Raha vao nandray ny fahefana ny filoha Ravalomanana taorian’ny 2002 dia nanambara fa faraharatsiny mba mahazo 4L isan-tokantrano ny malagasy rehetra. Faly ny rehetra satria ity vao tena fahombiazana. Isika rehetra no mitsara valo taona aty aoriana na nahazo izany ny ankamaroantsika na nivarotra ny kely teo am-pelantanana.
Niova indray io ankehitriny, ka lasa scotera maro be indray no nafarana. Tsy hangalana haba io, fa ny hirariana ny hananan’ny malagasy tsy vaky volo izany moto izany ho entina miasa andavanandro. Tsy taitra intsony ny maro nandre izany, satria lanja miakatra ny fiainana fa tsy lanja midina. Ny an’olona mihazakazaka any amin’ny mercedes sy ny hafa isika kosa midina makany amin’ity moto kely ity. Ny Force One aza hosoloina fa tsy maharaka ny asa ilana azy, koa nahoana no tsy mba maniry hiakatra isika fa maniry midina tahaka izao ? Adino tanteraka aloha ilay 4L isan-tokantrano, nefa mino isika fa aleo mahazo moto, toy izay mandeha kalesy.
Manantena isika fa andeha araky ny tokony ho izy ihany koa ny fanamparitahana ity moto ity, ka mba ho takatry ny vahoaka maro an’isa tokoa izy io.