Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h29
 

Répondre à un commentaire

19 mai 2017 à 19:14 | lysnorine (#9752)

Vaha olana ho an-dRatoa ambasadaoron’i Frantsa sy fanehoan-kevitra mikasika ireto andalan-teny ireto

[A] « Véronique Vouland Aneini a publiquement fait part ce 18 mai des préoccupations sécuritaires des ressortissants français et des impacts nuisibles de tels rapts dont ils sont victimes. »

- Tsotra fotsiny

1) AMPODIO na amporisiho hody any Frantsa na La Réunion tanindrazany ireo Frantsay ireo, na lany mofo na tsy lany mofo. Tsy tanindrazany akory i Madagasikara koa tsy misy tokony hijanonany ao.

Tsy misy ilan’ny SARAMBABEN’ny vahoaka malagasy azy rahateo rehefa banjinina izay mba fampandrosoana nateraky ny fihazany vola aman-karena teto Madagasikara fa vao mainka aza ny FAHANTRANY na ara-nofo, na ara-tsaina, na ara-panahy, no TSY-NITSAHATRA NITOMBO andro aman’alina.

Tsy azo odian-tsy hita fa nanana anjara sy andraikitra LEHIBE DIA LEHIBE tamin’izany FAMPAHANTRANA ny sarambabem-bahoaka izany ny TOMPON-TANY SARIBAKOLINY ( ny Vazaha mainty !) napetraka na nampakarin’i Frantsa teo amin’ny fitondrana sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana eo amin’ny lafiny vola aman-toe-karena.

AOTRA tahaka izany ihany koa izay mba hoe vokatry ny FIARAHA-MIASA MANOKANA (« Coopération ») tamin’i Frantsa nandritra ny 57 taona, hatramin’ny 1960 no ho mankaty. Tsy asian-teny ny TSI-FAMPANDROSOANA ny Malagasy nandritra ny 64 taona nanjanahan’i Frantsa an’i Madagasikara. Vavolombelona velona mampiharihary an’izany ny NAHA-VOATERY ny fitondran’Itpk Tsiranana NANOFANA HAINGANA DIA HAINGANA tompon-tany malagasy TSY TAMBO ISAINA - tany Frantsa !- teo amin’ny LAFIN-DRAHARAHA REHETRA nandritra ny taona voalohany nanaraka ny fiverenan’ny fahaleovantena (1960-1964), ary dia mbola nitohy ihany taty aoriana.

2) TAPAHO izay hoe « FANAMPIANA » (!) rehetra fomen’i Frantsa an’i Madagasikara.
Atombohy haingana amin’ny « fanampiana » ny HERIM-PAMORETANA sy ny Tafika Malagasy izany. Ary ajanony izay hoe « asa fiantrana » rehetra fanaon’ny ONG frantsay eto Madagasikara.

3) Aza omena visa na hamafiso dia hamafiso ihany ny fanomezana visa ny Malagasy ta-ho any Frantsa na La Réunion.

4) Fero dia fero ny FIFANDRAISANA REHETRA amin’i Madagasikara amin-lafin-javatra aman-draharaha rehetra.

[B] « Elle a annoncé que des MESURES CONVENUES (?) avec le président de la République vont être mises en œuvre tout en évoquant les menaces et conséquences néfastes de tels rapts répétés sur l’IMAGE du pays

Tsy anjaranao ambasadaoro vahiny no MAMPANAPA-KEVITRA ny mpitondra fanjakana amin’ny toerana iasanao raha tsy hoe OMPIKELINAO angaha ny mpitondra hoe lanim-bahoaka amin’io tany io !

Ahoana re raha misy ambasadaoro vahiny ao Paris manosika ny prezidàn’i Frantsa vaovao hitady vaha olana amin’ny fampielezam-baovao tahaka izao manaraka izao, fa sao maharatsy tarehy an’i Frantsa eo imason’ny firenen-kafa (« image du pays) ?

« France. Bientôt un ménage à 3 au Palais de l’Élysée … ? » http://numidia-liberum.blogspot.ca/2017/05/france-bientot-un-couple-3-au-palais-de.html

[C] Cette image est ternie sinon détruite mais surtout que les investisseurs français risquent de revoir leurs décisions en raison de cette insécurité physique sur les hommes d’affaires et leurs proches.

Amporisiho handeha any amin’ny TANY HAFA NOHO I MADAGASIKARA ny « investisseurs français » (na mpihaza tombom-barotra sy tombon-karena) sy ny mpizaha-tany (touristes). Sakano dia sakano ny fandehanan’izy ireo mankaty Madagasikara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS