Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 18h24
 

Répondre à un commentaire

7 décembre 2017 à 12:05 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

« Ahoana no fomba entina hametrahana hiorim-paka eo amin’ny foto-pisainan’ny mpanao politika ny tandrohasina sy ny fanoherana ny kolikoly ? »

Efa lasa tarazo sy raiki-tampisaka eo amin’ny toetra sy fisainan’ny Malagasy tsy ankanavaka ny kolikoly sy ny hosoka isankarazany : ny fiarahamonina iray manontolo mihintsy ankehitriny no maneho sy manome aina ity fomba ratsy mamoafady ity, tsy hanavahana sokajin-taona na saranga na fari-pahalalana na finoana.

Ny fototra mampiroborobo sy mametraka azy ho fomba fanao mahazatra dia ny « fisian’ny tsy maty manota » eo anivon’ny tontolo politika sy fiaramamonina amin’ny ankapobeny.

Ny « tsy maty manota » dia ireo olona nahavanondoza nahavita heloka bevava amin’ny fanodinkodinana vola sy fahefampanjakana, maneho miharihary fanaovana fanitsahan-dalàna, ary misitraka izany ho amin’ny tombotsoany manokana, tsy misedra fitsarana na miatrika sazy na famonjana izy ireo amin’izany, vao mainka aza omemboninahitra sy hampitsorohana andraikitra sarobidy ary mazàna aza toa lasa ankatoavin’ny fiarahamonina.

Fa inona ary moa no mahatonga ny Malagasy ho lasa tia kolikoly sy hosoka ary sakaizam-pitaka toy izao ?

Ny fitsiriritana no miteraka ny fialonana, ary ny fialonana no mivoatra ho any amin’ny fikasandratsy hanao asa sy fihetsika mamoafady, tonga ho azy ny halatra sy hosoka ary fisandohana. Indraindray aza dia dokafana sy omenkaja mihintsy ireto nahavanondoza rehefa eny anivon’ny fiarahamonina, lazaina izy ireo fa manambitana, hambinina zava-manasatra, kinga sy maranitsaina ka mendrika ho alaintahaka.

Raha hofehezina dia ilay fiarahamonina mihintsy no efa diso taiza sy lazoin’ny fisainandratsy, difotra anaty fihatsarambelatsihy, vesaran’atambo.

Dia ilaina ny PNUD sy ny FFE ve ny fitaizana sy ny fanarenana ny fiarahamonina Malagasy ? dia ilaina famatsiambola vahiny ve ny famerenana indray fanabeazamboho ny taranaka sy famomezankasina ny soa mendrika hotoavina nolovaina tamin’ny razana sy ireo raiamandreny fahiny namolavola fianakaviana vanona ? tsia, tsia , tsia.

Foano ary ataovy fongana amin’ny ara-dalàna ireo tsy maty manota dia izay no fanombohana amin’ny fanitsiana. Tompomarika feno sy tanteraka amin’izany ny olompitsarana manan’andraikitra. Manaraka ho azy avy eo ny fitaizana isampianakaviana.

Ahoana tokoa moa no hahazoana mpitondra hendry ao anaty vahoaka ketraka arapisainana miaina amin’ny fiarahamonina tratry ny fahalovana ?

Mbola fahendrena nentin-drazana ny ohampitenenana toy ny :

« Tsy mangalatra manana adidy hoatra ny fangalabola »

« Mandihy miakanjo ny akanjo halatra, ka miara-mirebika amin-doza »

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS