Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 00h35
 

Répondre à un commentaire

10 octobre 2017 à 08:39 | lysnorine (#9752)

@ Isandra-9 octobre à 10:06

1° « Tant qu’à faire pourquoi pas un mandat 20 ans Msé le Président,...et rétroactive, là vous seriez sûr d’être au pouvoir 15 ans de plus,...! »

Tsy roapolo taona kosa angamba raha ny ambaratongam-pandrosoana misy antsika sy ny eo amin’ny lafiny EKÔNÔMIKA no dinihina - izany hoe : ny famolavolana sy ny fanatanterahana ary ny fanitsiana miandalana izay Planina na Tetik’Asa heverina fa hiteraka FIOVANA hita maso sy azo tsapain-tànana eo amin’ny fiainana andavan’andron’ny vahoaka be an’isa mitrongo vao homana - fa... ROA AMBIN’NY FOLO (12) no tokony mba ho antoniny araka ny hevitray. Mazava ho azy fa tsy mahazo milatsaka hofidina intsony izany prezidà niasa nandritra ny 12 taona izany ! Tsahivina fa :

- i Franklin D. ROOSEVELT, ilay prezidàn’i Etazonia isan’ny nahavita be indrindra ho an’ny tanindrazany dia saika naharitra enina ambin’ny folo taona (16) teo amin’ny fitondrana raha tsy nindaosin’ny fahafatesany izy tamin’ny 12 Aprily 1945, raha vao nanomboka volana vitsivitsy fotsiny izany ny fe-potoana nahavoafidy azy faninefany.

- Tokony ho naharitra 14 taona teo amin’ny fitondrana ny jeneraly de Gaulle raha nirotsaka hofidina ka lany tamin’ny Desambra 1965. Nametra-pialana moa izy tamin’ny 2009 noho ny fandresen’ny « TSIA » tamin’ny referendum nampanaoviny momba ny fanavaozana ny Lalàm-panorenana.

- Nitady hijanona 14 taona teo amin’ny fitondrana ny prezidàn’i Frantsa Valéry Giscard d’Estaing raha nirotsaka hofidina tamin’ny 1981 ka resin’i Mitterand.

- Naharitra 14 taona (1981-1995) kosa teo amin’ny fitondrana i François Mitterand prezidàn’i Frantsa.

- Ary i Jacques Chirac dia nitondra an’i Frantsa nandritra ny 12 taona (1995-2007).

- Ny lehiben’ny governemantan’i Alemanina - Angela Merckel- izay vao voafidy hitondra azy indray mandritra ny efa-taona dia efa teo amin’ny fitondrana nandritra ny 11 taona, izany hoe ho DIMY AMBIN’NY FOLO (15) taona izany no ho tontalin’ny naha-teo amin’ny fitondrana azy.

- Vladmir Putin prezidàn’i Rosia dia efa mahatratra 18 taona ankehitriny no tontalin’ny nitondran’ny Fanjakana sy ny governemanta ary dia heverina fa mbola hirotsaka hofidina prezidà indray handritra ny 6 taona izy amin’ny 2018.

Tsy asian-teny akory ny faharetan’ny fitondran’ ireo mpitondra Afrikanina eran’ny zanatanin’i Frantsa taloha nanao na manao jadom-panjakana . Ingahy Ratsiraka Didier teto amintsika dia naharitra 23 taona (1975-1993, 1997-2002).

Koa tsy dia tsy zavatra tsy fahita tsy akory izany hoe mpitondra fanjakana MIHOATRY ny 12 taona ny faharetany eo amin’ny fitondrana na any amin’ny tany mitonona ho anjakan’ny demôkrasia aza.

Iaraha-mahalala fa faran’izay goavana ny raharaha miandry izay prezidà tena vonona ny HANAKANA VOALOHANY INDRINDRA ny FANDROSON’NY FAHANTRAN’ny sarambaben’ny malagasy. Koa tsy tokony ho lany andro intsony amin’ny FIAHIANY ny fitazomana ny sezany izy fa afaka mifantoka tanteraka amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ny fampivelarana ny tokantranom-pirenena (Ekônômia) ny sainy raha maharitra 12 taona no fe-potoana hiasany ka TSY MAHAZO MIROTSAKA HOFIDINA INTSONY izy rehefa tapitra io fe-potoana io.

Ho setrin’izany kosa dia hohalavaina ho VALO TAONA (8) ny fe-potoana iasan’ny olom-boafidy mpitantan-draharaha amin’ny « zara-tany », sy ny depiote ary ny senatera.

« Mety mahasoa koa angamba ny maka tahaka ny fomban’i Etazonia sasany, hoy ihany izahay, dia tahaka ny hoe : fotoana voatondro mialoha, tsy miovaova no hanaovana ny fifidianana rehetra. Midika izany fa mijanona foana amin’ny toerany ny olom-boafidy mandra-paha-tapitry ny fe-potoana nifidianan’ny vahoaka azy. » [16 septembre à 09:33 | lysnorine ao amin’ny « Election présidentielle 2018-Tout le monde conscient des enjeux mis à part le régime », http://www.madagascar-tribune.com/Tout-le-monde-conscient-des-enjeux,23267.html]
(hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS