Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h47
 

Teny zato, kabary arivo

Be no ho voaringitra

samedi 17 mai 2008 |  731 visites  | Naivo kely

Andro maro izay no niakaran’ireo hambara ho mpanongam-panjakana tetsy amin’ny fitsarana etsy Anosy. Nirarakompana ny fivoahan’ny tsiambaratelo momba ny fivoahan’ny fitaovam-piadiana nampiasaina, izay niainga tamin’ny raharaha 2002 sy ireo nataon’ingahy Jeneraly Andrianafidisoa ny 17 Novambra 2006 ireny.

Tsy misy afa-bela ireo anaran’olona maro voatonontonona eny amin’ny fitsarana, satria hambara ho mpiray tsikombakomba avokoa izy ireny. Maro ny efa migadra, ary tsy vitsy no alaina ambavany. Tsy mifankahazo intsony ingahy Pety Rakotoniaina sy ny jeneraly Andrianafidisoa, satria mifandetika tanteraka nandritra iny raharaha teny amin’ny BANI Ivato iny. Raha ho faty aho matesa rahavako hoy ny fiteny Malagasy izay. Mazava ho azy fa be ny ho voaringotra amin’ity resaka fanonganam-panjakana ity, ary na ireo fitaovam-piadiana nivoaka tetsy sy teroa aza dia ho tompo-marika amin’izany ireo teo anivon’ny tafika.

Ho gaga ve isika raha hita taratra ny tsy fifampitokisana eo amin’ny hery samy hafa eto amin’ny firenena ? Mazana ny olona mpiara-diha hatrany no mifamorika rehefa tonga ny sarotra toy ity mitranga momba ny jeneraly Fidy sy Pety ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS