Répondre à un commentaire
Publicité
Articles populaires
Démocrafika
51 %
Derniers commentaires
- Ombiasy : Indécrottable la Bequille _ Trolle en chef mais passons _ Il est trop tard (...)
- Yet another Rabe : Re-, Mea culpa, Pour ne pas m’ attirer l’ opprobre de la communauté (...)
- bekily : Le troll parle de quel « NOUS » par erreur ou usurpation ??? Il est Tai...gy (...)
- bekily : Question quand même ..... Le silence « assourdissant » de l’opposition vient (...)
- bekily : Vorona Avis entièrement partagé
Archives
Io seza be vata ao Iavoloha io no fenitra ho an’izay mbola tsy nitombona teo ary koa hoan’ireo izay efa teo nefa tsy mahafoy fa te hitombona indray.
Nisy ny mpanankarem-be izay nitombona teo amin’io seza be vata io ary dia hita fa nitombo avo arivo eny ny harenany. Nisy kosa ilay nahita fa tsy rariny ny nataon’io ilay nitombona teo amin’io seza be vata io dia nihetsika izy dia tafatombona teo koa nandritry ny 5 taona . Nahazo tsirony daholo izay nitombona teo amin’io seza be vata ao Iavoloha io ka isaky ny fifidiana izay hitombona eo dia tsy latsaky ny 30 no te hitombona eo koa. Dia raikitra ny fomba rehetra ahazoana mitombona eo. Opa, endrikendrika, fanaratsiana, fanambaniana...izany no maresaka izao satria amin’ny volana Novambra dia hifidy izay hitombona eo indray ny Gasy. Fitombenana 3 no hita fa misongadina amin’izao ora izao. Fitombenana 2 efa nitombona teo ka maniry mafy ny hitombona indray. Fitombenana 1 izay eo ambon"io seza be vata io aloha hatreto ary manantena fa hitohy izany.
Ka inona ary no tena antony mahamaika ny fitombenana maro hitombona amin’io seza be vata io ?
Hoy ny sasany hoe :« V 3 na voninahitra ,vola, ary vehivavy...ka raha vehivavy no voafidy hitombona izany dia V2 ihany ratsy hoe » lesbienne" angaha ilay kala voafidy.
Hoy ny sasany kosa hoe "Fitiavana ny vahoaka sy hampabdroso ny Tanindrazana...tsara be io fenitra io saingy indrisy fa mbola tsy teraka angamba ilay fitombenana mamofona an’zany dina izany ?! Mety koa anefa ny ilazana fa io fitombenana eo amin’izao fotoana izao io dia mety hahavita tsara be be kokoa raha homena 5 taona indray.
Hitohy...