Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 11h30
 

Répondre à un commentaire

16 mars 2017 à 08:33 | lysnorine (#9752)

@Rahasimbery

“Raha zohina ny zava-misy ankehitriny : Firenena ve i Madagasikara ?”

Ny heverinay tokony ho fanontaniana aloha dia ny mikasika ny manam-pahefana mandidy sy manapaka eto Madagasikara :

Mbola azo heverina ho tompon-tany Malagasy ihany ve izy ireo, ka miahy tokoa ny ho avin’ny sarambaben’ny Vahoaka Malagasy sy Madagasikara tanindrazany, tsy manao varo boba ny tanim-pirenena na tanim-panjakana amin’ny hafa firenena, mitandrina ny harem-pirenena voa-Janahary mba hahasoa ny vahoaka fa tsy tatavanin’ny vahiny fotsiny mandra-pahaharitra azy, kanefa tsy nahitana tombon-tsoa akory na toa inona na toa inona, na manao ahoana na manao ahoana ? Vavolombelona velona mitory an’izany tsy nahitana tombon-tsoa izany ity fitambezoana lalandava “fanampiana” amin’ny any ivelany sy ny toa “tsi-fahavitan-tena” akory eo amin’ny famonjena ireto vahoaka entiny ka tra-bonjy ankehitriny.

Fa “eny” avy hatrany, tsy misy isalasalana, na toa inona na toa inona ny zava-misy ankehitriny, no valin’ilay fanontanina hoe : “Firenena ve i Madagasikara” ?

Ny boky nosoratan-dRamasindraibe Paul, mitondra ny lohateny hoe “Fokonolona Fototry ny Firenena” (Imprimerie des Arts Graphiques, 1975) no nandraisanay fanazavana momba izany, izay miandoha amin’ny fanazavany ny hevitry ny teny malagasy hoe “Firenena” izay mazàna disoan’ny sasany satria heveriny ho tandrify ny hevitry ny teny vazaha “nation”. Hoy ny tari-dresany, « Indraim-bava » :

« Tsy noharian’Andriamanitra hitovy sy hifampiolonolona isika olombelona. Nataony samy hafa mba hifameno ny fiainana, ka hifanampy sy hifanasoa eto an-tany . [...]

« Arakaraka ny toerana nahaterahana, ny fitaizana azo, ny toetry ny manodidina, no mampiova izao fiainana izao, ka MAMPITOVY sy MAMPAHAY MIARAKA kosa ny OLONA MIRAY TOERANA. Ny RENY amintsika no fototra. Fa avy amin’ny RENY ny teny hoe “FIRENENA”. Koa ny reny no nipoirana sy mpitaiza fa izy no manolokolo sy mikarakara ka manao izay rehetra mety haha-olombanona antsika.Izany ihany no nivoahan’ny teny malaza manao hoe “vary iray lovia no anjaran-dehilahy”. Fa ny reny mantsy no tompon-trano sy tompon-janaka. Ary firenena isika malagasy noho izany toetra iraisana izany. Firenena isika fa manana FOTOTRA ITOVIANA avokoa ny FOMBA AMAM-PANAO REHETRA eto amin’ny tanintsika, na any amin’ny faritra aiza, na any amin’ny faritra aiza. Be dia be ny FAHASAMIHAFANA MADINIKA sy rendrarendra manarona ireny FOTOTRA ireny. Fa rehefa arahina sy fakaina dia ao anatiny ihany ny FIOTOTRA ITOVIANA. [Ohatra] Mitera-dahy isika, ka vonona hampiditra azy amin’ny fiainana. Ny fomba amam-panao amin’izany dia raketin’ny fiteny telo manao hoe “mamora, maninkin-jaza ary manao hasoavana”. Samy manana hevitra lalina fonosina ireo teny ireo. Tsy azo avela, tsy azo dinganina, ny iray. Hevitra samy hafa, samy vaventy no tanany. Hita izy fiteny telo ireo MIARAKA, NA AIZA NA AIZA. Koa ireo hevitra fonosin’ny teny telo ireo no “tsileondriaka”. Ary izay fomba amam-panao rehetra iainantsika dia ahitana “tsileondriaka” tahaka izany avokoa. “Tsileondriaka” IRAISAN’ny nosy manontolo mihitsy. » [p.3]

« Ny fiteny : vato namelan-kafatra [...] ny FITENY [no] mpitahiry ny “tsileondriaka” rehetra eto amintsika. [...]
« Tsy misy fahaizana sy fahalalana antsika MALAGASY [*efa avy amin’ny mpanoratra ny sora-baventy eto] raha tsy ny fiteny malagasy aloha no hay. Hay amin’ny vontoatiny. Hay ny manazava sy mandray ny faka sy fototra ijoroany. Hay ny mamoaka ny hevitra fonosiny. Ireny no maha-firenena ity firenena ity. Tsy mba ny aloalom-pasana, sy ny endriky ny tany ary ny tantaran’ny nanjaka sy ny nitarika tatsy sy taroa no maha-malagasy. Ireny rehetra ireny dia madinika, ambiny sy sombiny avokoa rahefa mihatra sy miohatra amin’ny FITENY [*]. Fa amin’ny fiteny kosa no ahitana mivaingana antsika ho hendry, ho firenena, ho malagasy. [... ] Ny “fiteny” no vato namelan-kafatra ho an’ny firenena malagasy. » [pp. 159, 160].

Toy izao no fampitandremany sy fananarany amin’ny farany :

« Tsy mba fandrosoana velively ho an’ny firenena malagasy akory ny “mitsambiki-mikimpy” ka hiaina tahaka ny hafa fotsiny vokatry ny fangalaran-tahaka. Tsy maintsy mahalala tena sy mandini-tena aloha isika, vao mikaroka ny hitovy amin’ny hafa manan-karena sy miasa amin’ny milina manao taozavatra. “Roboroboin’ny mpanana, ka ny ory avy no manao be fahandro”. Aoka isika hahatsapa fa raha tsy mitandrina, ka manao rapa-dango, dia hokofona ary ho sarotra ny “ampitson’ny firenentsika. [...] Koa dieny tsy mbola tonga amin’izany toerana izany ary isika Malagasy [Marihina tsara eto fa tamin’ny 1973 izany, tamin’ny 44 taona lasa !], aoka mba samy hieritreritra sy handinika ka tsy HANDRAY BE FAHATANY FOTSINY ny VOLA sy ny HEVITRA AMPIDIRINA AMINTSIKA. Aoka hiaina araka ny misy antsika. “Mason-tsokina, ka ny kely ananana aloha no ahiratra”. “Dian-tàna, ka todihina ny lasa, ary banjinina ny ho avy”. Aoka hifidy milamina mba hahaizana mifantina ny tsara amin’ny fandrosoana tandrefana aroso amintsika. Aoka tsy ho revo fotsiny. Aoka hahay manary ny ratsy amin’ny azy. [...]. Aoka HISAINA sao kenda. [p.215]

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS