Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Sehatry ny fanabeazana

Aiza ny sekoly hianaran’ny mpianatra ?

vendredi 27 juin 2008 | Naivo kely |  402 visites 

Izay fanapahan-kevitra tapaka tsy azo hiverenana intsony. Tsy maintsy miroso isika, satria làlana iray ahafahana manatsara ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara io. Fanambarana nataon’ny Praiministra lehiben’ny Governemanta io, raha nihaona tamin’ny andrim-panjakana roa tonta izy ny talata lasa teo.

Mitohy hatrany amin’ny taona fahafito indray izany ny ankizy Malagasy vao manala fanadinana CEPE fa tsy toy ny teo aloha intsony. Izay eo amin’ny kilasy fahasivy dia efa miatrika izany. Fanovana goavana io, ary voalaza fa tsy misy intsony ny « mi-double kilasy ». Ny mety ho fahaizan’ny mpianatra aloha hatreto tsy dia fantatra manao ahoana, fa ny mifindra hatrany izany no tena zava-dehibe amin’ity indray mitoraka ity. Ny fanontaniana mipetraka amin’ny maro, dia ny hoe aiza ny trano hianaran’ireo ankizy ireo ? Tsy zoviana amin’ny maro, fa any ambanivolo rehetra any, dia mijanona hatreo amin’ny kilasy fahasivy ihany ny trano afahan’ny ankizy mianatra. Hita ary fa efitra kely roa na telo no hianaran’ny ankizy. Ny mpampianatra, dia tsy tafakatra hatrany amin’ny kilasy fahafito ny fari-pahaizany, nefa tsy maintsy manao ilay asa izy ireo. Hanorina kilasy vaovao ve ny fanjakana sa ireo teo aloha ihany no hifandimbiasan’ny mpianatra ? Tsy faly manova fotsiny, fa manome vahaolana no tena fahombiazana. Manantena ihany koa ny maro fa hisolo trano manara-penitra ireo trano zozoro mbola hianaran’ny ankizy any amin’ny faritra rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}