Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 15h54
 

Malagasy

Kaominina sy fanjakana

Alamino sao mikorontana, hoy Ramampy Zenaïde

mercredi 10 septembre 2008 |  906 visites  | Penjy R.

Raha tena mipetraka eo amin’ny fanjakana sy ny kaominina ny fitiava-tanindrazana, dia tokony ahay hifandamina izy ireo. Tsy izao fifandirana isaky ny masoandro miposaka izao no heverina fa ahafahana mampandroso haingana ny tanàna. Io no fanambarana nataon-dramatoa Ramampy Zenaïde, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena teo aloha ary mpikambana tao amin’ny TIM. Matahotra ny hisian’ny korontana ny tenany, satria toy ny vao omaly ny zava-nitranga nandritra ny raharaha 2002 ireny. Izao sahady ve dia averina indray ireny ? Ny mitondra kaominina dia mitondra vahoaka. Toy izany koa ny mitondra firenena. Tsy hisy ahita fahasoavana amin’ny tanàna mikorontana sy miady lava eo, ka tsara raha mifanantona haingana ny andaniny sy ny ankilany. Mino anefa isika fa olo-kendry avokoa ireo, ka ahatsapa ny halehiben’ny tanindrazana iombonana, ary hametraka ny hambom-po any anjorom-bala.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS