Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 23h34
 

Répondre à un commentaire

16 septembre 2017 à 08:27 | lysnorine (#9752)

@ rakoto-neutre 14 septembre à 13:07 | répond à LE VEILLEUR alias L’EVEILLEUR

« Beaucoup de nos députés ne savent pas bien lire et écrire le français [...] notre constitution a été rédigée en français. Et pour une retouche de cette constitution, bon nombre de gens ne connaissent même pas un seul article de celle-ci. On vote = OUI ou NON=, sans rien savoir la suite. Pauvre de nous, enfermés dans l’ignorance. »

Voalazan-drakoto-neutre tsara ny kilema be voalohany indrindra raiki-tampisaka amin’ny ny lalàm-panorenana teto amintsika dia ny fanoratana sy ny famolavolana azy MIALOHA amin’ny teny aman-tsaina frantsay, dia avy eo vao adika amin’ny teny malagasy, tsy mazava sy tsy fantatry ny sarambabem-bahoaka loatra izay heviny. Noho izany dia famitam-bahoaka be vava ny fiantsoana ny vahoaka mpifidy hankasitraka na hitsipaka mivantana lalàna fehizoron’ny Fanjakany, mirakitra andininy alikisa - 167 ny ao amin’ny ankehitriny - ary nampialohaina kabary lava be izay ...ambony vavahady ihany angamba no andraisan’ny valalabemandry azy ka tsy dia misy ilany azy loatra [“Savaranonando” na “Préambule” ; “Ny amin’ny feni-kevitra fototra” na “ Des principes fondamentaux” ; “Ny amin’ny fahalalahana sy ny amin’ny zo aman’andraikitry ny olom -pirenena” na “Des libertés, des droits et des devoirs des citoyens”]. Tsarovana fa ...72 no isan’ny andininy tamin’ny lalàm-panorenana ny Repoblika Malagasy tamin’ny 29 Aprily 1959 izay tamin’ny teny frantsay ary tsy nandalo referendum. Tsy midika velively akory izany rehetra izany fa tsy tokony tsy handray anjara mivantana amin’ny fanamboarana na fanitsiana ny Lalàm-panorenana ny Fanjakany ny vahoaka na amin’ny fomba fanatanterahana izany araka ny hovelabelarinay.

Maro ny kileman’ny lalàm-panorenana ankehitriny izay naroson’ny mpanongam-panjakana tamin’ny 17 martsa 2009 ho lanian’ny vahoaka tamin’ny referendum tamin’ny 17 nôvambra 2010. Koa sitraka sy telina ny tokony hanavaozana azy tanteraka na dia efa somary diso aoriana loatra aza amin’izao fotoana izao.

Nitentina 2,657,962 ny isan’ny mpifidy nankasitraka azy, izany hoe 37 %-n’ ny voasoratra ho mpifidy (7,151,223) na sahabo ho 34 isan-jaton’ny ny isan’ny mponina tamin’io taona io (20,846,615). Tsy diso izany no milaza fa TSY NANKASITRAKA ilay teti-dalàm-panorenana na ny fanaovana referendum ny vahoaka malagasy BE AN’ISA.

Manodidina ny tetika sy ny fomba hanovana na hanitsiana io lalàm-panorenana io, ka mba tena handraisan’ny vahoaka anjara amin’izany, dia REFERENDUM mangataka ALOHA ny FANKASITRAHANY ny HANAMBOARANA azy no tokony hatao voalohany indrindra. Dia hambara aminy tsara MIALOHA ny fitsipi-pitondrana ny fanavaozana tetehina, ka hotanisaina aminy MIALOHA izany ny VOTOATIN’ny zavatra kasaina hovàna sy hazavaina aminy amin’ny teny tsotra sy fohifoy ny antony. Raha tsy sitrany moa dia mifarana hatreo ny tantara ! Fa raha sitrany kosa dia miroso AVY HATRANY amin’ny dingana manaraka, dia ny FIFIDIANANA ANTENIMIERAM-PIRENENA VAOVAO handavorary sy handany era ireo fanavaozana ireo, ary dia tsy misy ilàna referendum intsony aorian’izany.

Mazava ho azy, fa hizara roa amin’ny ankapobeny ny mpirotsaka hofidina depiote, dia ny MPOMBA ny fanavaozana ka nanao na nampanao « Eny » tamin’ny referendum, etsy an-daniny, ary ny MPITSIPAKA azy, ka nanao na nampanao « Tsia » etsy an-kilany. Koa tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy eto ny fanovana ny FOMBA HIFIDIANANA ireo depiote ireo mba hahafongana ny mpanao sotrobe lava tango mbetika manohana ny governemanta mbetika manohitra azy arakaraka ny hoe tambim-bola aman-karena omena azy, hono, hany ka tsy afa-manao ny asany ara-dalàna intsony ny governemanta fa lany andro manambitamby azy ireo, mitady « marimaritra iraisana » poaka aty. Ny fomba-fifidianana solombavam-bahoaka hisorohana izany mialoha dia ny fampifaninana LISITRA mirakitra anarana kandidà maromaro, tsy azo ovaovana, isaky ny « FARITRA 22 » izay atao « fari-pidianana » ny solombavam-bahoaka izany, ka TOKANA ihany ny FIHODINANA , dia izay LISITRA nahazo latsa-bato be indrindra no avy hatrany dia lany, na firy na firy no mpifidy nandray anjara tamin’ny fifidianana. Izany hoe miara-lany daholo ny ao anaty lisitra. « Scrutin de liste majoritaire simple à un tour, sans panachage ni vote préférentiel » no fiantson’i Frantsa izany fomba fifidianana izany. Tsarovana fa nampiharina foana teto Madagasikara io « scrutin de liste majoritaire » io hifidianana ny depiote nandritra ny fitondran’Itpk Tsiranana afa-tsy teto Antananarivo Renivohitra. Arakaraka ny isan’ny mponina ao amin’ny « faritra iray » izany no isan’ny depiote anaty lisitra hofidiny. Ohatra raha heverina fa, ara-keviny, dia tokony hanana depiote iray ny mponina miisa 100,000 dia tahatahaka izao no mety ho isan’ny depiote anjaran’ny « faritra » vitsy mponina indrindra :
Melaky : 3 (248, 600)
Ihorombe : 3 (268, 000)
Betsiboka : 3 (335,000)
Bongolava : 4 (462,600)
Menabe : 5 (553,600)

Ny amin’ny « faritra » tsy dia vitsy mponina loatra, ohatra :
Diana : 6 (688,200)
Boeny : 7 (769,500 )

Ny amin’ny « faritra » azo atao hoe « be » mponina, ohatra :
Sava : 11 (1,140,800)
Sofia : 13 (1,332,700)
Atsimo Andrefana : 14 (1,442,800)
Atsinanana : 15 (1,582,400)
Haute Matsiatra : 16 (1,599,200)

Ary ny any amin’ny « faritra » be mponina indrindra :
Vakinankaratra : 23 (2,252,100)
Analamanga : 40 (3,982,700)

(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS