Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h59
 

Répondre à un commentaire

16 mai 2017 à 13:33 | TSIKOZA (#7624)

Fa rahoviana hono io Ramatoa io no tsy hanohitra e ? Hatramin’ny vadiny aza mety toheriny tahaka izao koa ! Resaka tsy fahafaliana nohon’ny faharesena tamin’ny fifidianana anie io e ! ary tsy hitsahatra hanaratsy foana izy. Raha mitombona moa ilay vidin’ireo fiara ireo ka tokony ho zakan’ny kaominina, inona no olana ? Tsy aleo ve mividy fiara efa eo ka mba moramora vidy nefa mbola mandeha tsara toy izay hividy ny vaovao tsy taka-bidy irony ? Raha fiara niasa tamin’ny fotoanan’ny propagande aloha dia tsy mbola simba e no sady tsy niasa firy ka raha mivangongo ao antokotanin’i Ben’ny tanana ao foana ireo dia tsy hisy ahazo tombontsoa amin’izany. Isaorana aza izy ireo no mba niezaka namaha ny olan’ny kaominina ko !
Raha ny amiko dia tsy afangaro ny olana tena mangeja ny vahoaka malagasy ! Ny olana ngezabe eto dia ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana HVM sy ny kolikoly avo lenta atao ao izay manome vahana ny tsy fandehanan’ny raharaham-panjakana. Arodany any daholo ireo ry Ranabavy Freedom ary ataovy mipaika any amin’ny farany ny raharaha Claudine sy ny tariny satria izay ihany aloha no tena vao ahatsapan’ny vahoaka fa tafafoha amin’ny torimasony ny tompon’andraikitra rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS