Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 10h09
 

Répondre à un commentaire

8 janvier 2018 à 12:06 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Mirary fihononana feno ho an’ireo izay niharam-boina ka mana-manjo sy namoy havana tamin’ny fandalovan’ny andro ratsy teto amin’ny Firenena tamin’ny faran’ny herinandro nodiavina iny, mankahery sy mirary fahombiazana tanteraka ho an’ireo rehetra izay ao anatin’ny ady mafy vokatry ny faharavana fananana sy fahaverezan’ny fihariam-pianakaviana, ary mbola rakofan’ny tandindon’ny ahiahy sy tebiteby amin’ny fahaveloman’aina ankehitriny.

Ao anatin’ny fahoriana sy fahasahiranana lalina toy izao no hitarafana raha toa mbola mitoetra ihany ilay fifanomezan-tànana sy fifanontronana voinkava-mahatratra, ary indrindra ny toe-panahy mizara sy mitsinjo ary mitsimbina amim-pitiavana ireo lavo sy vesaran’ny jaly sy fahangidim-piainana eo amin’ny fiarahamonina.

Ny mampalahelo dia hita taratra fa efa ny fiarahamonina iray manontolo no toa hianjadian’ny fahasarotam-piainana ankehitriny, ao ny efa tena marefo sy osa ara-pivelomana nandritry ny fotoana maharitra, ao ny efa hatry ny ela no zara raha olo-miaina sy trotraka tanteraka vokatry ny tsy fisian’ny antànana intsony hoentina manarina fiainana, ao ny efa miandry fotsiny ny fotoana handehanana hamarana ny fandalovana teto amin’ny tany nomen’ny Razana holovaim-para mandimby ity.

Dia milamintsaina amin’izao mizana tsindrin’ila sy hetraketraka sinto-mahery ankarihary ny harena iombonana izao ve ianareo mpanapitrisa nanondrana andramena sy vatosoa sarobidy ireo, ka tsy hahatsiaro akory fa eo ampelatànanareo ny tokony mba hanavotana ny ain’ireo maro amin’ny mpiara-belona ?

Raha hiandry anareo hahatsiaro saina, mbola ho maro no ripaka eto sy ho levona amin’ny famoizampo, ho inona aminareo intsony moa izay hoe « fiarahamonina » sy « havan-tentezina » izany ?

Inona moa no azo atao fa eo aminareo daholo ny voninahitra sy fahefana ary Hery , ny mihonona no azo atao.

« Ny alahelo no itafian-damba tsy antonona ny tena »

« Toy ny tongotr’omby ahafahan-kodiny, ka hariharin-taolana sisa »

« Malahelo monina amoron-tsena, be sitrapo fa tsy ampy fanaovana »

Mankasitraka tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS