Volana telo izay no nandraisan’ireo depiote ny asa amin’ny maha-solombavam-bahoaka azy izay mahatratra 127 manerana an’i Madagasikara. Ny andraikitry ny olom-boafidy tahaka izao, dia sarahina tanteraka amin’ny asa hafa, ankoatry ny asa fampianarana, ary mazava ho azy fa nisy ireo nametram-pialana noho ny fanendrena azy ireo ho ministra. Nanaja ny fitsipika avokoa ny ankamaroan’ny depiote rehetra, kanefa mbola misy ireo mitazona ny andraikiny teo aloha toan’i DG eo anivon’ny seranatsambon’i Toamasina Botozaza Pierot. Fa nahoana no mbola mitazona io andraikitra io ny tenany ? Tokony hisy seza iray ilaozany amin’ireo mba hanaraka ny ara-dalana, ary atao malaky ny fanendrena izay hisolo azy na io ao amin’ny ladoany, na ihany koa eo anivon’ny maha-solombavam-bahoaka, satria tsy maintsy hilaozana ny seza iray amin’ireo. Raha ny lalampanorenana no hinia hitsahina, inona intsony no maha-tany tan-dàlana antsika ?
Botozaza Pierrot
DG sa depiote ?
samedi 2 février 2008 |
| 459 visites