Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 16h50
 

Malagasy

Antsirabe • Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fahitana

2020 : 75 tapitrisa no jamba raha tsy mitandrina

mardi 14 octobre 2008 | Princia R.

37 tapitrisa no isan’ny jamba manerana izao tontolo izao, 124 tapitrisa hafa no manana fahasahiranana ara-pahitana. Amin’ny taona 2020 hatahorana ny ahatonga io isa io ho 75 tapitrisa raha sanatria tsy misy ny fitandremana. Misy fihatraikany eo amin’ny fampandrosoana ny fitombon’io isa io satria lasa enta-mavesatra ny olona tokony hamokatra

Antsirabe no voafidy nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahitana ny Alakamisy lasa teo, hetsika nasionaly, fampirantiana ary fizahana maso maimaim-poana no tao anaty fandaharam-potoana. « Maso salama antoky ny ho avy » io no lohahevitra niompanan’ny fankalazana.
Fantatra nandritra ny hetsika ary fa 160 000 ny Malagasy no manana fahasahiranana ara-pahitana ary 80 000 amin’ireo dia efa voan’ny areti-maso « cataract ». Betsaka izany isa izany ary raha tsy misy ny fepetra ho raisina dia hitombo tsy laitra izany amin’ny taona 2020. Manoloana izany dia efa miezaka ny fitondram-panjakana manao ny fanentanana amin’ny fanaovana fitiliana maro isan-karazany sy ny tsy hanaovan’ny tsirairay ambanin-javatra ny fahasalaman’ny maso, teo ihany koa ny fampitomboana ny manam-pahaizana manokana mikasika ny maso mba hananan’ny mpiray firenena fahasalamana feno ka ahafahany mandray anjara feno eo amin’ny fampandrosoana.

Mifampiankina tokoa ny fampandrosoana sy ny fahasalaman’ny maso satria raha misy jamba iray dia mihena na foana ny fahafahany mamokatra, ankoatr’izany mila olona iray hafa izy hanampy azy eo amin’ny fiainany ka tsy afa-mamokatra ihany koa. Mila arahi-maso noho izany ny fahasalaman’ny maso ary tokony hatao izany na tsy mahare marary maso aza na manana fahasahiranana vao hanatona mpitsabo.

Mila miara-misalahy

Eto Madagasikara dia efa matanjaka ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina ary ny fiangonana eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ny maso. Anisan’izany ny SALFA “Sampana Loterana Fahasalamana” izay manana toeram-pitsaboana maso 4 manerana ny nosy (Antsirabe, Antananarivo, Fianarantsoa ary Sambava), eo ihany koa CBM, ny Institut vision ary ny Lyon’s sight First. Ezahina ny hanamafisana ireo fiaraha-miasa ireo hoy ny talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny fahasalamana tonga nanokatra izao fanamarihana izao mba ho mendrika aty amin’ny tany andalam-pandrosoana I Madagasikara amin’ny fiatrehana ity fahavoazan’ny fahitana ity.

Mifandray ary mifanindran-dalana amin’ny fahasahiranan’ny fahitana ny diabeta ka nisy ny fitiliana maimam-poana nandritra ny fanamarihana. Rehefa misy diabeta ny olona iray dia manomboka voa tsikelikely ny fahitany ka tokony ho mailo ny isam-batan’olona.Princia

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS