Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 13h55
 

Répondre à un commentaire

19 mai 2017 à 08:16 | lysnorine (#9752)

@ spliff, 18 mai à 14:24

« lysnorine dont les méthodes qui consistent à invariablement proposer une PERSPECTIVE HISTORIQUE aux choses me semblent correctes [...] »

Hoy ny hafatry ny ombiasy anankiray tamin’ny zanany :

« Ny tantara raha vakina miandalana sy amin’ny fitandremana, dia mahasoa sy manome hevitra mahatoky amin’izay mety hatao amin’ny fitondram-bahoaka. [...] eritrereto ny niandohan’ny zavatra rehetra izay lazain’ny tantara [...]. Ny olona sy ny zavatra dia mifampisolo ihany, fa NY FOMBA SY FANAON’OLOMBELONA TSY MIOVA ; izay mahalala marimarina ny TANTARAN’ny taranaka TEO ALOHA dia MAHALALA ny toetry ny ANKEHITRINY sy ny HO AVY. »
« Tantara sy fomban-drazana »-Nangonina sy nalaha-dRainandriamampandry, Madprint, Tananarive, 1972, pp. 18, 19.

Ary hoy koa i Mahefamana Mosa, Katibo Anakara, Vatomasina-Vohipeno Matitànana, ao amin’ny teny mialoha amin’ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe :
« Ali-Tawarath sy Madagasikara 1495-1548- Daty malaza Anakara », Imp. Tatsinanana, 1977, p.5.

« Ny tiako holazaina mialoha dia izao : ny olona izay tsy manana ny tantaran’ny fireneny sy TSY MAHALALA NY AZY, dia maizina am-pototry ny mazava, sahala amin’ny LAHIN-JIRO MPANARAKA AMBOKONY FOTSINY sy MPANARA-DONDONA toy ny ZANAK’OMBY TSY VAKY MASO ka dia azo lazaina fa MAIVANA eo amin’ny fiainany sy eo anatrehan’ny fireneny izy. »

Koa anjaran’ny tsirairay avy no manatsoaka izay lesona tiany horaisina avy amin’ny fahafantarany tsara ny tantara sy mampihatra azy amin’ny famoasany toe-draharaha na toa inona na toa inona mialohan’ny andraisany fanapahan-kevitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS