Articles dans la rubrique « Malagasy »
-
Faha-72 taonan’i Didier Ratsiraka
lundi 5 novembre 2007 |
Hery A.
| 11325 visites
Feno 72 taona omaly alahady faha 4 novambra ny filoham-pirenena teo aloha atoa Ratsiraka Didier ka toy ny isan-taona dia mankalaza izany ny antoko AREMA noforoniny. Teny Anosizato, biraon’ny Arema firaisana faha 4 no nanaovana ny lanonana rehefa nahazo alalana tamin’ity filoha teo aloha ity. Atoa Ange Andrianarisoa, sekretera nasionaly vonjimaika an’ity antoko ity no nitarika ny fotoana ka ankoatry ny fiaraha-mikoranan’ireo mpikambana dia nisy ny dinidinika mahakasika ny fiainam-pirenena ny (…)
-
Toamasina : Vono olona tao amin’ny hotely
samedi 3 novembre 2007 |
Hery A.
| 1072 visites
Afaka noho ny fisalasalana izy 4 mianadahy mpiasan’ny hotely iray teny Salazamay ao Toamasina izay voarohirohy ho niray tsikombakomba tamin’ny nahafaty ny mpiambina ny loholon’i Madagasikara atoa Velo Arsene. Nandoa onitra ar 3 alina kosa ny mpiasan’ny hotely iray izay tsy nandray ny anaran’ny mpanjifa miditra ao amin’ny hotely iasany. Raha tsiahivina ny tantara dia maty nisy nitifitra tao amin’ity hotely ity mpiambina ny loholon’i Madagasikara Velo Arsene ity tamin’ny alin’ny faha 20 martsa (…)
-
Kolontsaina
vendredi 2 novembre 2007 |
Naivo kely
| 533 visites
Tsy asiana sasiny fa tonga dia vavany, iza no afaka hampandroso ny kolontsaina sy ny zava-kanto eto Madagasikara ? Dia isika rehetra no miara-mamaly izany. Harena sarobidy tsiriritin’izao tontolo izao ny kolontsaintsika zay heverina fa azo trandrahana tsara hampidirim-bola ho an’ny tanindrazana, ary hanome lanja eo imason’izao tontolo izao, saingy izay ve ny zava-misy? Kolontsaina tsy miparitaka eny anivon’ny fiaraha-monina samy mampanjaka ny heveriny fa maha-mety azy ny tsirairay, hany ka (…)
-
Mitsipaka an-dRavalo ny Teza
Ny fiainam-pirenena tsy hananankavana, ary izay voasoratra aoka tsy ho dikaina. Io no fanambarana nataon’ingahy Moxe Ramandimbilahitra izay mpanolon-tsaina manokan’i Filoha Ravalomanana raha nivahiny tao amin’ny fandaharan’i Aceem Radio ny alahady lasa teo. Efa ela no nametrahan’ity antoko ity ny tsy tokony hanomezana fiara 4X4 ny solombavam-bahoaka, izay miteraka fandaniana eo amin’ny kitampom-polam-panjakana. Ny filohan’ny Repoblika kosa anefa dia manana ny fahefana feno amin’ny heveriny (…)
-
« Bois de rose » : Fanondranana an-tsokosoko
vendredi 26 octobre 2007 |
Hery A.
| 696 visites
Naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ilay mpandraharaha tompon’andraikitra tamin’ny famoahana an-tsokosoko ireo hazo sarobidy « bois de rose » avy any amin’ny distrikan’ Antalaha, nokasaina haondrana any ivelany ka saron’ny ladoany tao Toamasina.
Miandry ny fitsarana azy ity olona voarohirohy ity mandram-pahita an’ireo olona maro mbola voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy. Hazo sarobidy miisa 4300 no sarona tao Toamasina ka olona 3 lahy no nividy azy ireo. Karohina (…)
-
Taratasin’ny mpamaky
vendredi 26 octobre 2007
| 1337 visites
"Arahabaina ny fitondra-mpanjakana fa nahatsangana Antenimieram-pirenena vaovao. Indrindra moa fa mpahay lalàna sy mpitarika entitra tahaka an'i Me. Sylla no lohany. Ny zavatra nanahirana fotsiny dia ny filazan'ireo mpitazana sasany na ireo mpanohitra hoe noho ny "pression" atsy sy aroa no nahalany an'i Me. Jacques Sylla ho filohan'ny Antenimieram-pirenena. Samy mahalala ny toetran'ny filoham-pirenena daholo isika. Toa tsy tiany mihitsy izany hoe baikobaikon'ny vahiny izany. Toa mampiasa (…)
-
Taxi eto an-dRenivohitra
vendredi 26 octobre 2007 |
Penjy R.
| 1007 visites
« Tsy hainay mpamily sy tompon’ny Taxi rehetra eto an-drenivohitra ny hangina manoloana ny famonoan’ny sasany ny namanay ka naleviny tany anaty lava-drano, izay hita fa feno habibiana tanteraka ny naningorana ny ainy. Miaina ao anaty tebiteby tanteraka izahay tompon’ny fiara sy ny mpamily, satria vao tsy ela no nandrenesana indray ilay mpamily namanay novonoin-dry zalahy teny Itaosy ary mbola tsaboina eny amin’ny Hopitaly hatramin’izao ». Vono olona miampy fandrombana ireo no hita tao ho ao, (…)
-
Otrikafon-dRajaonah
Gaga sady nalahelo izahay « Otrikafo » raha nahita fa tafaverina eo amin’ny fitondrana i Sylla hoy ny filoha mpitarika ity fikambanana ity dia ingahy Rajaonah izany. Inona no fifanarahana vitantsika tamin’i La Frantsa no tsy maintsy hapetraka hitantanana ny fiainam-pirenena ny zanany ? Toa tsy voahaja ny fiandrianam-pirenena raha izao no hita satria mbola mandidy eto ny Frantsay. Nasian’ity fikambanana ity resaka tamin’io fihaonany tamin’ny mpanao gazety io omaly ny momba ny tsy (…)
-
Tonta no avadibadika
mercredi 24 octobre 2007 |
Naivo kely
| 721 visites
Nanjakan’ny fotokevitry ny TIM tanteraka ny lapan’ny Antenimieram-pirenena, satria na ireo heverina mba hany tsy miankina hampifandanja ny ady hevitra ao an-dapa aza nanara-drenirano tanteraka. Tsy nisy sahy nilatsaka hifanandrina amin’ingahy Sylla ireo akanga sisa nanamborana tafiditra ao Tsimbazaza, ka ny fanohanana ny olona natolotry ny TIM indray no nafotaka. Misy amin’ny antoko mpanohitra anefa ireo depiote lany ireo, saingy tsy sahy nanome endrika ho mpifaninana na dia mihevitra aza fa (…)
-
Fivorian’ny Antenimiera
Voaangona ny sonia amin’arivony nataon’ny mpiasa malagasy ho fanoherana ilay fampitomboana ilay 48 ora isan-kerinandro. Nahena ihany ho 15 andro ihany koa ilay 30 andro ho fialan-tsasatry ny mpiasa isan-taona. Io no tsy eken’ny rehetra, izay zo fototra hananan’ny mpiasa malagasy ny mahazo fialan-tsasatra araky ny tokony ho izy. Ny karama tsy miakatra ny vidim-piainana io hiarahana mahita io, kanefa toa teren-komasaka toa voalobo-java ilay ora hiasana. Hiainga etsy amin’ny Fisemare (…)
-
Henri Lecacheur
samedi 20 octobre 2007 |
Penjy R.
| 541 visites
Niseho tao anatin’ny mpanao politika maro indray ingahy Henri Lecacheur, izay miantso ny filoha Ravalomanana mba hampiantso fivoriana eo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra mba ho tombotsoa ambonin’ny firenena. Antony maro no ilàna io, ka isan’izany ny tsy nanaovana ny famotsoran-keloka ka mbola misy ny migadra sy manao sesin-tany ny tenany any ivelany vokatry ny krizy 2002.
Mitombo ny fahorian’ny Malagasy ary midangana ny vidim-piainana, tsy tafapetraka ny bileta tokana izay takian’ny (…)
-
Vakinankaratra : fitsidihan’ny filoham-pirenena
vendredi 19 octobre 2007 |
Princia R.
| 580 visites
Somary tampoka ihany ny fitsidihina nataon’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana ny biraon’ny Faritry Vakinankaratra ny alarobia lasa teo. Nisy ny fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ireo manampahefana teto antoerana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra ary ireo solom-bavambahoaka tratra antso avy eto anivon’ny faritra. Tamin’ity fotoana ity no nampahafantarana tamin’ny filoham-pirenena ny solombavam-bahoaka lany teto Antsirabe Voalohany sy Faharoa.
Araka ny (…)
-
Fisotroan-dronono
vendredi 19 octobre 2007 |
Penjy R.
| 842 visites
Ela nisotroan-dronono ka kofona ny farany i Ali baba sy ny namany iray, izay nanao ny asa fisolokiana tetsy Antaninarenana omaly. Nikoropaka ny be antitra raha nahita fa noraisim-potsiny ity olona voalaza anarana sy ny namany ity omaly teny Antaninarenina. Efa fanaon’ity lehilahy tsy dia mbola antitra sy ny namany ity ny mitondra taratasy sandoka hakany vola tsy latsaky ny 200. 000 ar ny iray, kanefa mahatratra efatra ny taratasy sandoka ampiasainy. Maro no nihevitra fa tsy mandeha irery (…)
-
Fitsarana mendrika
jeudi 18 octobre 2007 |
Penjy R.
| 5816 visites
Nandresy tamin’ny fomba madio ny namana mpanao gazety Tsabotokay Honoret omaly raha namoaka ny didy ny mpitsara tany Manakara omaly. Tsy misy mitombina ny fitoriana natao tamin’io namanay mpanao gazety io, ary io nahafahan’ny fitsarana io ny lehilahy. Ny filohan’ny AJRP Soava Andriamarotafika dia nisaotra ny fahendren’ny fitsarana tamin’ny fahitany fa tsy meloka ity mpanao gazety ity.
-
Analanjirofo : Fenoarivo atsinanana
jeudi 18 octobre 2007 |
Hery A.
| 461 visites
Ny alin’ny talata lasa teo dia notafihan’ny jiolahy miisa 10 nirongo fiadiana mahery vaika ny biraon’ny faritra Analanjirofo, ao amin’ny distrikan’ny Fenoarivo atsinanana ka vaky noho ny fifanandrinana tamin’izy 10 lahy ny lohan’ilay mpiambina ny biraon’ny faritra. Efa saika tafiditra tao amin’ny birao misy ny entana sarobidy, toy ny solosaina sy ireo fitaovana samihafa ireto jiolahy no tonga tampoka ny polisy. Rifatra nandositra ireo jiolahy ka mbola karohana hatramin’izao . Nisy ihany koa (…)
-
Antanifotsy : Antoko TIM
mercredi 17 octobre 2007 |
Hery A.
| 580 visites
Taty amin’ny resaka fifidianana vao hita taratra ny fifandraisana ambadiky ny ben’ny tanana sy ny solombavambahoaka ao Antanifotsy ao, raha nisehoan’ny ady tsy takona nafenina nandritra ny fotoana nitondrany avy ka niantraika tany amin’ny fampandrosoana ankapobeny.
Tsy nisy tsy nahalala tokoa fa tsy nifanaraka loatra ity ben’ny tanànan’Antanifotsy ity sy ny solombavambahoaka. Efa samy nilaza ny roa tonta fa sarotra ny fiaraha-miasa. Nisy aza ny fotodrafitrasa vitan’ny ankilany nolazain’ny (…)
-
Ambohibary : Olan’ny zandary sy ny fokonolona
mardi 16 octobre 2007 |
Hery A.
| 845 visites
Iray volana mahery izay no nitanana am-ponja ny tovolahy iray voarohirohy ho nanolana vadina zandary tany Ambohibary, anatin’ny faritra Vakinankaratra izay niteraka resa-be any an-toerana, satria tsy manaiky ny fiampangana ity zazalahy ity ny mponina sy ny sefo fokontany. Araka ny vaovao azo dia nosamborina ity tovolahy ity tamin’ny faha 12 septambra izay mpivarotra eo akaikin’ny biraon’ny zandary.
Voampanga nanolana ny vadina zandary tamin’ny faha 14 aogositra ny lehilahy, ka ny porofo (…)
-
Vokatra ofisialin’ny HCC
lundi 15 octobre 2007 |
Penjy R.
| 606 visites
Na dia nisy elanelam-bato lavitra be aza teo amin’ny kandida Zakahely sy ny kandida natolotry ny TIM tany amin’iny faritra Mananara avaratra iny, dia hentitra ny HCC nanambara fa averina ny fifidianana any amin’io faritra io noho ny olana niseho nandritra ny fifidianana tany an-toerana. Famoriam-bahoaka ny andro alahadin’ny fifidianana sy korontana natao tao amin’ny birao fandatsaham-bato no tena anton’io famerenana ny fifidianana io, izay ny ministeran’ny ati-tany no miantoka ny famitana (…)
-
Atrik’asa : « VASI-VAHASA » avy any Melan Frantsa
lundi 15 octobre 2007
| 711 visites
Nifarana tamin’ny sabotsy lasa teo ny atrik’asa notanterahin’ireo teratany Frantsay mivondrona ao anatin’ny fikambanana «VASI-VAHASA » (Vivre autrement la solidarité Internationale - Volonté d’aménager Harmonieusement Sa hafanilo ) any Melan (frantsa ), natao teny amin’ny ivon-toerana fiofanana Sahafanilo, ao amin’ny fokontany Ambodivonikely, kaominina Sadabe, distrikan’ny Manjakandriana.
Fikambanana mpanao asa soa, ara-tsosialy ny VASI-VAHASA izay manana sampan’asa eto Madagasikara, (…)
-
Famindram-pahefan’i TIM
Teo anatrehan’ny solotenan’ny mpikambana TIM avy amin’ny lafy valon’ny nosy no nanaovana ny famindram-pahefana teo amin’i Razoarimihaja Solofonantenaina filohan’ny TIM teo aloha sy ny filoha vaovao Ivan Randriasandratriniony hitondra ny fanevan’ny antoko. Ity minisitry ity izany no voahositra hanome aina vao ny TIM, ary hametraka ireo rafitra ao anatiny mbola tsy tafampetraka, izay miainga amin’ny kongresy nasionaly. Io omaly io dia nisy ny fandroahana mpikambana izay heverina fa nandoto ny (…)