Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 14h45
 

Répondre à un commentaire

19 mars 2017 à 11:36 | Saint-Jo (#8511)

« 19 mars à 10:53 | zorrolevengeurmasqué (#9826) répond à zorrolevengeurmasqué »
« C’est tout ce vous avez trouvé pour justifier la sauvagerie bien connue des gasy ? ! Le deni de réalité cher aux Malgaches : « cépanot’ fôt ! célafôte aux vazaha.... Pôv q.on ! »

Hay moa !

Fa iza ary no niantso an’io zorro manao toe-jaza lahy kely mbola tsy vory saina io , hanao volan-kakafotra eto ?

Ny tenin-drazanay akory aza tsy hainy , ka amin’ny fomba ahoana no mba ahafantarany izay kolo sy toe-tsainay ary ny fomba amam-panaonay !

Matoa ilay zorro sain-jaza io tonga manaraby sy manambany ny tera-tany rehetra tsy ankanavaka eto , dia satria misy zavatra tadiaviny aty aminay aty . Fa tsy mety azony mihitsy io zavatra tadiaviny io . Dia io izy mivadika atidoha isak’izay mihetsika eto io .

Raha te-hahalala izay voalazako etsy ambony etsy io ity zorro tsy mbola vory saina ity , dia tokony hianatra ny teninay aloha ilery , na mizaha mpandika teny .

PS : Ilay ramatoa foza avy any Isandra iry moa dia efa nizatra nandika ho amin’ny teny vahiny izay nosoratako amin’ny tenin-drazanay , koa azon’ity zorro sain-jaza ity ny miantso azy iny handika teny indray !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS