Nandritra ny filankevitry ministry voalohany teo no nilazan’ny filoham-pirenena fa ho soloiny izay tsy mahavita azy, ary ho hita eo izay faritra tratra aoriana. Mazava ho azy fa olona tsy mahavita ve mbola hampetraka amin’ny toerany nefa ny asa ilain’ny vahoaka isaky ny faritra maika. Raha atao indray mijery io, dia toa toerana fianarana asa ny tahaka izany, satria angaha tsy fantatra amin’ny fahaizany mialoha ireny olona ireny ? Tsaroan-tsika tsara fa nisy mihitsy tany aloha tany ny fandefasana olom-panjakana ambony niofana tany ivelany, kanefa afaka volana vitsy dia noesorina tamin’ny toerany izy ireny. Volam-panjakana no nandefasana azy ireo ho any ivelany, saingy tsy nahafam-po ny asa natao dia ireny novaina matetika ireny. Ho lany andro hanova eto isika, raha toa ka tsy tena mipetraka ao amin’ny tsirairay ny finihavana hampandroso ny faritra isan’isany ; ka hifanondro molotra lava eto. Manantena isika fa olona ahavita azy ireo nomen’ny filoha sehatra ireo, ary ny mpanohitra ihany koa io efa mangina io, ka mba ahay hifanome tanana ny rehetra, fa tsy ny mpitarika indray ny handeha hampianarina asa.
Lehiben’ny faritra
Atao toerana fianarana asa ve ?
vendredi 18 janvier 2008 |
| 411 visites