Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h30
 

Tribune libre

Communiqué

Co-président Fetison Rakoto Andrianirina

lundi 23 novembre 2009

Ry Vahoaka Malagasy,

Tsy atao tompon-trano mihono isika Vahoaka, koa raisinay efatra mirahalahy izay isoloako tena eto (ny Filoha Rajoelina, ny Filoha Mpiara-mitantana Rakotovahiny, ny Praiminisitra Mangalaza ary ny tenako) ho adidy ny mitondra izao fanazavana izao.

Vao tafaverina avy tany Addis-Abeba izahay dia niezahana ary natao ho vaindohan-draharaha ny hametraka ny rafitra tetezamita hiaraha-mitantana, anisan’ny voalohany amin’izany ny fananganana ny governemanta tarihin’ny Praminisitra Mangalaza Eugène.

Efa narosonay taminareo Vahoaka taorian’ny dinika niarahanay farany teo, tao Ambohitsorohitra, ireo daty samihafa hanolorana aminareo Vahoaka ny anaran’ireo tompon’andraikitra handrafitra ny rafitra ao amin’ny fitondrana Tetezamita.

Tsy afenina antsika Vahoaka anefa fa sarotra ny raharaha. Ilàna fahamatorana, fahendrena, fahavononana ny fanatanterahana an’izany.

Maro ny te handray andraikitra nefa raharaham-pirenena no atao, iankinan’ny ho avin’ny Vahoaka sy ny Firenena ka tsy azo atao ankamehana, tsy hirotorotoana foana.

Mila fandinihina lalina, famadibadihana tsara ny lafiny mety sy ny tsy mety.

Nisy ny sakana samihafa eny andalana eny, koa aleo manao zavatra voahevitra tsara sy voalanjalanja, toy izay efa miroso vao voatery hiverin-dalana.

Noho izany :

- Miantso antsika Vahoaka hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra aminay ka hiandry ampitoniana, tsy hifanome tsiny, na hifamendrofendro fa hiombon-tsaina tanteraka aminay Mpitondra, fa hery lehibe ho anay izany amin’izao raharaha sarotra hatrehina izao,

- Mangata-tsodrano aminareo Vahoaka, fa voatery hifampidinika any ivelany ny ankolafy efatra (noho ny tsy maha eto an-toerana ny Mpitarika ny Ankolafy roa, hifampidinika, hikatsahana ny mahasoa sy izay mety ho an’ity firenena ity.

Hery lehibe ho anay ny fanehoanareo fiombonantsaina hikaroka ny mahasoa ny firenena isika.

Mino izahay fa ny fiaraha-midinika atao am-pahendrena tsy maintsy miafara amin’ny fifanarahana satria “ny isavorovoroan-kilantoana”.

Mangataka anareo Vahoaka hatoky anay ary hitondra amim-bavaka ny dinika ary indrindra indrindra hanana faharetana, fa fahendren-tsika Malagasy ny hoe : “didi-maso asiam-panafody, mahareta fa hanana ny soa”

Koa dia mahereza mandrakariva, aza manary toky.
Samia ho tahian’Andriamanitra.

Fetison Rakoto Andrianirina
Filoha Mpiara-mitantana
21 novembre 2009

17 commentaires

Vos commentaires

  • 23 novembre 2009 à 08:09 | zanaharyo.tahio (#1931)

    Mazava izao fa fandanian’andro daholo ny fanaovan-tsonia satria ny tompony aza tsy mahatana ny teniny. Mampalahelo isika vahoaka satria atao takalon’aina mba ho tombon-tsoan’ireo tsy mitana ny teniny. Henatra lehibe ho an’ny Malagasy rehetra izany. Felaka ho an’ny tsirairay izay mahatsiaro fa tia ny tanindrazany. Hosopotaka ho an’ny fiandrianam-pirenena. Tsy ny resaka na fandaminana no vahaolana fa ny fanavahana mazava ny vary sy ny tsiparifary

    • 23 novembre 2009 à 09:12 | Basile RAMAHEFARISOA (#417) répond à zanaharyo.tahio

      Il faut revenir à la feuille de route :

      Assises régionales

      Assise nationale pour désigner les 450 ou 500 représentants du peuple issus des 22 régions.Plus question de « MOUVANCES » Point barre

      FRONT POUR LE CHANGEMENT à MADAGASCAR animé simultanément par MONJA//RAJOELINA//les REGIONS

      Basile RAMAHEFARISOA

    • 23 novembre 2009 à 11:10 | Zama (#3497) répond à Basile RAMAHEFARISOA

      Basile ravendrana..te hody any @ radama sy ranavalona anga no malahelo ny front tsy mamaly io.

      Matoria tsara ao @ mpitam basy sao motraka teo

  • 23 novembre 2009 à 10:24 | da fily (#2745)

    Aiza re izany, dia tsy mampan’inona anareo ve izao mandrebireby ny sain’olona izao ry atoa Fetison, inona ary ’ty ?

    Dia sanatria izany marina ilay efa voalaza tetsy sy eroa hoe : tsy vita ny fandaminana eto raha tsy mirotsaka ny vahiny ! Mahamenatra ihany raha dia olona toy ianareo eo « ambony »ireo no tsy matafavoaka vahaolana. Aiza ka io fa hisy indray ny « Addis le retour II ».

    Ny miholakolana sy mivezivezy no hainareo atao, izahay ety efa valaka sy leo, sady tsy misy fatokisana @areo intsony. Ny fandaniana andro sy vola no mibàhana eto, ny tombotso-mbahoaka dia efa ela izay no nandaon’ny praogramanareo, mba saino ihany ity raharaha ity, efa fantatrareo izy io fa sarotra, nisahy niroboka ianareo, ataovy ny asa malaky, izay ny fiangaviana avy @ ny vahoaka. Rehefa tsy takatra, dia mialà, omeo an’i Raharinaivo anaovany azy !

  • 23 novembre 2009 à 10:26 | bema (#828)

    Atoa Fetison,
    Raha tena tia tanindrazana ianao dia aza miaro ny tombotsoan’antoko na groupe intsony. Hajao ny toerana nametrahana anao ary olon-dehibe ka afaka manapa-kevitra sy mandray andraikitra amin’ny fo tony sy saina hendry. Hadinonano angamba fa teteza-mita ny toerana misy anao dia miasà tsara ary avy eo ny vahoaka no manapaka raha tsara ny nataonao na tsia. Tsy misy antony intsony hivoriana na ho eny amin’ny Volana aza rehefa tsy ao ny fitiavan-tanindrazanasy ny finiavana ny hiara-hiasa dia fotoana very foana. Misaotra Tompoko.

  • 23 novembre 2009 à 10:32 | fandresena (#299)

    Matoky anao izahay Ra-Fetison o ! aza disoina fanatenana ny vahoaka e ! dia samia hotahian’Andriamanitra !+

  • 23 novembre 2009 à 11:12 | meloky (#637)

    Asa lahy fa toa tojo hena tsy masaka ny mpamendrofendro ka dia faliavanja ny efa nahazo toerana, Noho izany dia toa kenda roroka ry Ndimby sy Rasoa ary ny havany rehetra.
    Mihevitra mantsy ry mpianakavin’ ny sasany fa mora toa mandroaka sarety ny fandrehan’ny raharaha kanjo sendra vody harana vao mibaboka fa hoe " evoevo tsy hitondra ankaiza ny an-dry Fetison ! Dia mody milaza fa ny lohan’ny tarika no tsy mahomby ka aleo hivory any ivelany.

    Nefa ry vahoaka Tsy kilalao anie ity "Transition eh ! Sa omena hatak’andro lava reny ireto milaza azy miray dia sa ahoan izy ity ! Matoa aloha mirotsaka hiara-milanja ny transition ny an-kolafy samihafa dia miaky eto amin’ny ambany lanitra fa misy dia misy ny fahamariman’izay rehetra nisy sy nahazo ny gasy. Io dia zavatra tsy azo lavina fa mahitsy toany haavon’ny rano. Koa raha mahery ny firaian-kina sy raha tahiny ka milaza tena fa marina ny ankolafy tsirairay dia anjaran-tsika vahoaka no mampanaiky azy ireo hanaiky sy hampiseho fahendrena ka hikarkara ny fifidianana isan’ambaratongany ao anatiny iray taona, fa mila fatratra ny 4eme REP. ny vahoaka.

    • 23 novembre 2009 à 15:47 | NOFY (#2225) répond à meloky

      Oadray aza ariana any @ sasany foana ny adalanareo ry meloky a.Vao tsy iray volana ange atoa FETISON no teo.Maninona anefa ra efa vonona ny liste nareo maninona tsy avoaka eo ho hitam bahoaka.Tsy menatra mitokana ny lalana ankify ambanja hono nefa mbola tsy nisy akory ny fanonganam panjakana zany hoe mbola Ravalomanana ihany no nanao an io lalana io.Ra nahatafavoaka irery ny raharaha izy nandritry ny 10 mois zay tsy nanery azy hananao an io fitondrana iraisana io ny CI fa tsy mahovoka ny anao.Ty aho mahita fa tsy maintsy mbola hanaiky ihany io (refa tsy mivoaka ny fankatoavan ny CI sy refa lanilany iny ny fotoana)hoe hiverina hifampiraharaha indray.
      RAJOELINA TSY MAHAVITA AZY MANKALOILOY NA NY MIJERY AZY AZA.ZAO NO ATAO AO AN DOHAKELINAO RAJOELINA VOLA ADALA TOMPO NY ANAO SADY NY CRISE KOA MAMELY KA TSY MAINTSY RAISINA IHANY FA ZAHAY EFA MAHALALA NY OLONA MIJERY NY VAHOAKA TOKOA SADY EFA LANINAY HATRAM ZAY.ANY LAVIDAVITA ANY NDRAY MBA MITADY FA NY ATY EFA....

    • 23 novembre 2009 à 16:31 | meloky (#637) répond à NOFY

      AKORY MOA REHFA VAVABE TSY MAHATAPAKAHITRA ; DIA VARIANA NY TENY MAMY TSY HANDROSOANA IANAREO RY NOFY ;TOA TENA MANONOFY TOKOA : TSY RY Fetison sy ra8 mianakavy ve no mampitarazoka ny fandehan-javatra rehetra hatramin’izao ireny. EFA tafiditra iray volana aza dia aza izay vita eo fa toa ny vahoaka inday no tampena-maso !!!!!
      Odray dray ty izy !!!!!!!!!!!!!Rehefa zatra midongy izay tokony handrosoana mbola dongina fa hoe tsy azy ireo ny olona ao ami’ny Governemanta izao dia lazaina fa ny mouvance IANDRY indray no atao hoe mpisakana ny fandehan-draharaha.
      SA hoe BEVAVA SY BE FANENO NY MOUVANCE HAFA DIA LAZAINA E HAMPANDEHA NY TRASITION « SAINGY » !!!!!!!!!!!!!REHEFA TSY MAHAZAKA HOAHO MIJANONA FA AOKA HANAOVANAY AZY !!!!!!!

  • 23 novembre 2009 à 12:28 | Imaitso (#773)

    FINARITRA NY HANDEHANDEHA FOTSINY IANAREO EFATRA MIRAHALAHY MIAMPY NY MPANARA-DIA ANAREO.

    ATAONAREO HOATRA NY MANDEHA BUS NY MANDEHA ANY IVELANY.

    KANEFA DIA VOLAM-BAHOAKA NO LANINAREO MANAO TOURISTES ANY IVELANY.

    REHEFA TSY VITANAREO ETO AN-TOERANA NY FIFANARAHANA DIA ADABOHY ANY FA TSY MISY ILANA ANAREO.

    EFA LEO NY SAVOROVORONAREO IZAHAY VAHOAKA.

  • 23 novembre 2009 à 12:49 | Tanora (#714)

    Mazava be ny teteik’adin’ity Rajoelina ity e. Manao lalaom-boto be mihitsy lery. Iza marina moa no tena nandefitra be ? Tsy izay manaiky ny mpanongam-panjakana hitondra ny teteza-mita ve ? Taiza no mbola nisy hoe mpanongam-panjakana ho ankatoavin’ny Communaute Internationale (CI) raha tsy efa tena nandefitra tanteraka sy nanaiky izany izay adversaire-n’ilay nanongam-panjakana. Ka mahagaga indray hoe lery (Rajoelina sy ny forongony io) no mihambo sy mieboebo eran’ny Nosy hoe tena efa nandefitra be. Lazao rangahy ny marina fa matahotra nareo satria hiharihary @ vahoaka ny halatra be sy ny zava-doza maro vitanareo nandritra ny 8 na 9 volana raha tsy eo an-tananareo intsony ny Ministeran’ny fitsarana a. Raha nanao ny tsara sy ny marina ianareo inona no mampatahotra anareo hanome ny hafa ireo ministera ireo ? Tsy adala ange ny vahoaka nama e. Na hanadio tena tahaka inona ianareo dia miharihary be izao ny tsy fahasahianareo sy ny tsy hitiavanareo ny hanapoitra ny marina rehetra. Ary tsy misy fitiavan-tanindrazana izany ao aminareo. Raha tena lehilahy sy milaza fa nanao ny tsara rangahy dia omeo ny hafa ireo Ministera ifikiranareo sy iadianareo fo mafy ireo a. Dia aleo samy hiharihary eto ny marina. Ho anay vahoaka dia izao ihany : Matoa mifikitra sy miziriziry hitazona ireo nareo dia satria jiolahy sy mpangalatra ary mpamono olona. Porofoy ary fa olo-marina ianareo ka tsy matahotra izay hitranga na iza na iza hitazona ireo ministera ireo e.

    • 23 novembre 2009 à 13:42 | Hendre (#533) répond à Tanora

      Tena marina izany !

      Ary izao koa anie, efa prevu tany Addis Abeba ilay repartition poste ministériel, fa saingy ny bodon-gerin’ny Andry no nibahana tao, dia tsy vita.

      En plus ilay acte additionnel dia lasa flou ka ny andraikitry ny Co-président sy ny rang-ny dia lasa tsy mazava ka anaovan-dry zalahy intérprétation amin’izay itiavany azy.

      Ka hoy aho hoe, aleo voriana indray izy efa-dahy, dia atao noir sur blanc mihintsy izay ifanarahana.

    • 23 novembre 2009 à 16:00 | Haritiana (#1899) répond à Hendre

      Ry Fetison ireto no tonga @ lay teny hoe angady tsy mahatapaka’ahitra fa angady dombo sy mondro. Aiza rangahy ianao efa nomena fahefana faratampony @ exécutif izany sady efa mi-geste eran’ny tanàna fa mitovy daholo ianareo filoha 3lahy dia nahoana indray ianao no mbola miantso ny fihaonan’ny 4 chefs de file any ivelany hangana gouvernement ? Mialà teo rehefa tsy mahavita ! ny hanagana gouvernement aza izany tsy vita ka tsy vao maika ho sahirana raha hiasa sy hanomana ny 4è republique !

    • 23 novembre 2009 à 16:46 | meloky (#637) répond à Tanora

      Aza dia rangitra ry tanora fa angaha hadino sahady ny fomba fiady 2002 ireny, sa mbola tonga saina tamin’ireny : Rehefa ny mpanao politika voataiza tamina fomba fiasa toa an’ireny zoky no tonga dia izao vao omena tsiny fa hoe tsy mahaleo ny marina. Notampenana ve ny masonareo nandritray 7 taona sa ahoana kosa eh !!!!!!!!!!

      IZAO NY VOKATRY NY DAKAR I sy II vao tena misongadina fa na ny mpomba an’i Fetison aza izao somary sempotra be ihany : TSY MATOKY AZY IRENY INTSONY NY GASY RY TANORA FA toa LASA SARY BAKOLY izy ireny.

  • 23 novembre 2009 à 15:48 | mpamaky (#2951)

    Mr le co.-président Fetison, je ne crois pas une seconde de plus que Le présedent Rajoelina était d’accord avec vous pour faire un déplacement à l’exterieur afin de débloquer la situation. Je pense que votre discours serez plus plausible si vous avez dit qur Ra8 va venir à Mada pour négocier. De toute manière il n’osera pas car il sait que même vous et vos partisans vont le trahir dès qu’il arrive. Toujours est-il, rappelez-vous tjrs des toutous fidèles comme Rajemison, Raharinaivo, Ramiaramanana, Sylla, l’ex PCA d’AirMad etc...

    • 23 novembre 2009 à 16:18 | Raol (#529) répond à mpamaky

      C’est dommage ce qui se passe aujourd’hui, mais c’était prévisible, voire évident. Pourquoi essayer de forcer des choses qui ne sont pas compatibles : d’un côté des dirigeants d’un mouvement populaire contestant les anciens tenants du pouvoir et d’autre côté ceux qui ont été fraîchement déchus, d’autre part deux tendances d’opposition qui ne représentent pas vraiment touts les mouvements politiques de la nation. Donc, je dis tout simplement que c’est illogique. C’est quelque chose que les puissances étrangères (CI) force dans le but de préserver leurs intérêts étant donné qu’ils ne peuvent pas directement et explicitement faire revenir leur copain (le cher Monsieur déchu). Alors, soyons honnêtes et prions pour que cela s’arrange. Le peuple ne va pas accepter facilement cela. On verra bien !

    • 23 novembre 2009 à 16:37 | meloky (#637) répond à mpamaky

      Hita fa mandihy mahazo ny ataon-dranona ka hoe aoka laniana ny andro rehefa tsy mahita hirika handrosoana.

      TSy aleo averina Ra-Monja rehefa tsy hita izay hevitra !!!!

      Mba hainareo ve ny fanenon’ ny gisalahy rehfa eny an-tanimbary iny !!!!!

      Mba tongava saina ihany, dia tano ny azo fa sarotra ny mila !!!!!!!!!!

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS