Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 21h47
 

Teny zato, kabary arivo

Afo tsy maty

mercredi 20 juin 2007 |  189 visites  | Naivo kely

Nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao maro ny nahita ny fihetsiky ny fanjakana nanolotra fiara lehibe miisa 5 sy vola mitentina 100 tapitrisa ariary ho an’ny kaominina an-drenivohitra tao Fianarantsoa, ka raha atambatra izany dia mahatratra 7 ireo fiara mpanala fako any an-toerana amin’izao. Fitaovana izay tsy hita mihitsy fony mbola ingahy Pety Rakotoniaina no nitondra tao, saingy rehefa nahazo laka ny PDS vaovao dia ireo fa mirarak’ompana ireo ny fitaovana.

Gaga ny maro satria hay azo natao tsara ny manome fitaovana ny kaominina tahaka izao, saingy nahoana no aty aoriana be aty vao natolotra izy ireto ? Sa ve ingahy ben’ny tanàna teo aloha mihitsy no tsy tiana ka navela hanjaka tao amin’io kaominina io ny tsy fahampiana ara-pitaovana mba ho hitan’ny rehetra fa tsy mahavita azy ny olona nofidiany ? Na dia somary milamina aza ny any amin’io faritra io, dia azo ambara fa misy raha tsy milamina ao matoa feno mpitandro ny filaminana any, ary io vao niarahana nahita io ihany koa ny fandoran’ny olona sasany ny ampahan’ny Oniversite Andrainjato. Hatreto aloha dia miezaka ny fanjakana hampitony ny olona, ary tsapa izany amin’ny fahitana ireo mpitandro ny filaminana maro mameno ny tanàna, ary ingahy ben’ny tanàna teo aloha ihany koa hatramin’izao mbola tsy tratra. Koa famonoana afo ve no nataon’ny fitondrana nanolotra ireo fitaovana sy vola sa tena ho fampandrosoana ny kaominina marina ? Hatreto aloha dia mbola afo tsy maty ny raharaha nafampana momba ny fanenjehana an’ilay ben’ny tanàna teo aloha ka hita eo ny ho tohin’itony fanomezana maro be itony ary enga anie mba samy hahazo tahaka izao daholo ny kaominina rehetra indrindra fa ny ao Toamasina izay hanjakan’ny loto tanteraka noho ny tsy fahampian’ny fitaovana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS