Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 15h51
 

Tribune libre

Taratasy misokatra

« Abus de pouvoir » ny Maire ?

mardi 13 juillet 2010

Misy tany novidianay tamin’ny 2007 aty Vohémar. Tamin’ny andro nividiana io tany dia “témoin” ny Président ny Fokontany Tanambao-Vohémar dia nanambara izy fa tsisy lalana andalo amin’io tany io fa ny lalana dia mandalo aloha ny trano ivelany tany-nay izay éfa misy marika na fandalovana toamaobilina.

Nahazo alàlana anamboarana trano izany izahay dia natao ary ny trano sy ny féfy. Nony raharaha-pirenena misy eto amin’ny firenena dia mbola tsy vita ny taratasy eo hanatrehany “services des domaines” fa ao ampikarakarana izany izahay. Dia nangataka “certificate d’occupation des sols” tamin’ny Maire ny Vohémar izay anamboarana ny taratasy ny tany. Tsy méty manoméhy izy satria niova hoy izy ny lalana ho atao fa anapaka ny tany-nay.

Nazavanay tamin’ny Président ny Fokontany sy ny Maire fa matoa izahay nanao trano tamin’io tany io dia ny Président ny Fonkontany izay “témoin de vente”nanazava soamantsra ny fandehany lalana ho avy ary nanaméhy toky.

Hénonay fa misy tompony tany anakiray izay tokony andalovany lalana araka nazavainy Président ny Fokontany taminay nivarotra ny tany-ny tamin’ny havany iray izay mipétraka any an-dafy.

Mahagaga ihany ny antony tsy anomézany Maire « certificat d’occupation des sols » kanéfa misy trano miféhy vita tamin’ny 2007 ny tany-nay ary fantatry Maire sy Président ny Fokontany izany.

Misaotra tompoko.

Natacha AMADY
LOT T72 B 800
VOHEMAR (209)

1 commentaire

Vos commentaires

  • 13 juillet 2010 à 12:30 | ikopa (#671)

    terrain azo vidiana ve io taninareo io sa tsia ? Izany hoe « terrain domanial » sa terrain communal. Misy circonscription domaniale ve ao @ io tanana io, misy service topographique na farafaharatsiny misy olona géomètre assermenté. Maka aloha olona iray avy @ ireo dia asehoy azy ny faritry ny tany novidianareo ka izy io no handrefy sy hanao ny sarin-tany hamoronana ny dossier-ntaninao ka io no ahafahanao mahafantatra na misy tokoa io lalana io na tsia. Fa raha ny kolikoly fanaon’ny manam-pahefana isan-karazany eto Madagasikara dia ho very fananana eo ianao. Fomba fanao daholo izany hoentina manataraiky ny fametrahana ny fangatahanao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS