Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 20h18
 

Malagasy

Bazary Ankirihiry

10 tapitrisa Ar. avy amin’ny filoha nasionaly TIM

vendredi 12 septembre 2008 | Gilbert R.

Vola mitentina 10 tapitrisa Ariary no natolotry ny filohan’ny Antenimieran-doholona no sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, Yvan Randriasandratriniony, entina hanampiana ireo olona traboina noho ilay haitrano mahatsiravina nitranga tao amin’ny bazary Ankirihiry, ny alarobia faha 10 septambra 2008 . Nampahery ireo fianakaviana maro niaran-doza ny tenany ary nankasitraka ihany koa ny fisian’ny firaisan-kina teo amin’ny mpitondra fanjakana any an-toerana nifanome tànana sy tsy nikely soroka tamin’ny fitadiavana ny vaha olana rehetra entina nanampiana ireo niaram-boina.

Hafatra avy amin’ny Filoham-pirenena

Taorian’ny fisaorana manokana ny filoha nasionalin’ny antoko TIM tamin’izao fihetsika feno fifankatiavana nasetriny ny vahoakan’i Toamasina izao, dia nitondra hafatra manokana avy amin’ny filoham-pirenena, Ravalomanana Marc, ny minisitry ny Fitaterana sady mpiahy ny faritra Atsinanana, Botozaza Pierrot. “Mankahery antsika mandrakariva ary manaraka akaiky izao fahavoazana izao ny filoham-pirenena”. “Amboarina ity toerana ity ka izy no hitondra izany”. Nambaran’ny minisitra moa fa hanome fomba malaky hanatsarana ity toerana ity ny filoham-pirenena mba hananany endrika manara-penitra, na eo amin’ny lafiny tsena izany na amin’ny fonenana ihany koa

Taorian’ny fijerena akaiky ny toerana nisy ireo trano may an-jatony tao Ankirihiry, dia nizaha ny ampahany amin’ireo traboina mitoby eny amin’ny kianja mitafo “Soavita” ny filoha nasionaly TIM sy ny minisitra mpiahy, notarihin’ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Andriamorasata Julien sy ny loholona, Bezara Manasé, niaraka tamin’ireo mpitondra isan-tsokajiny eto an-toerana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS