’hypocrisie aurait-elle ses limites ?), et pense se dédier de la situation actuelle qu’il veut fustiger ! Se saurai-il démis de ses fonctions, reviendrait-il à ses platines, ou envisage-t-il de se reconvertir en humoriste pince-sans-rire, car la prestation de bonimenteur-imposteur patenté fut d’une certaine volée ! Ce mec a de l’avenir dans le marigot, entre les crapauds, les écrevisses zélées, les crocos affamés et les sangsues grouillantes, on tient un sacré specimen là.

  • 21 novembre 2011 à 08:02 | stand up (#2470)

    Aza dia heverina foana ho dondona ny vahoaka ka mora rotsirotsiana @ kabary voalahatra miaraka @ goaika antitra efa fantatra ny tantarany.Tsy mahatoky izay avoakan’ny vavan’ny olona toa anao izao zahay n’inoninona lazainao satria sady tsy voafidim-bahoaka no mbola tsy mahazaka ny toerana iamboana sy fikirina .Ny sonia natao zao aza nolavina ary dia lainga isan’andro no afahana ny vahoaka.Fampihorohoroana sy ny fanagadrana manginy fotsiny !!!Aza adino fa miantso ny hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra ianao t@ famaranana ny kabaribarinao dia hamafisinay koa izany fiantsoana izany ary hangatahanay isan’andro ny hahatanterahany satria mino izahay fa tsy maintsy handresy ny marina ary ny asan’ny lainga sy ny maizina tsy maintsy fongorina ary hijinja izay nafafiny ny rehetra na ny namono olona( nitifitra, nandoro velona) na ny mangalatra.Ny tantara no hanamarina izany !!!

    • 22 novembre 2011 à 00:13 | lova rakoto (#6119) répond à stand up

      iza moa le « VAHOAKA » resahanao eo e ? ary le miantso tody, mahay an zany daolo nge ny rehetra e. fa ny tiako lazaina de zao : mba mila mianatra mijery zvtr @ lafy tsarany koa tsk ndray2. ts efa fandeferana goavana ve ny faneken zandry kely hanolo an Camille Vital e ? de mba tokny otran zay daolo ny rehetra. fa reo be resk eny @ Magro, efa 3 taona izay ireo, inn moa no nataon reo teto @ ty firenena ty, sa taba2n very seza e ? Dada (RAMSE mantsy e) koa nge tsy anjely e. anotanio daolo ny manodidina azy voatsoka, ireo ts miteny tsony na niova lasy ireo. ary firy moa zay nogadrainy izay ? hita miits enao oe ts nijaly t@ nataon da2nareo, fa mba manaova fanadihadiana lalina vo miteny e.

  • 21 novembre 2011 à 10:33 | Basile_Le_Beau (#3439)

    Tout le monde a bien vu le mic mac de ce Communiqué à la Con, et les Magouilles derrières. Pour un Communiqué à la Con , c’était bien réussi. On voyait qu’il a bien peur, mais il est un peu forcé, car l’UA a pris des dispositions par ce soit disant Réunion du CPS, Et voilà, on y est.
    Il veut mettre un Gouvernement d’Union Nationale, de Cons... en sus et inclusif, ce qui sous entend une répartition équitable de pouvoir (je ne dis pas de sièges ici), pour la bonne marche des élections. Mais le DJ veut camoufler ses magouilles, avec la tenue des quelques Ministères... Au Ministère de l’Éducation Nationale, les cadres se font bloc, pour le changement du Ministre en place, avec les vols et détournements des deniers publics (sur les constructions et réhabilitations...), sur les Charrues vendues par la suite à Taolagnaro. La Direction Générale du Contrôle des dépenses a bien pris la décision de supprimer les 40 milliard d’Ariary à ce sujet et les 860 marchés qui ont été Dégagés (Nous pouvons présenter des dossiers à ce sujet, concernant l’aménagement illicite : 2432 en 2431, Construction d’Ecoles vers Réhabilitation Bâtiment Administratif et vers le Central...). Et voilà ce qu’on veut camoufler avec le maintien de ces voleurs et Dahalo de bureau (Pro-HAT).
    Après la descente des Inspecteurs d’Etat de la DGCF, le dossiers sont acheminés à la Piscine (Bianco), on verra
    Merci, L’Intègre.

  • 21 novembre 2011 à 12:17 | tononkira (#3592)

    Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra.
    Amin’ny fotoana sarotra tahaka itony dia mora ny mitodika amin’Andriamanitra sy mangataka mba ho tanteraka tokoa ny sitra-pony. Ny sitra-pony tsy hoe hampikororosy ny fiainan’ny vahoaka malagasy ... sanatria. Na koa hoe fanararaotana fahefana ... , sanatria.
    Ary satria zava-dehibe loatra amin’ny fikatsahana ny sitra-pon’Andriamanitra ny fahaizana mamela heloka. dia mba velezo re ny vy dieny mafana e. Ndeha mitoka-monina ianareo efatra mirahalahy miaraka amin’ny PM Beriziky sy ny filoham-piangonana. Dia ho hambaran’Andriamanitra aminareo ny tena sitra-pony.

  • 21 novembre 2011 à 17:11 | HINDY (#1781)

    Ce discours ne m’apprend rien de nouveau.

    Il fallait expliquer au Peuple les détails des discordes entre le PHAT/PM et l’opposition.

    Nous avons entendu l’opposition sur les points de discorde. Nous aurions aimé entendre la version du PHAT. Puisqu’il n’a pas apporté sa version, (qui ne dit mot consent), je conclue que l’opposition n’a pas menti.

  • 21 novembre 2011 à 20:57 | che taranaka (#99)

    Bonjour à tous,

    tsy milamina ny tany sy ny fanjakana

    latsaka amin’ny lalidalina hatrany ny GASY...

    tsy misy fitondrana intsony eto fa samy manao izay saim-patany sy fiatsara-belatsihy no betsaka ka ny anaran’andriamanitra no vetavetaina..

    tsy ny diploma akory no inona...

    aiza ny FITIAVANA NY TANINDRAZANA Atoa Ignace RATSIRAKA...???

    LANY OLOMANGA NY FIRENENA FA TSY LANY MPISOLOKO,MPAMONO OLONA ary MPAGALATRA..

    MASINA NY TANINDRAZANA

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS