Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 13h06
 

Tsakotsako

« Adinony ianao »

lundi 17 novembre 2008 | RAW

« Adinony ianao e ! » Tonon-kiran’i Olombelo Ricky izay toa lasa miverina ao an-tsain’ny rehetra io raha mahita ny zava-misy ankehitriny. Lany tokoa mantsy ny teti-bolam-panjakana 2009 ary toa tombotsoa mihoam-pampana ho an’ireo mpitondra no be dia be fa ny an’ny vahoaka kosa dia toa adino tanteraka.
Mahakivy sy mahaketraka ireto vahoaka nifidy azy ny mahita fa ireto solombavam-bahoaka nofidiny ho solotenany dia toa tsy miraharaha akory azy ireo fa ny hanatevina ny efa eo ampelatanany no mahamaika azy.
Nananga-tànana izy ireo, asa aloha raha tena nandanjalanja, dia lany ny lalàna. Vokany tsy azo hiodivirana : hitombo ny isan’ireo saro-pivelomana. Iza tokoa no tsy mahalala fa na ilay karama noraisina teo aloha dia efa zara raha mahavelona ? Vao mainka indray hitambesaran’ny hetra vaovao satria na ireo « primes » sy « avantages » keliny aza dia handrimbinana indray, dia asa fotsiny.

Hananga-tànana izy ireo ary ho lanin’izy ireo amin’ny Talata ho avy izao, ohatra, ny lalàna izay manaisotra ireo mpiasa maro eo anivon’ny antenimierampirenena, mpiasa izay hanatevina ihany koa ny isan’ireo saro-pivelomana satria, raha ny loharanom-baovao azonay, dia tsy handray afa-tsy ny ampahatelon’ny karama noraisiny ny ankamaroan’izy ireo rehefa miverina eny amin’ ny FOP, raha ampitahaina. Tsy eo intsony mantsy ireo « avantages » fandrain’izy ireo raha niasa teo anivon’ity antenimiera ity izy ireo, ny vidim-piainana anefa tsy mitsaha-mitombo.

« Redéploiement du personnel » no hiantsona ity lalàna ho laniana ity, ary tsy maintsy ho lany satria efa notambazana tombontsoa maro samy hafa ireto solombavambahoaka ireto, raha tsy hilaza afa tsy ny « tickets carburants » izay efa lasa 11 tapitrisa iraimbilanja isam-bolana (ary toa mety hiakatra 15 tapitrisa) sy ny karama efa nihanatevina.
« Baiko avy any amin’ny Banque Mondiale ny nandraisana io fepetra io », hoy ny fialan’ny sasany. Ekena fa nangataka izany ity mpamatsy vola ity, kanefa tsy afaka nahena kely ve ny tombontsoa efa mihoampampana azon’ireo olom-boafidy ireo dia notazonina ihany ireo mpiasa ?

Toa zary mandatsa ilay anarana hoe « solombavambahoaka » raha ireo zava-misy ireo no jerena, satria toa ny tombontsoa manokana sy ny an’ny fanjakana foibe no tsijovin’izy ireo fa tsy niaro na kely fotsiny aza ireto vahoaka nametraka azy teo amin’io toerana io.
« Adinony ianao fa fitaka ny toky . »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS