Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 21h39
 

Articles dans la rubrique « Tsakotsako »

  • Tokony...

    lundi 8 décembre 2008 | RAW |  874 visites
    Tokony ihena ny fotoana lany amin'ny fikarakarana ny antotan-taratasy any amin'ny sampandraharaha-panjakana. Tokony ihena ny isan'ny taratasy takian'ny sampandraharaha-panjakana. Tokony hisy fandraisana tsisy tombo sy ala any amin'ireny sampandraharaha-panjakana ireny. Tokony tsy hisy intsony ny fampivezivezena ny mpanjifa ny raharaha-panjakana. Tokony tsy hisy kolikoly intsony any amin'ny birao-panjakana rehetra any. Tokony ho fantatry ny olona mialoha hoe aiza no alehany raha miditra (...)
  • Mihetsika ny mpanohitra

    vendredi 5 décembre 2008 | Penjy R. |  1166 visites
    Rahampitso no hikaondoha etsy amin'ny foiben'ny AKFM Andravoahangy ambony ny mpanohitra rehetra. Manoloana ny firosoan'ny fanjakana hanao ilay fivoriana miaraka amin'ny antoko rehetra afaka andro vitsivitsy no anton'io. Antoko manodidina ny 20 no handray anjara amin'izany. Voalaza fa manana ny fijeriny momba ity fivoriana ity ny antoko ivelan'ny fanjakana sy ny fiarahamonimpirenena. Na ny CONECS, na ny SEFAFI, na ny FFKM na ny KMF/CNOE dia nana-kambara foana raha ny fiainana ara-politika sy (...)
  • Fahasalamam-bahoaka ve no resaka ?

    mercredi 3 décembre 2008 | RAW |  891 visites
    Misy pesta hoe eto Antananarivo ? Olona iray aloha no voamarina fa matin'ny pesta. Avy any ivelan'Antananarivo izy io no tonga teto nitady fitsaboana saingy maty. Tsy midika izany fa eto Antananarivo no misy pesta. Ny sasany moa dia avy hatrany dia mandrangaranga fa noho ireo fako miavosa no miteraka izany pesta izany ary nampitandrina ny Kaomina Antananarivo Renivohitra. Nisy ihany ny resaka pesta teo alohaloha teo fa tany ivelan'Antananarivo. Nolavin'ny mpitondra ara-pahasalamana izany (...)
  • Fandraharahana mampieritreritra

    lundi 1er décembre 2008 | RAW |  1954 visites
    « Rehefa miova ny lalàna dia tsy maninona fa raha ireo lalàna manankery mandraka ankehitriny eo amin’ny lafiny fandraharahana sy varotra aloha dia tsy ahafahana manakana ny asa aman-draharahanay. Mpanamboatra menaka ny asanay ary efa hatrizay ampolo-taonany maro no nanaovanay io asa famokarana io. Ankehitriny dia tsy afaka manao izany intsony izahay satria nampahafantarina an-kolaka ireo mpamatsy voanjo anay fa tsy mila mamatsy anay mpanodina ny voanjo ho menaka intsony izy ireo. Ankoatra ny (...)
  • « Madagscar naturellement ! »

    mardi 25 novembre 2008 | RAW |  1770 visites
    Nahabe resaka nandritra iny herinandro iny ireto vahiny mihaohao eto amintsika. Tao ny Pakistane izay mamoafady mihitsy fa mampiditra zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika. Efa voatazona moa izy ireo raha ny fanadiadiana tamin’ny sabotsy lasa teo tao amin'ny Fampanoavana no jerena. Tamin'izy valo voarohirohy dia iray ihany, ilay tompon'ny kamiao, no nahazo fahafahana vonjy maika. Ny sisa dia voatazona any am-ponja mandra-piandry ny fitsarana. Isan'ireo nahiditra am-ponja ny mpamily (...)
  • « Adinony ianao »

    lundi 17 novembre 2008 | RAW |  1537 visites
    « Adinony ianao e ! » Tonon-kiran’i Olombelo Ricky izay toa lasa miverina ao an-tsain’ny rehetra io raha mahita ny zava-misy ankehitriny. Lany tokoa mantsy ny teti-bolam-panjakana 2009 ary toa tombotsoa mihoam-pampana ho an’ireo mpitondra no be dia be fa ny an’ny vahoaka kosa dia toa adino tanteraka. Mahakivy sy mahaketraka ireto vahoaka nifidy azy ny mahita fa ireto solombavam-bahoaka nofidiny ho solotenany dia toa tsy miraharaha akory azy ireo fa ny hanatevina ny efa eo ampelatanany no (...)
  • « Zamerika »

    lundi 10 novembre 2008 | RAW |  1129 visites
    Mbola i Barack Obama foana ny resaka. Izay vao tena hiova tokoa ve ny fitondrana amerikana hoy ny maro ? Efa ela mantsy i Etazonia no tsy « nampirevy » intsony. Efa ela izany hoe « Zamerika » izany ; izany «Appolo» sy izany olombelona voalohany nanitsaka ny volana izany. Fahiny tokoa izany. Fa ankehitriny toa tahotra no ao an-tsaina raha vao mieritreritra izany Etazonia izany. Tao aorian’ny «Ku Klux Klan»dia ny « terrorisme » izao no mampatahotra. Ny fomba dia mitovy ihany : mamono olona amin’ny (...)
  • Médecin après la mort...

    lundi 3 novembre 2008 | RAW |  1526 visites
    " Mahatserika ity raha volànin'ny mpitondra ity ", hoy ity rangahy iray raha naka lasantsy fa toa nidina kely ny vidiny. Raikitra teo moa ny resaka sy ady hevitra. Ary ny niafarany dia hoe efa miasa mafy ny fanjakana fa handray an-tànana ny fanafarana solika, dia izy indray no hitsinjara azy any amin'ireo kaompania. Raha ny marina dia tsy vaovao ilay hevitra sy tetika. Vao haingana i Alphonse Randrianambinina no nampahatsiahy anay fa isan'ny ambety tenin'i Herizo Razafimahaleo ny tokony (...)
  • Mazava loatra

    jeudi 30 octobre 2008 | Volana R. |  1365 visites
    Mazavazava ratsy ihany aloha hatramin’izao ny fanantenana eo amin’ny Malagasy. Araka ny nambaran’ny mpitondra isan-tsokajiny, dia tsy dia hisy fiantraikany loatra aty amin’ny toekarena malagasy ilay krizy any amin’ny tany mandroso amin’izao fotoana izao. Hitondra ny tsara aza noho ny fidinan’ny vidin’ny solika maneran-tany. Saingy izao indray no mampanontany tena, tsy hisy fiantraikany aty amintsika koa izany io, raha izany no zohiana ? Amin’ny saina tsy miangatra, nidina io vidin-tsolika io tany (...)
  • Any Comores ?

    lundi 27 octobre 2008 | RAW |  1879 visites
    Mangataka ny vahoaka sasany leo ireto mpanao pôlitika sasany ireto mba alefa any Comores izy ireny. Fa maninona no any Comores ? Satria izy ireo ihany, teo imasom-bahoaka sy avoriana tao Toliary, no nangataka tamin'ny filoha Ravalomanana, ny hanaovana karazana sesitany ireo mpanohitra. Amin'izao fotoana izao, lasa mpanohitra izy ireo ka moa ve tsy mety ny hangatahana ny handefasana azy ireny any Comores ? Tsy dia taitra amin'ny resaka pôlitikam-panoherana ny vahoaka, fa rehefa miteny izy dia (...)
  • Midika inona moa ?

    lundi 20 octobre 2008 | RAW |  1411 visites
    Ho an'ny maro aloha dia mihetsika mafy i Marc Ravalomanana. Indrindra ho an'ireo nahafantatra fa efa hatramin'ny naha filoha azy dia nikendry izy fa tsy maintsy hampiantrano ny fivoriana an-tampon'ny Firaisambe Afrikana i Madagasikara. Tsy namelany tokoa. Ary izao aza dia resiny lahatra koa ny firenena miteny frantsay fa i Madagasikara dia afaka ary efa vonona hampiantrano ny fivoriamben'ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Amin'ny taona 2010 io. Asa inona indray ny (...)
  • Mampihorohoro, mampihoron-koditra

    lundi 6 octobre 2008 | RAW |  2120 visites
    Mahetsaka, mahavalalanina, mahaketraketraka. Ireo ny teny avoaky ny vavan'ireo mpanara-baovao eto an-toerana raha mandinika ny fizotry ny raharaham-pirenena. Toa misy milaza ho kivy mihitsy. Indrindra raha mijery ny fihetsiky ny mpitondra sy mpiara-miasa amin'ny filoham-pirenena. Hafa ny tenenin'ny filoha, nefa toa hafa mihitsy ny lazaina sy ataon'ny mpanampy azy sy mpanatanteraka akaiky. Toa mivadika ho fotsy ny mainty ary toa manao izay hampangidy hoditra ny filoha mihitsy aza matetika. (...)
  • Ahiahin’ny « zoky »

    jeudi 2 octobre 2008 | RAW |  966 visites
    Raha tafaresaka tamin'ireo mpiara-miasa amin'ny mpanao gazety sy tamin'ireo mpanao gazety tranainy sasantsasany dia sadaikatra ihany ny tena satria eo am-perinasa ary mahatsapa ho tena mbola misy lesoka na dia efa miezaka mafy aza mba hanara-penitra. Sarotra tokoa ity asa ity.ary mihaiky ny tena fa mila mailo sy matsilo tsy an-kiato mba tsy handiso fanantenana ny mpamaky ny tena ao anatin'ny fahamarinana sy ny soatoavina malagasy sy fitsinjovana ny tombotsoan'ny daholobe. "Fa angaha tsy (...)
  • Biby sa olona

    lundi 29 septembre 2008 | RAW |  3108 visites
    Hisy orinasa lehibe hamokatra sakafom-biby am-polo-taonina isan'andro hatsangana eo Andohatapenaka. Eo amin'ireo tanimbary sy tany nisy tranon'olona an-dalan'ny ho tototra no hanaovana izany. Nanazava ny anton'ny ilana izany ny filoha Ravalomanana tamin'ny alin'ny zoma lasa teo raha vao tonga avy nanatrika sy nandray anjara tamin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana. Araka ny fahazoana azy dia mifaninana mafy loatra ny sakafom-biby sy ny sakafon'ny olona hany ka saozanina foana ny biby (...)
  • Manalasala toa vozon’akoho

    lundi 22 septembre 2008 | RAW |  1047 visites
    Amin'izao fotoana izao dia manova ny rafitry ny fampianarana ny mpitondra fanjakana. Mampiahiahy ny manampahaizana ny fomba nitondrana azy io. Ny sekoly miaraka amin'ny fiangonana Katôlika moa dia mazava fa tsy hanaraka ambokony satria tsy niadiana hevitra taminy ny fomba fanatanterahana sy votoatin'izany fanamboarana izany. Malalaka ianareo, hoy ny filoha Ravalomanana, tsy terena. Nanazava foana moa ny mpitondra fanjakana fa toa vitsy ihany ireo manampahaizana no resy lahatra. Ireo atao (...)
  • Lesona ireny !

    lundi 15 septembre 2008 | RAW |  1610 visites
    Tsy nanaratsy ny olon-kendry sy ireo raiaman-dreny avy aty amin'ny fiaraha-monim-pirenena fa nankasitraka ny fihetsiny i Andry Rajoelina. Nefa koa tsy nanao tsinontsinona ny raiaman-dreny sy zoky filoham-pirenena fa nihaino, nifandresy lahatra ary nijery izay tombontsoa iraisan'ny tanàna sy ny firenena izy. Ary raha ny fihainoana azy aza dia toa hita fa nanampy azy - na ho an'ny sasany - niaro azy mihitsy ny filoham-pirenena. Toa tena raiamandreny mpihaino sy mpitady vaha-olana sy zanaka (...)
  • Toa very hasina

    lundi 8 septembre 2008 | RAW |  1114 visites
    Manahirana ny miresaka momba ity fanamboarana ny fampianarana ity. Indrindra koa ny momba ity bakalorea teto Antananarivo teo ity. Tena vitsy ny teknisiana, mpampianatra sahy miteny. Ireo mba fantatra fa manana traikefa ary nihaina sy nivelona tamin'ny famoaham-boky hanampiana ny mpianatra hianatra amin'ny teny malagasy ireo taranja toa ny matematika na fizika dia tsy sahy miteny. Raha nanontaniana moa izy ireny momba ity fanamboarana ny fampianarana ity dia nilaza fa : «Tsy hitsara izahay (...)
  • Tahaka ny minisitra hoe ?

    lundi 1er septembre 2008 | RAW |  3284 visites
    Tahaka ny minisitra hoe ? Mampitolagaga sy mahafanina ary mampalahelo indraindray ny mpanao politika malagasy ao amin'ny fanoherana. Misy ny te-ho deraina nefa tsy hita akory izay vitany. Tsy ny eto an-toerana ihany fa ny any Frantsa ihany koa. Namory olona ny "fanoherana" tao Parisy tamin'ny faran'ny herinandro teo. Raha ny akony dia tena feno hipoka ilay efitrano tao amin'ity "hôtely lehibe" toa fandehanan'ny ministra malagasy rehefa tonga any. Toa tena feno olona mihitsy raha ny fihaino (...)
  • Betsaka ny ahiahy

    lundi 25 août 2008 | RAW |  1281 visites
    Manoloana ny fanovàna tian-kano tsy tian-kano ny rafi-pampianarana ankehitriny dia iaraha-miaiky fa tsy azo atao andranandrana ny ankizy ary tsy misy ray aman-dreny te-hanao sorona ny zanany. Misy fanontaniana hovaliantsika ireto, hahitàna fa mety andanandrana indray ity ary mety ho lasa sorona ny zaza malagasy. 1. Ireto ny fanovàna misongadina : Teo aloha T1-T5 miafara amin’ny CEPE. T6-T9 miafara amin’ny BEPC. Seconde hatramin’ny terminale miafara amin’ny BAC Ny hiova, tsy mbola mazava (...)
  • Tsakotsako

    Fa maninona no mandeha irery e ?

    vendredi 8 août 2008 | Njaka, RAW |  1644 visites
    Tanàna tsy misy mpivarotra, tsy misy rano fisotro na dia loharano aza, tsy misy jiro, tsy misy taxibrosy,.... ny ao Antakavana. Mandeha tongotra ora fito vao mahita ny lalana godorao. 170 km miala an'Antanaanrivo no misy azy, manaraka ny lalampirenena faha-efatra, ao amin'ny tendrony avaratra-atsinanan'ny distrikan'Ankazobe no misy azy. Rehefa afaka 30 km avy aty Antananarivo miala an'Ankazobe, mivily miankavanana, 45 km lalandratsy vao tonga ao amin'ny kaominina Antakavana. Be dahalo, tsy (...)

0 | 20

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS