Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 00h27
 

Répondre à un commentaire

5 février 2018 à 14:00 | valoha (#7124)

Mila fanovana mahery vaika malaky ny fanaova politika eto Gasikara ! Toa fijerena olona sy tombontsoan’olom-bitsy hatrany no hita taratra @ ny fanaovana politika eto ! Efa matotra ny mponina eto @ ny Nosy ! Be ny tsindry hazo lena, fanararaotana fanaparam-pahefana, FANDIKAN-DALANA, ny vahoaka maro an’isa tsy an’asa, ny sosialim-bahoaka mia mitotongana, ny fanabeazana - tsy misy tokontaniny ! Ny bado tsy mahay mamaky ny teny Malagasy dia mbola maro. Ny tsapa sy hita dia - tokony hisy ny ’lohabary an-dasy’ Faritra 22, hamaritra ny politikam-pirenena hitondrana ny Tany sy ny vahoaka ao aminy, hiaro ny sisin-taniny / ny hareny / ny vahoakany. Mba politika iraisan’ny vahoaka Malagasy hikajy sy hanandratra ny soatoavina Malagasy, fototra izay tokony hiara-hialana sy hiaingana ! Hifanapatapahana andro vitsy mba hijerena miaraka ny tombon-tsoa sy ny filana maika ho an’ny vahoaka izao sy izay paika lavitezaka ! Tsy hijerena olona tokana, na antoko tokana ; fa kosa, hijerena miaraka an’i Gasikara - Tany iombonana sy Firenena Malalan-tsika Malagasy. Avela ny ambo-po sy ny tombon-tsoa manokana. Samy mitsikaraka mitady loharanon-karena, mpandraharaha any ivelany(fratsay, rossiana, sinoa, amerikana, karana,...) mba hampisandratana ny sosialy / ny toe-karena / ny maha-olona ao anaty fitoniana sy fandriampahalemana tanteraka. Ampiana ny fitondrana ankehitriny, izay efa miroso amin’izany, fa tsy ho lany fotoana hanohitra lava. Be ny harena eto. Be ny olona afaka manatanteraka programa miaraka(ADN +NY FANAHY MAHA OLONA+HVM+TIM+AREMA+PSD+.... mba ho soa ho an’ny Tany sy ny Vahoaka ao aminy, mba ny vahoaka @ izay no hisitraka ny soa sy mamy @ ity tany ity ! Izany no POLITIKA HENDRY MALAGASY tokony hiaraha mijery sy mikaon-doha. Ny vahiny dia ho faly lalandava raha iady lava sy ifamono eto isika, zarany aza izarazara isika mba hitsifan-dreo mora ny harem-be adala tompo eto ! Koa, mila politika mitambatra, miara mikaon-doha sy mifanapatapaka mifototra @ ny maha-Malagasy, mijery ny tombon-tsoan’ny Magasy ny politika ahomby eto ! AZO ATAO SY HIARAHA-MIDINIKA(FARITRA 22) TSARA IZANY !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS