Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 06h45
 

Répondre à un commentaire

12 février 2018 à 11:46 | lysnorine (#9752)

Re :
« le ministère des finances et du budget ..[avait] ordonné à ce que l’ARMP (?) livre des EXPLICATION CLAIRES à propos de ce rapport 2016 d’ici demain »

« les PRMP (Personnes responsables des marchés publics), les Ministères, Institutions et Etablissements publics travailleraient depuis hier, pour détecter les ÉVENTUELLES (!) erreurs de saisie dans les données en vue de redresser les données dans le site web de l’ARM ».
[« Marchés publics 2016, L’ARMP essaie de détecter les erreurs de saisie » http://www.madagascar-tribune.com/L-ARMP-essaie-des-detecter-les,23604.html]

Raha mbola nisy Direction du Contrôle financier ambany fahefan’ny prezidàn’ny Repoblika navela nanao ny asany ara-dalàna, ary torak’izany koa, navela niasa ara-dalàna ny Inspecteurs d’État, tahaka ny nandritra ny fitondran’Itpkl. Tsiranana, dia tsy ho afaka manao ny danin’ny kibony ny mpiandraikitra rehetra ny amin’ny « marchés ». [zahao lysnorine 9 février à 08:41, 08:50 , « Des milliards d’Ariary incompréhensible », http://www.madagascar-tribune.com/Des-milliards-d-Ariary,23597.html

Singaninay manokana eto ny hoe : « Doivent également être VISÉS PRÉALABLEMENT [par les délégués de la Direction du contrôle financier] AVANT SIGNATURE LES PROJETS DE MARCHÉS, DE CONTRATS et les CONVENTIONS ayant une incidence financière. »

Azo sokajiny telo ny TOMPON’ANTOKA amin’itony « FIETSENAN’ » ny Fanjakana itony dia :
- ny « teknisianina », MPANEFY ny « spécifications techniques » ;
- ny mpanao fanjakana hafa misahana ny fandinihana ny tokony HANEKENA na HANIIPAHANA izay « TOLOTRA » naroso ny mpandraharaha nekena andray anjara amin’ilay « appel d’offres », IZANY HOE : na TOLOTR’ASA mitanisa ny vola sy ny fotoana holaniana aminy mbany ny fomba fanatanterahana azy, sns. ; na TOLOM-BIDIN’ ny ENTAM-BAROTRA tadiavin’ny Fanjakana hovidina.
- Ny mpanamarina fa voahajan’ilay MPIVAROTRA tsara ny fepetra rehetra napetraka tao amin’ilay appel d’offres ka nekeny hotanterahana mialohan’ny fampandoavana ny volany.

Mazava ho azy fa ny ministera miandraikitra ny Volam-panjakana no tompon’antoka lehibe amin’izany raharaha izany. [Eto dia misy izao toe-javatra kely tamin’ny lasa, tianay hampahafantarina ny mpamaky ankehitriny, mba hafahany manombana ny zavatra fahitany ankehitriny oharina amin’ny lasa tsy hitany na tsy fantany : Nigagana mihitsy ny fahaizan’Itpkl. MIADANA Victor, nitantana io ministera io, nandritra ny 12 taona izany. Ary heverina mitory ny fahamarinany ny FASAHIRANANY ara-bola nony tsy teo amin’ny fitondrana intsony izy taorianan’ny 1972, hany ka mpanefohefo (fantatray), efa niara-ministra taminy ihany TALOHAN’ny fiverenan’ny FAHALEOVANTENA, no nanampy azy isam-bolana.]

- Ny MINISTRY ny Vola sy ny SEKRETERA JENERALY nandritry ny taona 2016, izany no VOALOHANY INDRINDRA amin’reo tompon’antoka ireo ;

- Manaraka ny mpanao fanjankana ambony mpiara-miasa aminy eo amin’ny fandraiketana ny FANOMEZAN-DALANA hamoahana ny Volam-bahoaka ;

- Farany, ny tompon’andraikitra ao amin’ny TRÉSOR (Rakim-bolam-panjakana) MPANDOA ny VOLAN’ ireo rehetra « nahazo ny Tsena » ,

Tsy azo inoana fa tsy MAHALALA tsara ny ANTSIPIRIANY REHETRA momba ny fandehan’ ireo « marchés » rehetra ireo izy ireo. Koa TSY MITOMBINA velively izany hoe mbola mila fanadihadiana hafa, fanampiny, ahafantarana ny maina, satria ireo manam-pahefana voatonona ireo dia AFAKA MAMALY AVY HATRANY ny amin’ny METY isiana FISALASALANA momba ny TAREHI-MARIKA sasany, sy MANITSY tsy misy hataka andro izay tokony hahitsy rehetra. Fanaovana safo siaka mampandry adrisa fotsiny mba tsy hampipongatra ny marina sy hamitahana ny vahoaka ny hoe :

« les PRMP (Personnes responsables des marchés publics), les Ministères, Institutions et Etablissements publics travailleraient depuis hier, pour détecter les ÉVENTUELLES (!) erreurs de saisie dans les données en vue de redresser les données dans le site web de l’ARM ».

(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS