Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Répondre à un commentaire

17 juillet 2017 à 20:56 | lysnorine (#9752)

Tsy misy tokony hahagaga loatra ity fihetsiketsehana farany ity, dia ny fialan’Ingahy Rakotoarimanana Gervais tsy ho ministry ny Vola intsony . Indro averinay eto ny efa voalazanay teto momba ny fampandrosoana ny hoe « révolution colorée » eto Madagasikara tato ho ato, araka ny « tekinika » nampiasaina tany amin’ny tany sy fanjakana afovoan’ny tany be Azia, mpikambana tamin’ny Firaisana sôvietika fahizay izany, tany Ukraine koa, sns...ary .teto Madagasikara tamin’ny 2009 ».

1°- « Affaire Claudine Razaimamonjy-Enregistrement sonore accablant ; 3 juillet à 18:02 | lysnorine (#9752) répond à walesa , http://www.madagascar-tribune.com/Enregistrement-sonore-accablant,23095.html#comment342406
« Affaire très, très inquietante » [tohiny].
« En effet, Il est clair que la « cinquième colonne » franco-malagasy, à la suite des diverses grèves et de leurs reprises, a ENCLENCHÉ LA VITESSE SUPÉRIEURE pour faire tomber le président actuel ET SON GOUVERNEMENT afin d’assurer l’avènement d’un « Macron » version malagasy.-

2°- « Manamafy ireo ahiahinay ireo ity fivadihan’ny jeneraly Ravelonarivo, préfet de police ity, ka manakana tampoka ny TIM tsy hankalaza ny faha-15 taonan’ny niorenany.[...] Fa ny azo heverina ho MARI-POTOTRA kokoa dia NAHAZO BAIKO AVY AMIN’NY FRANTSAY Ingahy préfet de police mba HAMANDRIKA ny prezidàn’i Madagasikara sy ny PM etsy an-daniny, ary ny prezidà teo aloha, Ingahy Marc Ravalomanana etsy an-kilany, araka planina fanonzongozonana [déstabilisation] ny fitondrana ankehitriny MBA HAMPIANJERA an’Ingahy Rajaonarimampianina sy ny PM ALOHAN’NY FIFIDIANANA amin’ny herin-taona.

« Miharihary toy ny kary ampamoloana fa : Ny antony kendrena amin’io fandrarana io, dia ny hamoronana FIHAIKANA miteraka HOTAKOTAKA sy RÀ MANDRIAKA , ny handranitana ny mpomba an’ingahy Ravalomanana sy hampirisihana azy hidina eny an-dalambe [tsy maintsy misy efa ho voakarama mialoha ao anatin’ny TIM hanentana ny amin’izany !] mba hampifandona azy amin’ny herim-pamoretana izay efa ho nomena baiko miafina mialoha.[...]
[7 juillet à 17:56 | lysnorine (#9752) répond à Ibalitakely ao amin’ny « Le HVM panique devant un zumba collectif », http://www.madagascar-tribune.com/Un-simple-zumba-collectif-fait,23100.html#comment342737] -

(17 jolay : TSY NAHOMBY ALOHA IO TETIKA IO ! fa notohiazana hatrany foana kosa ny « ady » araka ny lohateny fahita amin’ny gazety :

« Les magistrats de nouveau en grève pour sept jours » ;
« Bras de fer SMM-gouvernement : Le gouvernement, ouvert au dialogue » ;
« Mouvement pour la liberté d’expression - L’émission “Rendez-vous”parodiée, http://www.laverite.mg/politique/item/4075-mouvement-pour-la-libert%C3%A9-d%E2%80%99expression-l%E2%80%99%C3%A9mission-%C2%AB-rendez-vous-%C2%BB-parodi%C3%A9e.html ;
« Ministère des Finances et du Budget : Une autre grève se préparerait », http://matv.mg/ministere-des-finances-et-du-budget-une-autre-greve-se-preparerait/#more-94403 . sns., sns.)

3° - Ny fanohizana ny fivelezana amponga sy fampielezana TSAHO, tsy an-kijanona fa : Takìn’ ny mpiara-dia amin’Ingahy prezidà , izay tsy lazaina loatra na iza avy na iza avy marina izy ireo, ny fialan’ny PM sady ministry ny Atitany- Mahafaly Solonandrasana - izay tena MANELINGELINA AMIN’NY FANOMANANA NY FIFIDIANANA amin’ny 2018. Koa araka ny kabary mahazatra ny mpilalao pôlitika - mpifori-drambo amin’i Frantsa sy ny « communauté internationale » namany, izay tsy tafita mandrakariva amin’ny fifidianana, dia atsangana indray ny governemantan’ny « fiombonana » sy ny « mamaritra iraisana »...hanomana ny fifidianana ho prezidà. Tafita moramora sy soa aman-tsara amin’izay, tsy ilàna « investissement » be loatra, izay « Macron Malagasy » efa tefitefena any ho any, indrindra moa fa Ingahy Rakotomanana Honoré, prezidàn’ny Senat ankehitriny, andrim-be fiankinan’ ny tombon-tsoan’i Frantsa eto Madagasikara hatrizay hatrizay, no mety ho Filohan’ny Repoblika mandra-pivoaka ny voka-pifidianana. rehefa milatsaka ny prezidà Rajaonarimampianina, araka ny fiheverana ny tokony ho izy.

(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS