Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 20h00
 

Tsakotsako

Any Comores ?

lundi 27 octobre 2008 | RAW

Mangataka ny vahoaka sasany leo ireto mpanao pôlitika sasany ireto mba alefa any Comores izy ireny. Fa maninona no any Comores ? Satria izy ireo ihany, teo imasom-bahoaka sy avoriana tao Toliary, no nangataka tamin’ny filoha Ravalomanana, ny hanaovana karazana sesitany ireo mpanohitra. Amin’izao fotoana izao, lasa mpanohitra izy ireo ka moa ve tsy mety ny hangatahana ny handefasana azy ireny any Comores ?

Tsy dia taitra amin’ny resaka pôlitikam-panoherana ny vahoaka, fa rehefa miteny izy dia maha-sadaikatra be ihany. Toa ny pôlitikan’ny mpanohana ny fitondrana aza no indraindray mahaliana azy. Raha tsorina dia ny politikan’ny kibo izao no malaza fa raha ny hafa dia tazanin-davitra fotsiny. Ahoana tokoa moa no inoana ireto milaza hoe mpanohitra fa toa misafotofoto be ihany ; mivadibadika toa lela may, na ny fihetsiny na ny zavatra teneniny.

Omaly ianao mpitarika sendika ary niady tamin’ny fanjakana sy ny ministera amin’ny anaran’ireo sendikalista mpiara-mitolona taminao. Lasa ministra ianao dia nanangana ady tamin’ireo nifidy anao ho filohan’ny sendika indray no anton’asa sy vaindohan-draharahanao. Rehefa tsy ministra intsony ianao dia mijoro ho mpanohitra indray ary mitarika ireo nofehezinao taloha hanaraka ny hevitrao hanohitra indray ny filoha napetrakao tamin’ny fitondrana sy nanendry anao ho ministra. Inona no tena marina ?

Omaly ianao mpitaritafika izay napetrak’ity fitondrana ity tamin’ny toerana tena lehibe indrindra teto an-drenivohitra. Tsy nisy izay tsy nahalala sy tsy natahotra anao ny faritany iray manontolo, na teratany na vahiny. Niova moa ny rafitra ka nesorina teo amin’izany toeram-boninahitra izany ianao. Tsy ela akory ianao dia nijoro ho mpanohitra rain-dahiny ary misarizoro ho olobe etsy sy eroa. Toa misavika ho mpisolo vava ny zanak’Antananarivo aza raha ny fihainoana azy.

Ao moa farany teo dia misy sahy miseho hoe nifoha tamin’ny torimasony indray ka hisehatra eo amin’ny fanoherana toa ny teo aloha.

Mazava fa malalaka tokoa ny sehatra pôlitika. Raha tsy izany ve ka avy ao amin’ny AREMA aho dia mivadika TIM ? Ary tena isan’ny lohandohan’ny mpisorona mihitsy tamin’izany ! Ary tena izaho irery no tena TIM. Namboatra lalana sy tatezana« aho tamin’ireny krizy ireny. Taty aoriana aho dia nenjehiko ireo mpanohitra tany amin’ny faritany, indrindra ireo tao Toliary. Nangatahiko mihitsy aza ny filohampirenena tamin’izay hoe »alefaso any Comores any ireo mpanohitra ireo".

Ahoana moa no inoaka fa tena marina izao fanoherana izao ? Toa maha te-hiantso an’i Herizo Razafimahaleo hoe aiza ianao fa tena mivaralila ny maro amin’ireto mpanohitra. Toa may fotsiny ny te-halaza. Toa tsy fantany fa mandoto rano ny fanoherana no tena mafotaka. Toa manao izay tsy hampandeha ny demokrasia izay nimatimatesanao sy ny mpiara-dia amin’ny antokonao. Nefa ny fanjakana anie ka milaza koa hoe ilaina ny hanamafisana ny demokrasia e ! Ny fidedadedahana etsy sy eroa ve no tena demokrasia sa ny fanomanana sy fanajariana ny rafitra sy ny tetika handresen-dahatra ny vahoaka fa ity no lalana ivoahana amin’ny fahantrana ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS