Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 12h02
 

Malagasy

Depiote tsy miankina

Atody miady amam-bato

mercredi 14 janvier 2009 | Naivo kely |  798 visites 

"Tsy izay rehetra aroso eo anoloanay, dia holaniana avokoa. Hitsipaka ilay tolo-dalàna izahay ary manana saina handinika sy hamakafaka ny rariny sy ny hitsiny ny depiote ka aoka tsy ho ampitoviana amin’ireo mpanara-drenirano” .

Depiote Haja voafidy tany Tsiroanomandidy no nanambara izany. Efa nisy ny fotoam-pivoriana nataon’ireto depiote tsy miankina ireto, ka hiroso amin’ny fitsipahana ilay tolo-dalàna izy ireo. Marina fa misy lafiny maha-tsara ilay fandrafetana ny lalàna hifehy ny antoko politika, saingy toa maimaika ny fametrahana ireto tolo-dalàna ireto. Omaly hariva, dia niroso tamin’ny fivoriana azon’ny be sy ny maro natrehana ireto depiote ireto, ary niroso tamin’ny fandaniana ity tolo-dalàna ity ireo depiote, rehefa avy nandalo ny vaomiera isan-karazany eny an-toerana.

Na nitsipaka aza ireto vondrona parlemantera tsy miankina ireto, dia atody miady amam-bato ihany izy ireo, satria be noho ny vitsy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}