Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h19
 

Répondre à un commentaire

10 janvier 2018 à 08:36 | lysnorine (#9752)

@ plus qu’hier etc., 9 janvier à 09:27
« Lysnorine, votre thème est :
« Affaire 26 janvier
« A QUAND LE PROCÈS DE RAJOELINA ?
« Quel est le rapport avec vos différentes réponses ? »

Miala tsiny indrindra aloha raha toa ka amin’ny fitenin’ny tompon-tany Malagasy no hamaliako ny fanontanianao kanefa mety tsy maha-havananao loatra. Zava-dehibe loatra manko ity raharahan’ny 26 Janoary 2009 ity, ka ny tompon-tany Malagasy mpitsidika ity sehatra ity mety tsy havanana kosa amin’ny teny frantsay, hany ka mety ho diso ny handraisany ny fanazavana arosoko eto raha atao amin’ny teny frantsay daholo.

Rahoviana ny fitsarana an’Ingahy Rajoelina, hoy ny fanontaniana ?

Raha tsy nandray befahatany ny zavatra nosoratako ianao, dia ho nahita avy hatrany fa TSY NY TENAKO no tompon’io fanontaniana io, izany hoe tsy ventin-kevitra (« thème ») avy amiko ka narosoko manokana horesahina :

« copier-coller » - na antontan-dahatsoratra navoakan’izany « Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris » izany, tamin’ny 20 Janoary 2015, [https://mcmparis.wordpress.com/2015/01/20/charles-andrianasoavina-andry-rajoelina-verite-et-reconciliation-26-janvier-7-fevrier-2009-qui-a-fait-quoi/]
no nataoko, [5 janvier à 09:58 et 10:19, lysnorine, ao amin’ny http://www.madagascar-tribune.com/Les-accords-politiques-priment-sur,23530.html]

ka nahitana ireto loha hevitra sy andalan-tsoratra ireto izay tokony hanitikitika ny saina sy ny eritreritr’izay tompon-tany Malagasy rehetra mba miezaky ny hahafantatra ny fandehan’iny tantara iny :

- « Colonel Charles Andrianasoavina : Une CONFRONTATION avec Andry Rajoelina attendue »

- « [Le colonel a été] UN ACTEUR MAJEUR DU COUP D’ÉTAT de 2009 [...] le PRINCIPAL HOMME DE MAINS de l’équipe de la Haute Autorité de Transition [...] [et] CONNAÎT AINSI LES TENANTS ET ABOUTISSANTS des événements de 2009 » [...]

« Aujourd’hui, de retour au pays, il s’avère incontournable de CONFRONTER LE COLONEL avec son ancien protégé, Andry RAJOELINA . Depuis quelques années, Charles Andrianasoavina avait apporté des TÉMOIGNAGES ACCABLANTS POUR L’ ANCIEN PRÉSIDENT DE LA TRANSITION, témoignages , concernant notamment l’affaire du lundi noir du 26 janvier et à propos de la tuerie du 7 février devant le palais d’Ambohitsorohitra. » [...]

« Affaire 26 janvier-A QUAND LE PROCÈS DE RAJOELINA » [...]

« L’ANCIEN PRÉSIDENT DE LA TRANSITION A ÉTÉ LE PRINCIPAL MENEUR du mouvement de 2009. Il a été le PRINCIPAL LEADER DE LA JOURNÉE SANGLANTE DU LUNDI 26 JANVIER [...]

« les PLAINTES déposées au Tribunal relatives à cette affaire par l’association des victimes N’ONT PAS CONNU DE SUITE.

« Les PILLAGES et les VIOLENCES ont fait une CENTAINE DE MORTS à Antananarivo [...]

« Pour que les victimes ne soient pas réduites au STATUT DE SIMPLES SACRIFIÉS pour faire aboutir une CAUSE POLITIQUE, IL FAUT un PROCÈS » sur le “lundi noir” [...]

« Les proches des victimes attendent un PROCÈS NEUTRE à cet effet.

« Tout le monde SE RAPPELLE en tout cas, que c’est Andry RAJOELINA qui était le PRINCIPAL MENEUR DES MOUVEMENTS DE RUE dans la capitale à cette époque. Il se trouve donc au CENTRE des préoccupations des enquêteurs SI UNE ENQUÊTE A LIEU ».

Tokony hazava tsara angamba amin’ny fisian’ ireo «  » maromaro ireo fa tsy avy amiko ny ao anatiny !

Fehin-kevitra notsoahina avy tamin’ireo «  » ihany no avy amiko, dia ny hoe : “Tokony mba hisy koa izany, mialoha ny fifidianana prezidà, ny FAMOTORANA ara-dalàna an’Ingahy Rajoelina sy ny andraikiny tamin’ io Alatsinainy Mainty 26 Janoary 2009 io, nahafatesana olona 500”.

Noho izany, dia hevin-dravina ihany ny fanontanianao manaraka hoe :

Inona no fifandraisan’ny valin-teniko - izay tsy notanisainao mazava tsara hoe INONA AVY sy TAIZA AVY izany vakin-teniko izany, mba hafahako manome fahafaham-po anao, tahaka ny efa nataoko ihany :
[6 janvier à 08:26 et 08:37, lysnorine, http://www.madagascar-tribune.com/Les-accords-politiques-priment-sur,23530.html ;
8 janvier à 20:32, lysnorine, http://www.madagascar-tribune.com/6-morts-et-plus-de-63-000,23536.html]

Hevin-dravina satria tsy nisy fanokonan-dresaka avy amiko hoe rahoviana no hotsaraina Ingahy Rajoelina fa fehin-kevitra maneho ny faniriana ny mba hisian’ny FAMOTORANA azy ny amin’ny hoe : hatraiza no maha-lohasaha nitrangan’ny afo azy tamin’ny 26 Janoary ?

Anjaran’ny mpamaky tsirairay avy no mandinika na rariny sy hitsiny tokoa ny hanaovana izany famotorana izany na tsia.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS