Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 10h30
 

Tribune libre

Fanambarana

Avy amin’ny fibaikona amin’ny Zandarimariam-pirenena

vendredi 21 mai 2010

Manoloana ny fanambarana nalefa any amin’ny haino aman-jery sy ny fihetsika nataon’ny ampahany vitsy amin’ny manamboninahitra sy ny manamboninahitra lefitra zandary ao amin’ny FIGN, ny alarobia 19 mey 2010, dia manambara ny fibaikona ny Zandarimariam-pirenena fa :
Tsy fanambarana avy amin’ny maro an’isa amin’ny Zandariamariam-pirenena iny natao iny ary fihetsika melohin’ireo maro an’isa ireo satria mitondra henatra hoan’ny Zandarimariam-pirenena,

Fandikana ny fitsipi-pifehezana miaramila no naseho, satria fanambarana mivoana amin’ny andraikitra sahanin’ireo nanao izany, kanefa tsy nahazoana alalana avy tamin’ny Mpifehy isan’ambaratonga,

Ahitàna endrika fandikana ny lalàna ny natao satria « fihetsika natao hanohintohinana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary natao hampisy fisavorovoroana ara-politika lehibe » sy « fanaingana ny andian-tafika sy fanomezana azy fitaovam-piadiana tsy nisy baiko na alalana avy tamin’ny fahefana mahefa » ary « fandraisana fibaikoana andian-tafika tsy nahazoana alalana avy tamin’ny fahefana mahefa » araka ny andininy faha 91, 92 ary 93 ao amin’ny Fehezandalana famaizana Malagasy.

Noho izany dia entanina ny tsirairay mba ho tony sy hitandro hatrany ny lalàna velona ary hikatsaka araka izay azo atao ny hampanjaka ny filaminana sy ny fandriampahalemana, antoky ny fampandrosoana maharitra sy ny fiadanan’ny ambanilanitra. Aoka tsy ho voafitaka na ho voasarik’ireo mpanakorontana izay mikatsaka fatratra ankehitriny ny hisian’ny fifandonana mahery vaika eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana, eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka ary eo amin’ny vahoaka samy vahoaka, mba hahatratraran’izy ireo ny tanjona kasainy.

Mandray ny andraikiny ny Zandarimariam-pirenena miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny mba hiarovana hatrany ny vahoaka sy ny fananany.

Antananarivo, faha 20 mey 2010.
Ny jeneraly MANANKAY Augustin,
Mpifehy vonjimaika ny Zandarimariam-pirenena

5 commentaires

Vos commentaires

  • 21 mai 2010 à 09:44 | xena (#774)

    Dia tsy nahomby indray moa izany iny ny tetika maizina nokotrehan-dRavalo sady nizarany vola tsy toko tsy forohana hanjerana ny fitondrana Rajoelina. Resy sy nilavo lefona ireo FIGN sy ireo pasitera kely very saosy. Adiny iray ihany dia ampy nanamontsamontsanan’ny Tafika malagasy miray hina ireo fahavalom-pirenena. Inona indray ny hevitra manaraka ? Ny vola mbola betsaka hoy Ravalo, ireo nangoniko fony aho président mbola tsy lany sasaka ! ataovin’ialahy isany izay mety !
    Tsy lasa lavitra nefa ny tetika sy izay ho tetika ho avy ! Hita fa mahery i Andry Rajoelina ! Kely fa dada i leiry ! Ho lasa adala i Ravalo !

    • 21 mai 2010 à 11:25 | maximus (#1831) répond à xena

      >> Hita fa mahery i Andry Rajoelina ! Kely fa dada i leiry !

      lol

    • 21 mai 2010 à 12:41 | Rasoa (#1122) répond à xena

      Raha azoko tsara dia tena mahery sy matanjaka be Atoa Ravalomanana Marc satria tena tsy maty mihitsy ny voalavo ao an-kibon’i xena ... aiza ve ka isaky ny mihetsika ny Malagasy dia manisa ny vola ao am-paosin-dRavalomanana foana rizareo .. tsy toko tsy forohina mihitsy hono !!!! Adray marina - Olon-kendry ny FIGN ary tsy manaiky hitsahin-tongotra dia mbola Atoa Ravalomanana ihany no mibaiko ny sain’ireny olona rehetra ireny... Eisy e xena e ! Vaky nandositra i andry kely dia lazaina koa angamba fa i Ravalomanana.....Tsy kely fa dada fa kely mpamosavy !!!

      Ny hany ekeko ny fa mitombina nolazainao dia ny hoe « Tsy nahomby » ilay hetsika omaly kanefa mbola mampiseho koa fa « V »endrana ry bekibo ahahahah ihihihihi : Nahoana ?

      Izy ihany no milaza fa roapola raha be indrindra ireo FIGN mihoko kanefa 600 (eninjato) miaramila no nanafika azy ireo ary miaraka amin’izany lance-roquette izany !!! Ilay botrefona be iny hono no tompon’ny FIGN ... Dia izay kolonely kely miaraka amin’na zandary 19 ve dia tsy vitan’izy irery e ?

      T.y fotsiny angamba no mameno tsinay ary efa miakatra hatrany anaty "cervelle rehetra any....

    • 21 mai 2010 à 12:59 | Rasoa (#1122) répond à maximus

      Ka i le « kely fa dada » ange tsy hita izay nanjavonany e !

      Ilay botabe 140 kilos iny no niantso miaramila 600 lahy hanamontsana ao antin’ny adiny iray ilay Kolonely 55 kilos miarka amin’ny miaramilany 19 isa....

      Izay no nolazainy (jereo misy vidéo) : roapolo hoy izy raha misy dia misy ....

  • 22 mai 2010 à 09:46 | hafatra (#1895)

    Rasoa sy Xena,

    Ny fomba fijerinareo sy firesakareo dia tsy mitondra filaminana sy fandriampahalemana ho an’ny firenena. Tafahitsoka lalina ao an-davaky ny haizin’ny fankahalana ianareo.

    Fahananareo lainga sy fitongilanana tafaohatra ny fanehoan-kevitra ataonareo. Fikojakojana ny ady sy fifanolanana no ataonareo fa tsy mitady vaha-olana.

    Ny fahendrena malagasy dia manao hoe atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby , atsipy ny teny ao am-pon’ny mahalala.
    Ny anareo atsipy ny taolana hiadivana ka mampifandramatra anareo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS