Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Répondre à un commentaire

8 août 2017 à 11:28 | Eloim (#8244)

Raha mbola tsy misy ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana dia tsy hisy akory izany fanjakana tan-dalàna izany. Ary raha tsy misy ny fanjakana tan-dalàna dia toa nofinofy ihany sady tsy hisy ny fanjakana tsara tantana.
Ny antony voalohany tsy hisian’ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana dia ny fitsabahan’ny olom-panjakana ambony amin’ny raharaham-pitsarana izay mahasaringotra azy ireo na ny namana akaiky an’ireo olom-panjakana ireo (Fiadidian’ny Repoblika, Minisitra, olom-boafidy isan-tokony, ...). Izany dia mba hanadiovan-tena eo imason’ny vahoaka tsy mandady harona.
Ny antony faharoa dia ny kolikoly izay midika fa fitsarana hoan’ny manam-bola ny fitsarana hany ka voavidy vola avokoa izay rehetra atao amin’ny raharaham-pitsarana eny fa na dia ny feon’ny fieritreretan’ny mpitsara aza. Nandova fahalovana tanteraka ny fitsarana satria na dia amin’ny fidirana ho mpianatra mpitsara aza dia tena anjakan’ny kolikoly tokoa. Hany ka manonitra ny lany rehetra ve dia miditra an-tsehatra mivarotr’aina ireo mpitsara rehefa am-perin’asa ?
Eo ihany koa ny fisian’ny fanelanelanana amin’ny raharaham-pitsarana, izay mifamatotra amin’ny antony voalohany sy ny faharoa ataon’ireo mpanao politika hamotehana ny tsy mitovy hevitra aminy. Io dia mahazo laka eo amin’ny mpanao politika akaiky ny fitondrana am-perin’asa.
Ankoatra ireo dia miseho lany koa ny tany tsy tan-dalàna amin’ny alalan’ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana izay mitovy lanja amin’ny lalàna velona rehetra.
Eo koa ny fampitarazohana ny raharaham-pitsarana mba hanjavonany tanteraka eo amin’ny seha-pitsarana, izay mazana antony ara-politika na fanapahan-kevitra politika no hahatongavana amin’izany.
Koa isika malagasy iray manontolo ary ny fefika ao anatin’izany tsy fisian’ny fanjakana tsara-tantana sy fanjakana tan-dalàna izany satria na dia ireo fifanarahana irasam-pirenena maro nifanaovan’ny fanjakana sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena dia very an-javony avokoa, indrindra moa ny famatsiam-bola satria tsy misy ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta.
Dia lasa fanjakana tsy mahefa sy tsy mahatanteraka ny fampanantenana tamin’ny fampielezan-kevitra nandresen-dahatra ny mpifidy no misy, izay tsy tokony hanana ny anjara-toerany eo amin’ny fitantanam-panjakana malagasy akory satria hiteraka fampahantrana vahoaka hatrany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS