Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 10h56
 

Malagasy

Vakinankaratra

Andron’ny fizahan-tany : Nanao fanamby Vakinankaratra

mardi 28 octobre 2008 | Princia R.

Mila fantarina mazava tsara ny fiovaovan’ny toetr’andro mba ahafahana mitily ara-dalana ny fotoana mahamety ny fotoam-pambolena, na koa hisintonana mpizahan-tany. Toko telo nahamasa-nahandro sy mifampiankina tanteraka ny sakafo, ny famatarana ny toetr’andro ary koa ny fizahan-tany ka izany no antony nahatonga ny fanamarihana iraisana ny faran’ny herinandro teo teto amin’ny faritra vakinankaratra. Ny tahalan’ny kolontsaina teto Antsirabe no nanamarihana ny hetsika dia ny andro maneran-tany hoan’ny sakafo, ny andron’ny famatarana ny toetr’andro ary ny andron’ny fizahantany. Arak’izany lanonana goavana nandritra ny 2 andro izany no nanamarihana ireo hevi-dehibe telo ireo ary natambatra tamin’ny alalan’ny lohahevitra iombonana “vakinankaratra : fanamby ho amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro”.

Diabe namakivaky ny Tanana narahin’ireo cyclo-pousse voahaingo, lanonana sy kabary ofisialy, fampirantiana ireo tanjaky ny faritra tamin’ny alalan’ny tranoheva, famelabelarana narahina ady hevitra, dia lavitra ambisikilety, hetsika ara-java-kanto sy ara-pantanjahan-tena ireo no nanamarika ny hetsika ny 24 sy 25 Ocotbra lasa teo.

Ireo tompon’andraikitra rehetra nadray fitenenana, ny avy ao amin’ny ORTVA, ny Tanana, ny faritra ary ireo ministera voakasika dia samy nanasongadina fa mifampiankina tanteraka ireo toko telo ireo ary tsy misy azo atao z’inona raha samy manana ny tanjona iombonana ny rehetra dia ny asa fampandrosoana ; Tsy tomombana anefa izany raha toa ka mbola misy ny mpanimba ny tontolo iainana satria ireny no miteraka fikorontanan’ny toetr’andro ka manaratsy ny vokatra sy mampiahotra ireo mizahan-tany ho avy aty amintsika, noho izany samy ho tompon’andraikitra ny rehetra eo amin’ny fanafoanana na fanenana ireny mikiry manao habibiana amin’ny zava-boary ireny mba ho tanteraka ny olona ampy sakafo anaty tontolo mahafinaritra hifanerasaerana amin’ny vahiny.

Ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny famatarana ny toetr’andro ny DG avy ao amin’ny Ministetran’ny tontolo iainana ny Ala sy ny fizahan-tany , ny filohan’ny ofisy rejionalin’ny fizahan-tany eto vakinankaratra, ny avy ao amin’ny faritra sy ireo manam-pahefana maro no tonga nanoe voninahitra ity lanonana goavana teto antsirabe ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS