Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 20h20
 

Répondre à un commentaire

13 octobre 2017 à 13:01 | valoha (#7124)

Toa ny valala an-karona isika Malagasy, ary tsy mahay mahazo fahefana fa manapatra noho ny fitiavan-tena diso toerana sy ny fifamaliana faty lava ! Lasa hadino ny resaka fampandrosoana ity Nosy Iombonana ity ! Lany andro fahatany ! Variana mifamely andro sy alina ka lasa taraiky ny fampandrosoana miaraka sy mirindra izay tokony hatrehana miaraka ! Ary tsy tokony ho filoha iray na tsangan’olona iray intsony no arahina sy mitarika na hanapaka ho @ izany, fa kosa ny solon-tenan’ny Faritra 22 miara-mikaon-doha toa ny mpirahalahy mian’ala(io indrindra no hilaina fifidianana fanitsiana ny Lalampanorenana vao vita ny Fifidianana ho filoha ho avy eo, fa tsy @ izao fotoana izao akory !). Tsy hampandroso ity Nosy ity velively io Lalampanorenana navelan’ny rafitry ny mpanjanaka teo aloha io(voaporofo izany mandrak’androany - mihisatra avokoa na ny politika atiny / ivelany / toe-karena / sosialy /...., ka mila fanitsiana tokoa ! Saingy, indrisy, fa tsy izao no fotoanan’izany ! She vita ny fifidianana ho filoha vao, dia avy dia haroso io hevitra io. Fampandrosoana miaraka sy mirindra, tsy mijery Faritra na Orin’asan’iza na iza, hanome asa ny madinika sy hamokatra hisy hahondrana mba hampitomboana ny kitapom-bolam-bahoaka hanaova lala / teteza / sekoly / hopitaly / tsena,....Toa izany ihany koa ny mahakasika ny harena misy eto, na ambany na ambony tany ! Rafitra sy Lalana hiarao ny harena mba hisitraka izany ny Tany sy Ny Vahoaka Malagasy ! Ampy izay ity fanamparam-pahefana diso toerana sy fahefana mivangongo @ olo araiky ity ! Voky ny sinoa ! Mandihy ny karana ! Evazaha lasa NibaIko antsika indray ny tsy hifidiana Filoham-Pokontany SY HANAPARIAHANA NY FAHEFANA IFOTONY REHEFA TSY NANEHO NY ’NI-NI...-ny’ ! Ny Gasikely - mihinana ny nemmany hatrany tsy misy mpiahy !!!! Izany ve no mpitondra mendrika, na dia n/mahavita raha vitsivitsy eto @ ny Tany sy e Firenena aza ?! Koa fanovana ny Lalampanorena(fanitsiana) + ny Rafitra mba hifanojo @ ny filan’ny Malagasy no mety, fa tsy fanakonana orin’asa Malagasy noho ny antony maro samy hafa tsy mazava !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS