Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 21 mai 2024
Antananarivo | 00h27
 

Teny zato, kabary arivo

Akory zay !

lundi 27 août 2007 |  172 visites  | Naivo kely

Nandray fanapahan-kevitra ny CUA ny amin’ny hanakatonana ny toeram-pivorian’ny tanoran’Antananarivo, ARENA, etsy Antanimena tao aorian’ireny tsy fanarahana ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana tao ireny tamin’iny faram-paran’ny herinandro lasa iny.

Akory zay ! Efa nanambara teto ny tenanay ny amin’ny fikorontanana sy ny loza haterak’io ARENA io eo amin’ny fiaraha-monina, indrindra moa eo amin’ny tanora malagasy. Zaza tsy ampy taona firy no efa hita antoandro be nanahary zao eo amin’ny manodidina io toerana io izay mamo ny sasany , miteny ratsy, tsy tahotra tsy henatra. Tsy izay velively mihitsy no atao hoe fampandrosoana fa tena diso hevitra ireo izay nihevitra izany.

Ekena fa mety hisy ny ho very fivelomana amin’ny toe-javatra toy izao. 43, hoy ny tompon’andraikitr’ity Arena ity, izy ireo. Dia miala tsiny tompoko, fa ny fanahin’ireo tanora mety ho very sy simban’ireo hetsika fampialana voly tao no ambony kokoa. Tsy ho lazaina etoana moa ireo olona an’aliny nivavaka tao teo aloha ?

Miala tsiny aminareo tokoa ny tena raha hankasitraka ny tompon’andraikitry ny CUA amin’izao fanapahan-kevitra noraisiny izao na dia tsapa ho somary tara ihany aza izany. Izay no tsara hakana lesona amin’ny fitantanana tanan-dehibe toa Antananarivo, satria efa fantatra mialoha ny loza ateraky ny toerana toa an-dry Arena. Aleo tokoa aloha tara toy izay tsy misy mihitsy e !

Tsy ny toeram-pialam-boly velively no tsy tiana, fa endrim-pialam-boly mendrika ny foto-pisaina izay zakan’ny toe-panahy malagasy no tsara hamenoana ny tanàna.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS