Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 23h50
 

Répondre à un commentaire

9 août 2017 à 11:25 | Eloim (#8244)

Tsy tsara amintsika malagasy angamba ny manenji-dresy. Iaraha-mahalala reheteo efa an-taonany maro lasa izay ny fisaratsarahan’ny fianakaviana Ramarosaona, izay isan’ny nanana ny lazany tamin’ny tany ama-monina tao an-drenivohitra tao nandritra ny faraparan’ny taona nanjanahana an’i Madagasikara sy ny nandritra ny Repoblika Voalohany.
I Alain ramarosaona dia tsy zoviana amin’ny be sy ny maro ny tantarany teo amin’ny sehatra politika indrindra ny fihetsiketsehana mafampana teto amin’ny firenena, fa teo foana izy raha misy ny korontana tao an-drenivohitra tao (1991, 2001, 2009, 2013). Ny toetra mampiavaka azy tamin’ireny fihetsiketsehana ireny ary nahazoany toerana ambony hatrany tamin’ny fitondrana dia ny fanararaotam-pahefana. Hany ka tsy maharitra amin’izay mpiara-mitondra aminy izy.
Asa na izay toetrany izay koa no nahatonga azy ho voasaringotra amin’ny raharaham-pitsarana ifanaovany amin’ny fianakaviany toy izao. Izy izay mihevi-tena fa afaka mihodivitra hatrany amin’izay rehetra mahasaringotra azy.
Io raharaha adin-tany io tena tena mampiteny ny moana eto Madagasikara, indrindra eo amin’ny samy mpiray tanindrazana. Ny mahagaga indrindra dia tsy mba mahakasika firy ireo vahiny midy tany velarany maro io adin-tany io na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana no nahazoan’izy ireny izany velaran-tany izany. Asa noho ny sanda ambony tombana amin’ny kolikoly ve ? sa tahotra satria heverina fa ireny vahiny ireny matoa afaka mividy tany be velarana tahaka izany dia misy mpiaro hatrany any an-tampon’ny fitondrana. Raha io ary no raisina dia toa vela-pandrika politika no nahavoa an’Ingahy Alain Ramaroson, satria toa nafana rà tamin’ny fanenjehana ny mpitondra i Ngahy io.
Eto Bira ohatra dia misy ireo karana matretre mividy tany tsy taka-basy ary maro amin’ireo gasy kely tsy afa-mihetsika satria matahotra ny ifoteran’ireo mpanam-bola ireo izay ahavidy mihitsy ny feon’ny fieritreretan’ny mpitsara. Jereo ireo velaran-tany midadasika lasan’ny orinasa-na karana iray (Ankadimbahoaka, Ankorondrano, Nanisana, ...) asa re (?) amin’ny vidiny ohatrinona e ? Heniheny avokoa izy ireny ary tsy maintsy hototofana raha tiana hohajariana hanorenana foto-drafitr’asa. Etsy ange e ! Ho mora amin’izy ireo ny hahazo alalana hanototra tany na dia efa noraràna aza ny fanaovana izany, satria misy hatrany ny mpanohana sy mpiaro azy ireo ao an-tampony ao. Dia ’lay gasy kely hatrany no manefa sazy an-taonany any amim-ponja. Maro ny tranga tahaka itony mahazo an’Igahy ity fa izy irery aloha izao no manefa sazy henjana. Akory atao rehefa mifangaro vorika ny fiainana, fiainam-pianakaviana sy ny politika ?
Ny hamaranako azy dia fotaky ny KOLIKOLY no hilomanosana ao amin’io adin-tany io : eo amin’ny sampandraharaha momba ny fananan-tany aloha izay vao ao amin’ny fitsarana. Ny nahataraiky an’Ingahy rainy dia mazana ady madio hatrany izy io kanefa kosa ny nahavoasaringotra azy dia ady heloka vokatry ny HOSOKA (??).

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS