Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 10h57
 

Répondre à un commentaire

13 juillet 2017 à 11:28 | Eloim (#8244)

Tena zava-doza eo amin’ny firenena tokoa ny fahitana fa ny mpitandro ny filaminana indray no tonga mpampihorohoro ny vahoaka. Izy ireo natao ho « hitsikitsika hivavahana indray no nipaoka akoho kely ». Hany ka very ny fitokisan’ny vahoaka azy ireo.
Toraka izany koa ny fitontongan’ny seha-pitsarana izay anjakan’ny kolikoly sy ny fitsabahan’ny fanjakana. Lasa fitsarana ho an’ny mpanam-bola sy ny manampahefana izay mifanohitra tanteraka amin’ny maha-izy azy ny fitsarana.
Ireo antokon’asa roa ireo no taratra hita maso hisehoan’ny fahefam-panjakana eo anoloan’ny vahoaka, miantoka ny ainy sy ny fananany ary ny firindram-piainany. Ireo tranga ireo ary no mahatonga ny vahoaka hanao fitsaram-bahoaka satria miharihary hatrany ny fitanilan’ny fitadiavana ny marina eo amin’ny fiainany.
Ny tena mahamenantra di any fahitana ny fanjakana foibe tsy miraika akory amin’ny manjo ny vahoaka na dia hanetsika kely akory ny fanadihadiana mikasika ny raharaha mafampana sasany aza. Toa very anjavony hatrany ireny hany ka “very fanahy mbola velona” izy ireo noho ny tsy fahitana izay iantorahana sy ianteherana.
Tsara tokoa ny tatitra tahaka itony nefa tsy ampy sady tsy mahavaha-olana ny manjo ny vahoaka satria tsy misy fanitsiana antenaina mety ho azo amin’ny be marenina ataon’ny mpitondra. Akory atao ? “Atody miady amim-bato” !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS