Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 11h41
 

Répondre à un commentaire

8 février 2018 à 08:13 | lysnorine (#9752)

@ papangue 7 février à 17:38

« Andriamahazo no nitifitra » namono an’Itpkl. Ratsimandrava, hoy ny nosoratan’i Françoise-Raison Jourde.

Mahavaky vava tokoa ny fahasahian’ny sasany nitoroka an’Itpkl. jeneraly Gilles Andriamahazo hoe namono an’Itpkl. Ratsimandrava tao amin’ny biraony, tao amin’ny ministeran’ny Aty Tany tetsy Anosy. Tsara hovasavasaina ny antony. ! Misy zavatra sy loharanom-pahalalana vitsivitsy azonay antoka, ka tsy ahoanay loatra aloha izay tantara avy amin’ny mpikaroka vazaha, « mpahay tantara » na ny Malagasy forongony.

1) Tamin’ireny fanafihana ny GMP-ex-FRS tetsy Antanimora ireny, notarihan’Itpkl. jeneraly Andriamahazo ny Alarobia 12 Febroary, ampitson’ny namonoana an’Itpkl. Ratsimandrava, dia nisy nitifitra nikendry mihitsy hamono an’ Itpkl. jeneraly saingy voadifiny ilay bala. Inona no antony nokendrena azy ?

Tamin’io fotoana io ihany koa, dia nisy andiana miaramila notarihana manamboninahitra izay lasa manam-pahefana ambony tamin’ny fitondran’Ingahy Ratsiraka taty aoriana, nandeha namono nahafaty ny « commissaire de police » RANAIVOSON tetsy amin’ilay commissariat teo akaiky ny sampanan-dalana Route circulaire sy Lalana mankany Antanimora sy ny Oniversite. Inona no antony namonoana azy ?

Mbola androtrio ihany, antoandrotoandro, dia notifirana andia-na miaramila ka maty - tetsy akaiky ny Foiben-Taosarintany (FTM) , Route circulaire, Itpkl BORA Flavien izay vao tafavoaka mihitsy ny tranomaizina nigadrana azy noho ny hoe nandraisany anjara tamin’ny teti-kanonganana an’Itpkl jeneraly Ramanantsoa tamin’ny faran’ny Desambra 1975. Dia naely ny lainga hoe feno fiadiana tratra teny aminy kanefa lobaka kely fotsiny no teny an-kodiny ! Inona no antony namonoana azy ?

2) Na dia natsangan’ny « mpanongam-panjakana » nivory tao amin’ny « Catalane » (tobin’ny zandarimaria), ny alina taorian’ny namonoana an’Itpkl. Ratsimandrava, ho prezidàn’ny « Directoire militaire » aza Itpkl. jeneraly Andriamahazo, dia efa noferana mialoha ny fotoana hitondrany ka TSY MAINTSY HOSOLOANA, noho ny antony tsy mazava, amin’ny lalana fifidianana hataon’ny miaramila sy zandary mpikambana tao anatiny ihany. Ny komandà Soja avy amin’ny Zandarimaria, tarik’Itpkl Ratsimandrava izany, sy Ingahy Ratsiraka Didier no nifaninana.Vato sahala foana no azon’izy roa lahy, koa samy nihazakazaka nankany Frantsa, nikatsaka ny fanohanany, saingy, Ingahy Ratsiraka moa dia efa fantatra fa zanak’an-tranon’ny fianakaviana iray akaiky dia akaiky ny prezidà Giscard d’Estaing. I Jacques Foccart mpanolo-tsainan’ ny PM Chirac kosa no nohatonin’ny komandà Soja, ka azo antoka fa tsy hatakalon’i Frantsa an’Ingahy Ratsiraka. Na dia izany aza, mbola vato sahala ihany no azon’izy roa lahy mifaninana. Araka ny filazan’itony mpahitahita ny ankaromiafina itony (“insider” hoy rizareo mpiteny angilisy)- ary inoanay tokoa aloha - dia nisy « commando » nanao tifitra vary raraka ny fiarakodian’Itpkl. jeneraly Andriamahazo indray hariva tetsy amin’ny Hilton [Carlton ankehitriny]. Ny ampitson’io ihany dia nandrotsaka ny latsa-batony ho an’Ingahy Ratsiraka izy rehefa notambatambazana koa fa ekena ho karazana « Filoham-panjakana » izy ka hahazo ny tombon-tsoa manokana nomanina homena azy ireo rehefa tsy amperin’asa intsony. Farany, nanontany olona nifankahazo taminy sy ny fianakaviany sasany, fantatray tsara dia tsara, Itpkl jeneraly Andriamahazo hoe : « Ahoana re no hitsaran’ny tantara ahy ? Nety sa tsy nety ny nataoko ? ». Mazava ho azy fa tsy nety namaly ilay fanontaniana io olona io !

3) Nahafantatra olona mahitahita ihany koa izahay nanatrika mihitsy ny fitifirana tetsy Ambohijatovo. Araka ny fiheveranay dia tsy kisendrasendra mihitsy, araka ny filazany, no nandalovany teny, fa nahare feo angamba izy momba ny hoe zavatra vao nitranga teny Anosy, dia nihazakazaka nanamarina izany. Izany hoe, mari-pototra angamba ilay hoe tao amin’ny biraony no namonoana an’Itpkl Ratsimandrava. Voalaza teny amin’ny fitsarana koa fa niafina tao anatin’io birao io Itpkl RAMANANJATO Gabriel, ilay « tanalahy » tompon’ny gazety Basy Vava, tamin ’io fotoana io.

4) Ny marainan’io Talata 11 Febroary 1975, dia nisy mpiara miasa akaiky tamin’Itpkl. Ratsimandrava taloha tao amin’ny Aty Tany, nahazo vaovao (« renseignement ») azony antoka, fa misy tetika hamonoana azy ny androtr’io. Tsy nety nahazo an’Itpkl Ratsimandrava moa izy io ka nidododo nankany amin’ny tanana ankavanany tamin’io fotoana io, ny komandà Andriamaholison Richard, ministry ny Filazam-baovao. Tsy nety nahita ny komandà Andriamaholison koa anefa izy io . Noho izany, dia NAMETRAHANY HAFATRA AN-TSORATRA izy momba ilay « renseignement » azony vao maraina. Tsy fantatro, hoy izy, raha nahita an’io hafatra io ihany ny komandà Andriamaholison ka nampitainy tamin’Itpkl. Ratsimandrava, na tsia. Nahazo fanamarinana izy taty aoriana fa tao amin’ny biraony tokoa no novonona Itpkl. Ratsimandrava. Nosamborina sy notanana an-tranomaizina moa ny komandà Andriamaholison taty aoriana fa hoe saika hanongam-panjakana.

Ho fehin’ity resaka ity, dia misy manamboninahitra mbola velona, tokony ho tena mahalala tsara ny manodidina rehetra ny namonoana an’Itpkl. Ratsimandrava, saingy matahotra dia matahotra an’i Frantsa angamba izy ireo, araka ny fandinihanay azy, ka aleony mangina sy mamitsaka na manao teny tsy loa-body fotsiny handrebirebena ny sarambaben’ny olona. Tsy misy isalasalana fa tsy nisy izany nidiran’Itpkl. jeneraly Andriamahazo izany mihitsy ity famonoana ity. Nisy Vazaha moa nanontany ny mba hevitray momba ity famonoana ity, dia namaly azy mivantana izahay hoe :« ny fanjakana frantsay no tena tao ambadiny, hampakarana an’Ingahy Ratsiraka eo amin’ny fitondrana. »

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS