Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 15h58
 

Répondre à un commentaire

6 février 2018 à 19:17 | lysnorine (#9752)

@ Vohitra 6 février à 11:15

Miarahaba anao !

Hoy ianao : « Rehefa novinaky tsara ny tsangankevitra narovanao, dia tsapa fa mety ho mpikatroka nafana fo teo anivon’ny antoko pisodia angamba ianao fahiny. »

Diso tanteraka io « fitsapanao » io fa na oviana na oviana mbola tsy mpikambana tamina antoko pôlitika ny tenako, na mpanao pôlitika nirotsaka hofidina, na mpanohana ambadika antoko pôlitika sy ny mpitarika azy, na mpanenjika befahatany antoko pôlitika sy ny mpitarika azy, na koa mpikarama tamin’ny fanjakana malagasy na orinasam-panjakana malagasy. Tsy midika akory izany fa tsy nahafantatra mpanao fanjakana sy mpanao pôlitika Malagasy maromaro ihany ny tenako. Ary
tsy misy izany « tsangan-kevitra [arovako izany] » fa famelabelarana fotsiny ny zavatra fantatro AZOKO ANTOKA fa nisy.

Mpitazana fotsiny ety ivelan’ny sehatra fanaovana pôlitika teto Madagasikara ny tenako sy mpanadihady ny tantara pôlitikan’i Madagasikara, na talohan’ny faha-fanjanahan-tany, na nandritra ny fanjanahan-tany, na taorianany, ka zendana sy tankina ihany mahita matetika ny FANADISOANA azy, arak’izay kely mba hitako sy takatro, ka ohatry ny betsaka no manao « désinformation historique » fotsiny hamitahana ny taranaka ankehitriny izay tsy afa-kandalina loatra angaha.

Tsy afa-kilaza ny tenako hoe fanahy iniana izany fa misy ohatra kely iray atolotro anao ity avy amina mpikaroka anefa : Ny fehezan-teny voalohany vakina ao amin’ny fitarihan-tenin’ny « thèse » lasa boky nosoratan-dRandriamaro Jean-Roland « PADESM et luttes politiques à Madagascar » [Karthala, Paris,1997] dia maneho zava-tsy marina velively izay mitory avy hatrany fa misy fanodinana ny tantara kendren’ilay mpikaroka, izay tsy fantatray raha mba nasongadin’ny mpitantana ny fikarohany – Françoise Raison-Jourde - :

« Dans LA PLUPART des COLONIES françaises, la FIN de la seconde guerre mondiale COΪNCIDE avec le DÉVELOPPEMENT GÉNÉRALISÉ des ASPIRATIONS (?) à l’INDÉPENDANCE ». [Introduction p. 19].

Ny famakiana tsara ny ADY HEVITRA REHETRA tao amin’ny Antenimieram-pirenena hamboatra ny Lalàm-panorenana ny Repoblika Frantsay faha-4 - nandritra ny antsoina hoe 1ère Constituante (Desambra 1945-Aprily 1946) sy 2e Constituante (Jona-Septambra 1946) izany - dia mampiseho mazava tsara ny maha-lainga be vava ireo voasoratra ireo : Ny FITOVIAN-JO amin’ny « citoyens français » mihodi-potsy, sy ny fizakan’ny tompon-tany rehetra izany zo izany no notakin’ ny « colonies » frantsay eran’i Afrika [« assimilation »- « intégration »] fa tsy izany fahaleovantena izany.

I VIETNAM sy MADAGASIKARA irery ihany no zanatany frantsay nitaky fahaleovantena : Itpkl Ravoahangy sy Itpkl Raseta IRERY ihany no nijoro, nitaky fahaleovantena, fa taty aoriana vao mba niazakazaka « NIJAPY TRAIN » koa ny tarik’Itpkl pasitera Ravelojaona, satria kanosa tsy sahy niteny ny amin’izany fahaleovantena izany izy ireo nandritra ny fifidianana voalohany tamin’ny Ôktôbra-Nôvambra 1945. Torak’izany ihany koa , tsy nisy sahy niresaka izany famerenana ny fahaleovantena izany ny mpifaninana hafa REHETRA tamin’Itpkl Ravoahangy sy Itpkl Raseta. Ny amin’i Madagasikara moa dia FAMERENANA fotsiny ny sata-na Fanjakana mahaleo tena efa nananany talohan’ny nanjanahan’i Frantsa azy an-keriny no heviny.

Ohatra hafa indray, dia ny FANADISOANA etsy aloha ataon’ny zaza navelan’ny mpanjanantany frantsay na kiriolona hoe « voaheloka ho faty koa, hono, Itpkl. Rabemananjara Jacques, tahaka an’Itpkl. Ravoahangy sy Itpkl. Raseta », noho ny fikomiana napoaka tamin’ny 29 Martsa 1947. Voaheloka hanao asa anterivozona mandra-paha-faty Itpkl, Rabemananjara fa tsy voaheloka ho faty akory, ary miteny ho azy ny tsy nisian’ny mpanoratra amin’ny teny frantsay eto , na iray aza, mba nanitsy izany fahadisoana be vava izany.
(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS