Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 03h14
 

Répondre à un commentaire

18 juillet 2017 à 22:13 | lysnorine (#9752)

18 juillet à 10:43 | Behantra
@Behantra, 18 juillet à 10:43

1° « Iza izany ’une partie de la délégation’ nakany Chine izany ry Lys ? »-

Tsy notanisain’ny « L’express » iza avy izy ireo « partie de la délégation » ireo, na oviana marina no nankany Sinina (?), na inona no voatin’izany « accord financier » nifanarahana izany.

2° « Ingahy Gervais moa izany tsy niteny ny antony io ’démission’ »

Nohazavainy tsara tamin’ny mpanao gazety fa ny fifanatonana amin’ny SININA no ANTONY VOALOHANY indrindra hialany amin’ny governemanta

« Ministre Gervais Rakotoarimanana : Les raisons de sa démission »
http://www.moov.mg/actualiteNationale.php?articleId=938355
« (17-07-2017) - Le ministre des finances et du Budget Gervais Rakotoarimanana a tenu une conférence de presse ce jour à Anosy pour annoncer officiellement sa démission du gouvernement.[...]

« En avançant dans ses explications, Gervais Rakotoarimanana a avoué comme PREMIÈRE RAISON de sa démission son DÉSACCORD concernant la proximité et la RELATION étroite de Madagascar avec la CHINE .[...] »

3° « sao dia mba rediredy ilay ’resaka’ Zafy ?? »

Tsahivina fa i Frantsa sy ny Frantsay direketeran’ny FMI tamin’izany fotoana izany Richard CAMDESSUS no nampirodana ny prôfesôra Zafy (empêchement) tamin’ny lalàn’ny « Andriny faha-dimy ». Tsy zakan-dry zareo ity nobantibantin’ ny voakarama sy ny tsy ampy fahaizana momba ny fisamboram-bola eran-tany ivelan’ny « fikambanam-panjakana » hoe « FINANCEMENT PARALLÈLE » ka nokatsahan’ny prôfesôra ity mba hialana amin’ny pôlitika jadona mamohetra noteren’ny FMI sy ny Banky Mondialy ampiharina eto. Hita tsara ny voka-dratsiny mandrak’ankehitriny kanefa dia tsy miala amin’io lalan-kita-kisoa ny governemanta nisesy teto sy ny « experts »-ny. Mitovitovy amin’ny tamin’ny nanjeran’ny Frantsay ny prôfesôra Zafy ny toe-draharaha ankehitriny, dia ny fanabeazam-boho ny pôlitika fifandraisana amin’i SININA. Koa ara-dalàna - lôjika - raha manohana io pôlitika io ny prôfesôra Zafy sy ny mpomba azy. Etsy an-daniny, dia miharihary ohatry ny masoandro mitatao vovonana koa fa harotsaka ho « Macron Malagasy » Ingahy Rakotoarimanana Gervais matoa nampirisihana hiala amin’ny governemanta. Ary manao ariary zato am-pandriana Ingahy prezidà sy Ingahy Ravalomanana raha mihevitra fa hanohana azy ny Frantsay. Hotoheriny tahaka ny nanoherany ny prôfesôra Zafy tamin’ny 1995-1996 ihany izy roa lahy.

4° « Sahala amin’io lazainao io hoe : ny PRM dia ny kandidà tsy lany !!! » Tsy hitako izay manambara izany amin’ny zavatra nosoratako :
« Koa araka ny kabary mahazatra ny mpilalao pôlitika - mpifori-drambo amin’i Frantsa sy ny « communauté internationale » namany, izay tsy tafita mandrakariva amin’ny fifidianana, dia atsangana indray ny governemantan’ny « fiombonana » sy ny « mamaritra iraisana »...hanomana ny fifidianana ho prezidà. »
Ny mpilalao pôlitika « izay tsy tafita mandrakariva amin’ny fifidianana » no tena may volon-tratra amin’ny fananganana governemanta (fiombonana-fihavanana, ahitana mamaritra iraisana, teteza-mita, sns., sns.) hitantana ny fifidianana ho prezidà ka ny fikatsahana toerana ao anatiny no laharam-pahamehan’izy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS