Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Olom-boafidy isam-paritra

Dedaka imason’ny filoha Ravalomanana

lundi 26 mai 2008 | Naivo kely |  1065 visites 

Miseho ho mahavita asa nefa mampitondra fahoriana ny vahoaka. Io no ambetitenin’ny vahoaka raha miditra ny kaominina sy ny faritra ivelan’ny renivohitra ianao. Aleonay tsy misy olom-boafidy na tendrena fa ny filoha mivantana no ilainay ho tonga aty, satria io no hitanay fa maha-vaha ny olana isam-paritra. Teny amin’iny faritra atsimondrano iny no nitalahoan’ny vahoaka izany ny faran’ny herinandro iny. Ambohijoky mipaka hatreny Tsiafajavona sy Ankeribe iny no nahitana izany. Làlana eo amin’ny 15 kilaometatra no atao ao anatin’ny adin’ny roa. Ny miainga etsy Anosizato mipaka hatreny Antanetikely no tsy vita firy taona izay. Aiza ny olom-boafidy eny Atsimondrano ? Sa hiandrasana ny filoha Ravalomanana hidina eny vao atao ? Maro ny vokatra eny, saingy tanàna lavitra andriana ity faritra ity.

Ao ny Rovan’Ambohijoky, ary mahasarika mpizahan-tany maro. Mby aiza anefa ny finiavana hampandroso ity faritra ity ? Aza atao litania fotsiny ny resaka MAP rehefa eo imason’ny mpitondra fa araho, satria ianareo olom-boafidy aza tsy mahasahy
mitsidika ny faritra naha-voafidy anareo, ka finiavan’ny vahoaka hatraiza no handresy lahatra ny fahantrana ? Prezida Ravalomanana ô. Araho maso ireto olona omena tombontsoa be ireto mba tsy ho very maina ny volam-bahoaka hoy Razilenina nitomany tafaresaka taminay io zoma farany teo io. Sa dedaka imason’ny filoha tokoa ny ankamaroan’ny olom-boafidy sy ny voatendry e ? Sa miasa ihany fa tsy sahy miady hevitra ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}