Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 12h11
 

Malagasy

Antananarivo

« Aza potehina ny safidin’ny vahoaka 60% », hoy Rabesahala Gisèle

vendredi 29 août 2008 |  909 visites  | Penjy R.
« Misy ny fanerena sy ny ankivy atao amin’ity tanàna ity ».

Mipetraka ny savorovoron-tsaina noho ny fanakendana ny kaominina eto andrenivohitra. Tsy avy amin’ny safidin’ny mponina na ny mpitantana ny tanàna, fa ny fihetsika ataon’ny fitondrana no mahatonga izany. Tsy fandranitana na fanakorontanana no hitenenako, hoy ramatoa Gisèle Rabesahala, fa amin’ny naha-mpitantanana ny tanàna teto Iarivo ny antoko nisy ahy, dia ny AKFM izany.

« Misy ny fanerena sy ny ankivy atao amin’ity tanàna ity. Ny vola tsy notrosainy sy tsy nampiasainy ve no asaina aloany ankehitriny ? Toa atao kenda roroka ny vahoaka 60% izay nametraka tamin’ny fomba mazava ity ben’ny tanàna ankehitriny ity. Raha nitantanana ity kaominina ity izahay tany aloha tany, dia napetraka ny fitsinjaram-pahefana matotra. Niainga tamin’ny fifidianana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Mifanohitra amin’izany ny zava-misy ankehitriny. Giazana tsotra izao ny tobim-piantsonan’ny fiara mpitatitra olona etsy Ampasampito. Nahoana no izao vao natao avokoa ireo rehetra voalaza ireo. Miteraka fanorisorenana amin’ny olona ny toy izao, satria ny fiainana mafy efa mianjady aminy noho ny sakafo ambany foitra, nefa dia io giazana io indray ny olona nametrahany ny safidiny. Mipetraka ny sora-damba tsy tian’ny manjaka, noho ny resaka politika. »

Tetika hametrahana PDS

Aoka hajaina ny safidim-bahoaka fa tsy avilivily. Ny atahorana amin’izao fanagiazana ny tanàna eto andrenivohitra izao, dia mety hisy ny alaim-panahy hilaza fa tsy mahavita azy ny ben’ny tanàna. Eo no hivadihan’ny sasany hanoloana PDS ny olom-boafidy eto. HIta io any amin’ny kaominina hafa eto Madagasikara. Fihantsiana ny safidim-bahoaka io raha izay no tanteraka. Misy ny lalàna fototra tsy maintsy hajain’ny rehetra. Avelao ingahy Andry Rajoelina hiasa, ary ampio, satria ity renivohitra ity dia renivohitra ara-tantara, ara-toe-karena, ary ara-panjakana. isika rehetra no miara-tompon’izany.

Ireo asa vita tany aloha

Tsy tokony ho adinoina ny tantara, raha miresaka ity tanàna ity isika. Fony izahay nitondra teto, dia maro ny asa vita. Isan’io ny tranom-panjakana maro izay hita mbola mijoalajoala ankehitriny. Ireo sekoly sy fanasan-damba ary trano fidiovana. Napetraka ifotony ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Raha nisy ny fahamaizan’ny lapan’ny tanàna, dia nanokatra kaonty tamin’ny banky. Tsy hay intsony anefa ny niafaran’ny vola voahangona tamin’izay amin’isika miteny izao. Tsy nampitsanga-menatra ity renivohitra ity ny asa vitan’ny AKFM fony izy nitondra teto, hoy ramatoa Gisèle Rabesahala.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS